Fanazavana an-tsary maneho ny dingana fiomanana rehetra ain’ny Sinaody. Navoakan’ny foibe misahana ny Sianody ny Tahirin-kevitra Fiomanana sy ny Soridalana mba ho fitaovana ampiasaina eny anivon’ny Eglizy tsirairay amin’ny fanatanterahana ny dingan’ny Sinaody eo anivon’ny diosezy.

Endrika isehoan'ny fahazotoantsika hanara-dia an'i Jesoa Kristy ny fanatanterahana ny asa-pitoriana ny Vaovao Mahafaly. Vokatry ny fiantsoan'Andriamanitra ny asa fitorianany Vaovao Mahafaly. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.

Alahady 13 febroary 2022 — Alahady fahenina mandavantaona — Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 17. 20-26

Ny 11 febroary dia andro maneran-tany natokana hatsiarovana ny marary rehetra. Maro ny aretina mateti-pitranga rehefa fahavaratra, isan'ireny ny aretim-pivalanana, areti-koditra, aretin'ny taova-pisefoana, ary ny tazomoka. Mampiabo ny fipariahan'ny aretina rehefa fahavarana ny fikorontanan'ny tontolo iainana : rivotra maloto, rano miandrona sy maloto, ny fiovaovan'ny toetrandro, fifandimbiasan'ny hatsiaka sy ny hafanana.

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...