♦ Mitaraina ireo mpiasan'ny orinasa Kraomita Malagasy fa misy amin'izy ireo no efa matin'ny Coronavirus, noho ny tsy fisian'ny fiantohana ara-pahasalamana intsony... ♦ Nitondra anjara betsaka tamin'ny toekaream-pirenena ny harena ankibon'ny tany, nampiditra 26.044.000.000Ariary tamin'ny taon-dasa... ♦ Misaona ny fanjakàna britanika, nodiimandry ny Printsy Philip, vadin'ny Mpanjakavavy Elisabeth-II... 

Ny Sorona teo amin'ny Hazofijaliana ihany no antoky ny Famonjena antsika. Andriamanitra no nifidy an'i Maria sy nameno azy ny fahasoavana mba hitondra ny famonjena an'izao tontolo izao.

Mbola tsy miverina amin'ny toerana nisy azy teo aloha ny lalam-pihariana ronono any Vakinankaratra taorian'ny krizy nitranga tamin'ny heritaona. Manahy amin'ny ho avin'ny lalam-pihariana ihany koa ny mpiompy manoloana izao andiany faharoa amin'ny valan'aretina covid izao... 

♦ Tsy mitsahatra manentana ny olom-pirenena hanaja ny fepetra ara-pahasalamana ny polisim-pirenena. Afaka mitoroka ny tranga tsy fanajàna ny fepetra sakana anaty fiara fitanteram-bahoaka amin'ireo polisy eny an-dalana ny mpandeha... ♦ Manan-kery ary azo ampiasaina tsara manerana ny Nosy ny vola taratasy rehetra 2.000Ariary, 1.000Ariary sy 500Ariary navoaka tamin'ny taona 2017 hoy ny Banky foibe... 

[Miara-dàlana] Alatsinainy 26 mey 2025

• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...