♦ Tsy maintsy jerena haingana sy ao anatin'ny fotoana fohy ny fampiroboroboana ireo sehatr'asa fiharian'ny mponina amin'ny ankapobeny ary jerena ihany koa ny vahaolana lavitr'ezaka amin'izany, araka ny nambaran'ny Filohan'ny Repoblika... ♦ Basy miisa 1089 sy bala 40 cartouches no nopotehina teny Analakely androany, anatin'ny iray volan'ny famontsoran-keloka faobe momba ny fitaovam-piadiana... ♦ Mitohy ny fikarohana ireo olona enina nisy naka an-keriny tany Maevatanana, araka ny nambaran'ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena...

Ketsa saraka, nahatratra 15 taonina mahery ny vokabarin'i Jeneraly Rabemanantsoa Robert tamin'ny fampiasàna azy. Manamboninahitra ambony misotro ronono nanana andraikitra ambony tao amin'ny tafika malagasy tamin'ny fotoan'andro. Liana amin'ny voly vary.

♦ Miroso amin'ny Oniversite maty avokoa ny Oniversitem-panjakana miisa dimy, ankoatra ny Oniversiten'i Toliara. Nanomboka izany ny SECES sampana Toamasina androany... ♦ Nafampana ny tao Mandritsara androany, nisy tamin'ireo mpivarotra any an-toerana no tsy nanaiky ny fandaminana napetraky ny Fiadidiana ny Kaominina... ♦ Nisongadina sy nandroso kosa ny zava-bitan'ny fikambanana Les Orchidées Blanches tao anatin'ny 50 taona niorenany. Hatomboka rahampitso ny fankalazana...

Ilaina ny fiarahan-dia eo amin'ny samy tanora, ny tanora sy ny mpanabe, fa ilàna fananana tanjona mazava. Ialana ny fiarahana manimba, ialana ny sakana toy ny fahasamihafana satria tokony ho tombony izany mba hampiombona. Asaina ny tanora mba hikatsaka mandrakariva ny hafaliana, ny hasambarana, ny fiadanana ary ny firindràna. Entanina ho tia vavaka sy hiombona amin'Andriamanitra ny tanora mba hanorina ho avy tsara.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...