♦ Namoaka fampitam-baovao ôfisialy ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, tao aorian'ny fihaonana tamin'ny Filoham-pirenena, teny Iavoloha omaly... ♦ Mila hatsaraina ny paik'ady hanapariahana ireo vakisiny fanefitry ny Covid-19, tonga eto amintsika, hoy ny Randrana Sendikaly. Nanoso-kevitra ny hanitarana ny toerana hanaovam-bakisiny izy ireo, mba hisitrahan'ny mpiasa any amin'ny orinasa izany koa...

Ny fifandraisan'ny mpiray tampo efa samy manana tokantrano dia manana endrika hafa. Tsy mitovy amin'ny fifandraisan'ny iray tampo tamin'ny mbola teo amin'ny tranon-draiamandreny ny fifandraisan'izy ireo rehefa samy manana ny tokantranony. Tokony tsy ho adinoina anefa ireo soatoavina sy fanabeazana azo tamin'ny ray aman-dreny mba hitohizan'ny fifankatiavana hatrany...

Ny tanora no manana ny hery rehetra ahafahana manao zavatra araka ny fahalalana ananany. Tsy misaraka ny fahaiza-miaina sy ny fahaiza-manao ka izay no hisarihana ny sain'ny tanora, na manana fahafahana aza dia tsy tokony hirehareha. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.

Zoma 30 jolay 2021 — Herinandro fahafito ambin'ny folo mandavantaona — Mitenena Tompo ô, fa mihaino ny mpanomponao: Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 54-58

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...