♦ Tsy mamaha olana amin'ny fahefa-mividin'ny malagasy ny fampiakarana ny karama hoy ny Otrik'afo. Ampahan'olona vitsy mantsy no misitraka izany kanefa ny malagasy iray manontolo no miaina ny fisondrotry ny vidim-piainana... ♦ Mitaky ny hanomezan-danja ny tolo-keviny ny kôperativa sy ny fikambanana mpamboly lavanila any Sava. Mitotongana hatrany ny fari-piainan'izy ireo tao anatin'ny telo taona izao... ♦ Hanohana ny ekipam-pirenena vehivavy ho an'ny Rugby lalaovin'ny olona fito manomboka izao ny fitondrana rehefa nahazo ny tapakila hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany atao atsy Afrika-atsimo...
Tsy misy fahafahana tsy misy lalàna, raha tsy izany dia tsy fahafahana fa baranahiny. Ohatra ny fahafahana maneho hevitra na ny fahafahana mivavaka. Ny ao ambadiky ny fahafahana dia ny safidy sy fahaiza-mandanjalanja. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 5 mey 2022 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 44-52
♦ Vitsy an'isa ny hisitraka ny fampakarana karama kanefa ny rehetra no miatrika ny fidangan'ny vidim-piainana, hoy ny antoko Otrikafo, androany... ♦ Tsy mitsaha-mitotongana ny fiainan'ireo mpamboly lavanila tao anatin'ny telo taona farany. Mitaky ny hanomezan-danja ny hetahetany ny koperativa sy ny fikambanan'ny mpamboly any Sava... ♦ Hanohana ny ekipam-pirenena Maki Ladies amin'ny lafiny rehetra kosa manomboka izao ny Filoha Rajoelina Andry sy ny fitondram-panjakana...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco