♦ Omaly vao voafehy ny afo, manoloana ny firehetana tany amin'ny valan-javaboaharin'Ankarafantsika, araka ny tatitry ny ministera, toerana roa hafa koa, tratran'ny doro tanety any an-toerana... ♦ Mbola mikatso ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i Toliara, taorian'ilay savorovoro farany teo... ♦ Manomboka ny fanenjehana ireo taxi-moto, ao an-drenivohitra. Moto maro omaly no noraofin'ny Pôlisim-pirenena ary nahiditra valan-tsazy...
Tsy resaka mivantana no nandraisan'i Masina Maria ny antson'Andriamanitra fa tamin'ny alalan'ny anjely, araka ny Lk 1, 26-38. Ny anjely dia tahaka ny vavan'Andriamanitra miresaka amin'i Masina Maria. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Talata 14 septambra 2021 — Ny nanandratana ny Hazofijaliana — Mitsaoka Anao sy misaotra Anao izahay, ry Kristy, satria tamin’ny Hazofijaliana no nanavotanao izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 3, 13-17
♦ Mbola mikatso tanteraka ny fampianarana any amin'ny Oniversiten'i Maninday-Toliara, raha ny fijoroana vavolombelona nataon'ireo mpianatra avy any an-toerana... ♦ Tsy voafehy amin'ny asa tanamaro ataon'ny fokonolona intsony ankehitriny ny fifehezana ny afo any Ankarafantsika, hoy ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Miroso amin'ny fampiharana ny lalàna amin'ny fandraràna ireo taxi-moto ny pôlisim-pirenena...
Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco