 
 
											  
 
			Talata 2 novambra 2021 — Fahatsiarovana ny mpino nodimandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6
 
 
											  
 
			Toetra ilaina amin'ny fivoaran'ny tena ny fananana hazon-damosina. Ny fahasahiana mijoro amin'ny maha-izy ny tena dia ahafahana manamafy orina ny fahatokisan-tena sy ny fanantenana ary ny finoana ka tsy ho mora handairan'ny famoizam-po. Fotoana fanorenana ny fahatanorana ka tsy tokony hanjeny ny andro ho lava, ary tsy miasa irery fa miaraka amin'i Kristy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
 
 
											  
 
			Alatsinainy 1 novambra 2021 — Fetin'ny Olomasina rehetra — Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana Anareo Aho, hoy ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 1-12a
 
 
											  
 
			Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
 
			Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny... 
			I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny... 
			Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco