♦ Nitondra fanazavana androany ireo tompon'andraikitra, manoloana ny fisian'ny mpandeha avy any ivelany indray, tonga tetsy amin'ny seranam-piaramanidina Ivato omaly. Niteraka resabe fanindroany moa ity tranga ity amin'izao... ♦ Niakatra indray ny isan'ireo olona voamarina ho mitondra ny tsimokaretina Covid-19 eto Madagasikara. Tranga vaovao 221 no hita tamin'ireo fitiliana. Niampy dimy ireo matin'ity aretina ity raha ny tarehimarika androany...

♦ Mitsinjo ireo mpanjono misedra olana noho ny valanaretina Covid-19 ny fitondram-panjakana. Tsy mandoa tataon-ketra ireo mpanjono lamatra madinika, aty amin'ny fari-dranomasin'i Madagasikara, araka ny tapaka nandritra ny filankevitry ny Minisitra natao omaly... ♦ Nidera sy nankasitraka ny fihetsiky ny mponina tany Mahajanga, ny Talem-paritry ny fahasalamam-bahoaka ao Boeny, noho ny ezaka natao niadiana tamin'ny Coronavirus...

Ao anatin' ny fo no tena mandrindra ny fiainana ary mibaiko misimisy kokoa ny fitiavana. (05-05-2021)

♦ Velon-taraina ireo tantsaha mpamboly hasy, maherin'ny 150.000 any amin'ny Toliara Faharoa, fa iharan'ny olana samihafa ny lalam-pihariana ifotoran'izy ireo... ♦ Mangataka ny fahazoana mivarotra ireo tahin'andramena nogiazana efa an-taonany maro ary tsy azo amidy, ireo mpandraharaha any amin'ny Disitrikan'Antalaha, manoloana ny olana ara-pihariana ankehitriny...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...