Alahady 26 desambra 2021 — Ny Fianakaviana Masina tao Nazareta — Eny, Andriamanitra miafina Ianao, Andriamanitra ety aminay olombelona, ry Jesoa Mpamonjy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 41-52

Hafaliana lehibe ny Noely satria ny fitiavan'Andriamanitra no tonga amintsika, hoy i P. Bizimana Innocent, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, tamin'ny firarian-tsoan'ny Noely 2021. Tonga ny famonjena izay midika tsy faharahavan'ny fiainana. Io fitiavana sy famonjena io no irariana hanjaka ao amin'ny fiainantsika, ka hifanampy mba hiainan'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana.

Mirary ny rehetra hiaina ny fitiavana entin'ny Noely ny Arsevekan'Antananarivo, Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona. Ny olona mahitsy fandeha dia miaina amin'ny fitiavana sy mifampitsimbina, hoy izy, manalavitra ny fitiavan-tena sy ny fifampiandaniana. Tsy hohadinoin'ny Eglizy ihany koa ny mivavaka ho an'ireo zohim-pahoriana ankehitriny mba hampian'Andriamanitra sy hankahereziny izy ireo.

"Enga anie ny fahazavan’i Jesoa Zazakely hitondra fifaliana sy fiadanana ary fanantenana ho an’ny rehetra, indrindra ho an’ireo mahantra izay ao am-pon’ny Papa François", io no votoatin'ny firarian-tsoa nataon'ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara, Mgr Paolo Rocco Gualtieri, tamin'ny firarian-tsoa ho an'ny vahoaka Malagasy noho ny Noely 2021 sy ny Taona vaovao 2022. Mankahery  azy ireo izy mba handroso hatrany ho amin'ny tontolon'ny Hazavana.

[Miara-dàlana] Zoma 12 septambra 2025

• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...