Ny lahy no lohan'ny vavy, tahaka an'i Jesoa Kristy lohan'ny Eglizy, izay vatana sy manana azy ho mpamonjy. Tokony ho taratra eo amin'ny fanatanterahana ny adidy sy ny fandaminana ny ao an-tokantrano izany. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alarobia 13 oktobra 2021 — Herinandro fahavalo amby roapolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 42-46
♦ Nidina an-dalambe nitaky ny zo hianatra ireo mpianatra ao amin'ny ENS Ampefiloha androany. Nilanja sora-baventy nanoloana ny Ministeran'ny Asa Vaventy ihany koa ireo mpandraharaha mpanao lalana tsy mbola nahazo ny volany hatramin'izao... ♦ Feno 130 taona ny Hôpitaly Miaramila eny Soaviandriana. Tsangambaton'ny taon-jobily ny fanavaozana sy ny fanitarana ny sampan-draharaha handraisana ny hamehana eny an-toerana, notokanan'ny Filoham-pirenena androany...
♦ Nisehoana fanafihana fandrobàna vola in-droa miantoana tany Andohanilakaka, tao anatin'ny iray andro... ♦ Miantso amin'ny tokony hanohizana indray ny fitsaràna momba ny famonoana ny mpitsara Rehavana Michel tany Toliara ireo mpitsara namany... ♦ Mitohy hatrany ny fitsirihana ireo fiara mpitatitra mialoha ny fiaingany eny amin'ny tobim-piantsoanana Fasan'ny karàna, hoy ny tompon'andraikitra...
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco