Alakamisy 3 febroary 2022 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 7-13

♦ Tsy miova fa tombanana hiditra eto Madagasikara amin'ny sabotsy izao ilay rivodoza mahery vaika Batsirai. Miisa 17 ireo faritra efa nahazo filazana miloko maitso... ♦ Mbola misy amini'reo sekolim-panjakana nandray traboina teo no mbola tsy tafarina ary efa miahiahy amin'ity rivodoza manaraka ity... ♦ Miandrandra ny handrindrana ny vidin'ny Vary Tsinjo, indrindra ny hahafahana mitsinjara izany eo anivon'ny renivohitry ny distrika, ireo Solombavam-bahoaka ao amin'ny Faritra Matsiatra Ambony...

Natolotr'i P. Angèl Artime Fernandez, Lehiben'ny Fikambanana salezianina maneran-tany, amin'ity horonan-tsary ity ny teny fanentanana ho an'ny taona 2022, nampitondrainy ny lohateny hoe : "Ataovy am-pitiavana ny zavatra rehetra, ialao ny an-tery". Hevi-dehibe, izay ifandraisan'i Masindahy François de Sales sy i Don Bosco no hazavainy amin'izany : ialao ny an-tery, Andriamanitra ao amin'ny fon'olombelona, ny fiainana ao amin'Andriamanitra, ny halemem-panahy sy toetra maha-te ho tia eo amin'ny fifandraisna, ny Fitiavana tsy misy fepetra sy tsy misy fetra, ny maha zava-dehibe ny fitantanana am-panahy, am-pitiavana ny zavatra rehetra.

♦ Mitombo hery ilay rivo-doza Batsirai atsy amin'ny ranomasimbe indiana. Tany amin'ny 940 kilômetatra atsinanan'Ambila-Lemaitso no misy ny foibeny tamin'ny 9 ora maraina teo... ♦ Nanolotra fanampiana ho an'ny traboina ao Antananarivo renivohitra sy ny manodidina vokatry ny andro ratsy farany teo ny rantsan'ny firenena mikambana eto Madagasikara. Fanampiana mitentina 360.000 Dolara... ♦ Tsy manaiky ny hanafoanana ny CROUA noho ny antony tsy mitombina fa fanasoketana sy fanaratsiana fotsiny ny sendikan'ny mpiasan'ny CROUA...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...