Sabotsy 1 mey 2021 — Herinandro fahefatra fankalazana ny Paka — Fantatsika fa nitsangan-ko velona marina tokoa i Kristy. Ianao, ry Mpanjaka nandresy, ombaombao ny fitiavanao re izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 7-14

♦ Notendren'ny Papa François ho evekan'ny diôsezin'i Tsiroanomandidy i Mômpera Gabriel Randrianantenaina. Nampahafantatra izany androany ny Ambasadin'ny Fiketrahana Masina eto Madagasikara... ♦ Hiteny amin'ny vahoaka Malagasy indray ny Filoham-pirenena amin'ny alahady izao, hampahafantatra ireo fepetra hampiharina, iadiana amin'ny Covid-19 ao anatin'ny 15 andro manaraka...

Ny fiantsoana ho amin’ny fanambadiana dia voasokitra ao amin’ny toetra voa-Janahary maha-lehilahy sy maha-vehivavy, raha vao navoaka avy tao amin’ny tanan’ny Mpahary izy ireo. Nohariana mba hifameno ny lehilahy sy ny vehivavy. Manamafy izany ny Soratra Masina : “Tsy tsara raha irery ny lehilahy” (Jen 2,18).

Nidina ifotony nijery ny fomba fiasa teny amin'ny abattoir teny Ampasika, ao Antananarivo Atsimondrano, ny Minisitra Ranarivelo Lucien sy ny mpiara-miasa aminy, ny alatsinainy 26 avrily teo, manoloana ny fisian'ny FVR mahazo ny omby sy ny ondry aman'osy amin'ny faritra dimy eto Madagasikara.

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...