Alakamisy 24 desambra 2020 — Ry ilay Mpanjakan’ny firenena rehetra, avia ary vonjeo ny olona izay noforoninao tamin’ny vovotany — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 67-79
♦ Fifidianana loholona : Ny vovonana IRMAR avokoa no nahazo ny laharana voalohany tany amin'ny faritany 6, araka ny voka-pifidianana vonjimaika navoakan'ny CENI, afaka tapa-bolana ny vokatra ôfisialy... ♦ Tombanana hipanka an-tanety amin'ny faran'ny herinandro izao ilay "dépression tropicale" izay miforona ao atsinanan' Antalaha, any amin'ny 1128km...
♦ Nitarika isam-paritany ny kandidàn'ny IRD tamin'ny fifidianana Loholona ny 11 desambra teo, raha ny vokatra vonjimaika navoakan'ny CENI, androany maraina... ♦ Nofoanana indray ilay fanadihadiana parlemantera momba ny fandosirana faoba nataon'ireo voafonja tany Farafangana, efa any am-pelan-tànan'ny fitsaràna ny raharaha... ♦ Efa nihoatra an'i Grande Bretagne nahitàna azy voalohany ilay tsimokaretina Coronavirus niova endrika. Nahitàna tranga vaovao 4 tany Belgique...
♦ Havoaka anio eny amin'ny foiben'ny CENI eny Alarobia ny vokatra vonjimaika feno tamin'ny fifidianana Loholona, voalaza fa namerina nanisa vato ity vaomiera ity, mialohan'izao famoahana vokatra vonjimaika izao... ♦ Hohamafisina ny fepetra fisorohana ny lozam-pifamoivoizana sy ara-pahasalamana ho fiarovana amin'ny Covid-19 amin'izao ankatoky ny fety izao hoy ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety... ♦ Tsy misy ahiana ny fahitàna vaksiny fanefitr'ilay tsimokaretina coronavirus amin'ny endriny vaovao tany Grande Bretagne, hoy ny laboratoara BionTech, izay nahita vaksiny mahatohitra ny covid-19...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco