♦ Tsy hihemotra amin'ny fitokonana izay ho tanterahiny manomboka rahampitso ny sendikàn'ny mpiasan'ny fadintseranana na ny Sempidou... ♦ Tsy ho afa-bela ireo mpiasam-panjakàna sy ireo olom-boatendry miray tendro amin'ireo mpandroba harem-pirenena an-tsokosoko... ♦ Efa miteraka ady hevitra be eo amin'ireo samy solombavambahoaka sahady ny momba ilay tolo-dalana ITG... 

♦ Tratehaka tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly ny teratany Sri-lankais izay nikasa hanondrana an-tsokosoko vato sarobidy... ♦ Handalo fitsaràna anio eny anivon'ny filan-kevi-panjakàna Anosy ny fitoriana izay napetraky ny "cellule de crise" ivondronan''ireo mpanao gazety nandà ny fifidianana birao vaovao maharitry ny OJM... ♦ Miantso ny mpitondra mahefa handray ny andraikiny manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana ny Evekan'ny Diôsezy Morondava...

Ny fiaraha-monina ankehitriny dia anjakan'ny fitiavantena. Ny mpanana sy ny matanjaka no manana ny fahefana ary zary atao tsinotsinona ny aina. Manoloana izany dia voalika ny mahantra sy ny madinika, etsy ankilany, tsy afaka mijery fotsiny an'izany ny fiangonana, ka manentana ny rehetra hitia ny madinika. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.

Alarobia 20 oktobra 2021 — Herinandro fahasivy amby roapolo mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ry Tompo ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 39-48

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...