Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.

Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa, dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandravany ny vahoaka; ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina, ary i Jesoa irery no teny an-tanety. Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy, fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.” Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, fa tsy azony an-tsaina itý fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.

Talohan'ny vanim-potoanan'ny fanjanahantany dia mbola nisy sy tsara ny ala malagasy sy voajanahary, saingy taty aoriana dia nihasimba izany ary nosoloana hazo vahiny. Tamin'ny andro teo aloha, tsy nisy firy  ny doro-tanety sy ny tevy ala ka niroborobo ny zava-maniry ary nifampiankina.  isan'ny hazo malagasy ny orchidé, ny rotra, ny apalibe, ny voandelaka, ny varongy ary tamin'ireny biby amam-borona no velona kokoa...

♦ Noravàn'ny kaominina Antananarivo renivohitra omaly ny toeram-pivarotana iray teny Analamahitsy. Tsy nanara-dalàna ny fandrodanana hoy ny mpanolon-tsaina Clémence Rahariniriana... ♦ Tsy maintsy misy ny mpiandry raharaha sy ny fiara miasa amin'ireo tobim-piantsonana nasionaly sy rejionaly mba hiantohana ny fitanterana ny mpandeha hoy ny ATT...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...