Raha amin'ny Eglizy dia ny finoana an'i Jesoa Kristy maty sy nitsanga-ko velona no fototry ny politika izany hoe tsy miala amin'ny fikatsahana ny soa iombonana : isan'ireny ny asa sôsialy toy ny fanabeazana, famolavolana ho olom-banona, miaro ny aina. Ny tokony hibaiko ny mpanao pôlitika dia ny fahefan'Andriamanitra izay mampiasa fahefana ara-drariny sy ny hitsiny, araka ny feon'ny fiheritreretana. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Tsy afa-miala amin'ny soa iombonana ny pôlitikan'ny Eglizy. Ao amin'ny Eglizy ny olona ary natao hifandray amin'ny hafa, sady tsy manavakavaka. Tsy afa-miala sy tsy maintsy mifandray amin'ny fitondrana ny Eglizy, izy no fanilo sy fahazavana eo anivon'izao tontolo izao. Tsy fironan-kevitra ny Eglizy fa finoana nolovana tao ireo fifandimbiasan'ny Apôstôly, izay misy rafitra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Samy hafa ny politika ho an'ny Eglizy sy ny ara-pitondrana. Misy rafitra ao amin'ny Fiangonana izay tsy maintsy arahina. Zavatra roa samy hafa ny fanorenana ny fanjakan'ny tany sy ny fanorenana ny fanjakan'ny lanitra. Na iza na iza mpitondra tsy mikatsaka ny tombotsoa sy ny soa iombonana dia tsy maintsy miteny ny Eglizy. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny Eglizy dia tsy mitsara ary tsy mandidy ny mpitondra fa kosa mankahery ny mpitondra fanjakàna amin'ny fikatsahana ny soa sy ny tombontsoa iombonana. Ny Eglizy dia manatanteraka ny adidiny amin'ny fanitsiana sy fanoroana ny tsara, ary koa miara-mamindra amin'ny olona rehetra ho an'ny amin'ny famonjena izao tontolo izao. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fampanjakàna ny feon'ny fieritreretana manoloana ny fahamendrehana maha olona no voalohany amin'ny resaka politika tena izy. Rehefa miaina ao anatin'ny fandriampahalemana sy mandroso amin'ny maha olona manontolo azy ny vahoaka, ary miadana sy mahatsapa ho olon'afaka dia izay no politika tsara indrindra. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Misy mpitondra fivavahana sasany, karazan'olona manohitra fitondrana, maminany sahady ny ho avy, manakorontana ny saim-bahoaka. Ny Eglizy dia tsy mametraka olona ho fidiana fa manitsy mpitondra araka ny foto-pampianarana manome lanja ny soa iombonana. Raha misy mpitondra fivavahana maka ny toeran'ny mpanohitra dia mamitaka ny tenany sy ny vahoaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Voajanahary ny fiaraha-monina. Fiaraha-monina ankohonana no naorin’Andriamanitra voalohany. Avy eo nisy ny fiaraha-monina toy ny firenena tahaka an’Israely. Nataon’Andriamanitra fianakaviana iray ny olombelona. Iray donak'afo, miara-miaina, miara-belona. Soa iombonana no tanjona ka ilàna rafitra ara-politika. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Mivelatra ny fiaraha-monina ary mihalehibe ny rafitra satria mihitatra amin’ny fiaraha-monina iraisam-pirenena. Tsy maintsy ny fepetra sy fitsipika ary lalana mifehy ny fiaraha-monina, mba hitazonana ny fahasambarana sy fahamendrehan’ny olombelona, ary ny fifampiankinany. Ao anatin’izany fepetra izany ny azo atao sy ny voarara (le permis et l’interdit). Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Voajanahary ny fitsipika sy ny lalàna ho an’ny fiaha-monina, lalàm-pitiavana no fepetra: tsy ho an’Andriamanitratra sy ny olombelona fotsiny fa natao ho an’ny firahalahian’ny olombelona. Mifampiankina ny fandrosoana amin'ny lafiny rehetra. Voajanahary ny fiaraha-monina noho izany voajanahary ihany koa ny fahefana ara-politika hitantanana ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Rehefa mitombo ny velaran’ny fiaraha-monina dia mitombo ny adidy sy andraikitra. Maro ihany koa ny olana. Adidin'ny tsirairay no milatsaka ho naman’ny rehetra : manompo ny hafa, indrindra ireo marefo sy voahilika. Ilaina ny rafitra mba tsy hifanitsaka andraikitra : ohatra ao amin'ny ankohonana ; mifanentana amin’ny fahefan’ny ray ny adidiny, toy izany koa ny reny sy ny zanaka. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Samy manana ny heritsaina, kolotsaina, hevitra ny tsirairay ao amin’ny fiaraha-monina. Tsy misy azo ahilika na havahana izy ireny. Tsipahan'ny Eglizy ny fanavakavahana satria nantsoin’Andriamanitra ho amin’ny famonjena sy hiafara aminy ny rehetra. Na misy aza ny hevitra tsy mitovy dia tsy maintsy hajaina ny olona. Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Manana adidy ao amin’ny fiaraha-monina ny Eglizy. Tsy antoko politika fa finoana ny Eglizy. Betsaka ny nolovain’ny Eglizy tamin'ny tantaram-piaraha-monina sehatra iray ao amin’izao tontolo izao ny Eglizy. Ny fisian ireo tsy mino an’Andriamanitra no mahatonga ny Eglizy hijoro ho lalivay, mba ho vala tokana ny Eglizy, mba hampanjaka ny rariny sy ny hitsiny... Katesizy momba ny politika araka ny fijerin'ny Eglizy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco