♦ Miandry ny valin'ny fanadihadiana sy ny soson-kevitra narosony ny ben'ny tanànan'i Imerintsiatosika, manoloana ny hamindràna ilay tetik'asa Tana-masoandro any an-toerana. Zara raha ny antsasaky ny velaran-tany ilaina amin'izany no tanim-panjakàna... ♦ Mbola namafisin'ny ATT ny teny midina navoakan'ny ministeran'ny fitanterana fa tsy azon'ny fiara fitanteram-bahoaka atao ny mitondra entana...
Nivoaka tamin'ny 29 desambra 2020 ny fanazavana ofisaly ny teny fanentanan'i P. Ángel Fernández Artime, Recteur Majeur, ho an'ny taona 2021, mitondra ny lohateny ho : "Entanin'ny fananteanana isika : indro havaoziko ny zavatra rehetra" (Ap 21,5). Efa nadika amin'ny fiteny dimy samihafa izy io: italianina, anglisy, espanola, portogey ary frantsay.
Talata 5 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona —Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 34-44
♦ Tsy sakana amin'ny fametrahana ny tanàna vaovao any Imeritsitosika ny ben'ny tanàna any an-toerana. Misy anefa ny soson-kevitra narosony mba isorohana ny fandrodanana tranosy fasàna ary ny fanotorana tanimbary... ♦ Nahazo fahafahana vonjimaika ary miandry ny fotoam-pitsarana azy ny 23 febroary izao ilay manamboninahitra misotro ronono sady ministra teo aloha, voasaringotra tamin'ilay lozam-pifamoivoizana teny Ankorondrano...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco