Hitantsika tamin'ny alalan'ireo endrika telo (Jesoa, Piera, Paoly) fa ny fahasahiana dia miteraka risi-po ho amin'ny tanjona iray. Tsy mandeha ho azy anefa ny fahasahiana fa vokatry ny fitiavana, ny finoana, ny fahatokisana, eny fa vokatry ny fanantenana. Katesizy momba ny fahasahiana, iarahana amin'i P. Jean-Luc Ratovonjanahary.
Sabotsy 24 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 13, 24-30
♦ Nanao ranolava ny fanambarana sy ny fanehoan-kevitr'ireo mpanao pôlitika samihafa, manoloana ilay voalaza fa fisian'olona mikasa hifofo ny ain'ny Filoham-pirenena. Fanehoan-kevitra vitsivitsy no entintsika amin'izao vaovao izao... ♦ Mikaon-doha momba ny raharaham-pirenena, eto Antananarivo, ny avy amin'ny RMDM sy ireo ankolafin-kery. Milaza ho manana vahaolana, manoloana ny fiainam-bahoaka izy ireo, ao aorian'izao fakan-kevitra izao...
Samy mahatsapa ny fisian’ny ratsy, manodidina azy sy ao aminy ny olona rehetra. Miseho koa io fahatsapana io eo amin’ny fifandraisan’ny lehilahy sy ny vehivavy. Tsy nandao ny olombelona mpanota ao amin'ny famindram-pony anefa Andriamanitra.
• Hampahafantarina amin'ny fomba ofisialy, ny 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Hotanterahana eny Bevalala ny fangataham-pahasoavana sy fametrahana eo ampelatan'Andriamanitra ny Taom-pianarana 2025-2026, ho an'ny Sekoly Katolika eto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fahazavan'ny Fiadanana sy ny Fandriam-pahalemana ary ny Fanantenana ho an'izao tontolo izao ny Fahamasinana, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco