Alatsinainy 8 novambra 2021 — Herinandro faharoa amby telopolo mandavantaona — Ny fitsipikao, ry Tompo, mahafaly ny fo; ny baikonao mazava manilo ny maso — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 17, 1-6
Ny Pretra sy ny Relijiozy, ny Zoky am-panahy : ireny no solontenan'ny eglizy eo anivon'ny tanora ka manampy azy amin'ny safidim-piainana tiany ho tratra, ary azo lazaina fa manamafy ny fahasahiany hiroso amin'ny dingana lavitra, arofanina manitsy ny dia. Katesizy momba ny eny amin'ny fahasahiana hanorina ho avy, iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alahady 7 novambra 2021 — Alahady faharoa amby telopolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 12, 38-44
Feno 100 taona amin'ity taona ity ny nahitàna ny "insuline", izay singa iray amin'ny fitsaboana ny diabeta ary nahavotra olona maro. Ny 14 novambra 2021 izao no fanamarihana ny andro eran-tany ho an'ny diabeta ka ny lohahevitra dia ny hoe : Fisitrahana ny fanafody hitsaboana ny diabeta ; raha tsy izao, dia rahoviana indray. Misedra olana ny mararin'ny diabeta : tsy fahitàna fanafody sy fitaovana, tsy ampy ny fahafahana ara-bola. Voka-dratsy : lalan-dra tapaka, aretin'ny voa, AVC, fivalanan-rano matetika...
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco