♦ Nosokafana tamin'ny fomba ôfisialy omaly alahadyny fankalazàna ny andro maneran-tany ho an'ny misiona sy ny fanokafana ny sinaodin'ny eveka, izay hotanterahina ny taona 2021 hatramin'ny 2023... ♦ Niharan'ny lozam-pifamoivoizana ny fiara "blindé", izay mamarana ny "cortège" miara-dia amin'ny filoham-pirenena omaly tolak'andro tokony ho tamin'ny 3 ora teny Ambatobe. Tsy nisy ny aina nafoy, fa olona 10no naratra... ♦ Vita ny fanavaozana ny toeram-pialamboly sy fitsangatsanganana eny Analamanga Park, kaominina Ambalavao, distrika Antananarivo-Atsimondrano, ny Faritra no niantsoroka ny lany rehetra...
Tsapa araka itsy voalaza tetsy aloha, fa miharatsy ny tontolo, fomba fiaina sy ny fisainana. Mibahan-toerana kokoa ny tontolon'ny fahafinarehana. Tsy resy lahatra intsony ny olona rehefa misy fanentanana raha tsy mahita fafinaretana aloha vao ny mahasoa. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Miovaova noho ny firehan-kevitra ny endrik'izao tontolo izao. Tsapa araka itsy voalohany, fa miharatsy ny tontolo, fomba fiaina sy ny fisainana. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alahady 17 oktobra 2021 — Alahady fahasivy amby roapolo mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 35-45
• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco