13 aprily — Ny papa Martin Voalohany no tsaroana amin'izao andro izao. Voafidy ho papa izy ny volana jolay 649. Avy any Todi (Ombrie) izy, ary légat tao Constantinople. Ny taona voalohany naha papa azy dia nanmpiantso Kônsily tao Latran izy ary namaritra lalana teôlôjika nanameloka ny fampianaran-diso monothélite sy ny fampianarana byzantine naelin'ny amperora Héraclius tamin'ny taona 638.
Ny Eglizy dia sady hita maso no ara-panahy, izany hoe, fikambanana hita maso misy mpitondra sy olona entina. Fikambanana ara-panahy noho ny Batemy sy ny Fahasoavana. I Jesoa irery ihany no Mpanalalana lavorary amin'olombelona sy Andriamanitra. Ny Eglizy dia vondron'olona atambatry ny Finoana, Fanantenana sy Fitiavana. Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
13 avrily 2025 — Alahady Sampankazo — Fahatsirovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema — Fandinihana ny fijalian'i Kristy — Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra — Lk. 22, 14 – 23, 56
Alahady sampankazo : Fandinihana ny fijalian'ny Tompo ; fahatsiarovana ny nidiran’ny tompo tao jerosalema. Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Zanaka natao hanaiky isika, mankatoa amim-pitiavana. Betsaka ny fahontantsika sy ny fahalemantsika koa aoka isika haka tahaka an'i Masindahy Piera dia ny fiovam-po amin'ny fibebahana. Izay miombina amin'i Kristy dia handresy hiaraka aminy manoloana ireo sedra ara-panahy...
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco