Alahady 18 septambra 2022 — Alahady Tsotra fahadimy amby roapolo Mandavantaona — Izay tia Ahy dia hitandrina ny teniko ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy Izahay ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-13
Ny tantsoroka sy ny kolom-panahy dia fanentanana hataon'ny fiangonana amin'ny alalan'ny katesizy mikasika ny fianakaviana. Maro ny loha-hevitra mikasika ny fiankaviana no horesahina amin'izao fandaharana izao ary hametrahana ny tanjona hikolokoloina ny fiainam-pianakaviana ara-panahy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'ny pretran'i fiangonana.
Maro ny hevitra mifamahofaho amin'izao fotoana izao manoloana ny teny hoe "fianakaviana", indrindra hatramin'izay nidiran'izao tontolo izao anatin'ny sehatry ny fanatontoloana. Noho ny filàna ara-nofo sy ny tombontsoa ho an'ny tena dia misy ireo miara-miaina toy ny mpivady, ka mamorona "fianakaviana" na inona na inona karazana misy azy. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Ny olombelona sasany dia tsy te hanaiky izay nanamboaran'ny nahary tany an-kibondreniny azy. Raha lahy no nahariana azy dia te ho vavy izy ; raha vavy dia te ho lahy. Ireny no lazain'ny olona hoe "gender" na "théorie du genre", miralenta. Tsy vitan'ny filàna na tombontsoa fotsiny izany fa tena fitaka no hiainana amin'izay nanamboaran'Andriamanitra ny olombelona. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Ankehitriny, ny fanambadiana mamorona ny fianakaviana dia tsy araka ny sitrapon'Andriamanitra intsony fa araka ny sitrapon'ny olombelona te hitovy indray amin'Andriamanitra. Ny fianakaviana tokony hanome taranaka noho fifankatiavan'ny mpivady dia lasa fiaraha-monin'ny fampanaranam-batana miaina eo ambonin'ny fitaka. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Mampalahelo ny toe-javatra misy, satria ny vatan'ny olombelona sy ny fanahiny mihitsy no very hasina ary tsy misy lanjany intsony, lasa mijanona fotsiny ho fitaovam-pananahana tsy misy tanjona fa zary fitaovana entina mikaroka fahafinaretana sy harena fotsiny sisa ny vatan'ny olombelona miara-mitoetra ao amin'ny tokantrano iray. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Tempolin'ny Fanahy Masina ny vatantsika olombelona ka tsy tokony ho viraviraina amin'ny filàn-dratsin'ny nofo. Araka ny voalazan'ny Soratra Masina : "izay nakamban'Andriamanitra aoka tsy ho sarahin'olombelona". Tsy nitsahatra nampivoitra sy nanome lanja ny hasina maha-olona mizotra mankany amin'ny fahamasinana maha-kristiana i Md Paoly. Ny fiombonan'ny Ray sy ny zanaka ao amin'ny Fanahy Masina no endriky ny fianakaviana. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Noharian'Andriamanitra ho lahy sy vavy ny olona ka afaka mamorona ny antsoina hoe fianakaviana rehefa voatso-dranon'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fifankatiavan'ny mpivady izay atambatry ny fanambadiana ary afaka manome taranaka dia ny zanaka izany. Sarobidy sady tsara eo imason'Andriamanitra ny vatantsika olombelona satria tempolin'ny Fanahy Masina. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Tsy nilatsaka avy any an-danitra akory ny fahatongavan'i Jesoa teto an-tany fa nisy fianakaviana nipoirana ara-dalàna. Ny atao hoe fianakaviana araka ny nandaharan'Andriamanitra azy dia ny fifamenoan'ny ray sy ny reny ary ny zanaka ao an-tokantrano ; noho izany dia tsy miankina amin'ny ray aman-dreny intsony fa mahaleo tena sy mifankatia ary mifanaja amin'ny toerana misy ny tsirairay. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Manana ny anjara toerany ny ray ao an-tokantrano. Ny lahikely raha vao teraka dia efa voalahatra ho raim-pianakaviana avokoa. Natao hitondra sy hiatrika ary hanapa-kevitra izy ; hany ka mahatsinjo lavitra eo amin'ny fiainana sy mahita ny ankapoben-javatra hatrany. Matanjaka sy natao hiharitra zavatra maro ny vatany ka hita fa lalao maherihery setra kokoa no tiany. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Tia mandinika sy miady hevitra ny lehilahy , na mbola kely na efa vory saina dia efa hita fa miaraka amin'ny vondron-jazalahy mitovitovy taona aminy, miara-milalao baolina, na miady hevitra rehefa milalao. Matetika ao anatin'izany no samy te hametraka ny heviny ho marina sy tsy tokony ho lavina avokoa. Manaiky koa anefa izy fa ao anatin'izany vondrona misy azy izany no hametrahany izay lehiben'izy ireo. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Ny mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ombieny ombieny no tsara indrindra atao amin'ny zanaka lahy, fa tsy dia fananarana ara-moraly diso tafahoatra na fandidiana tsotra izao tsy hivoaka ny trano, na fandraràna tsy hiaraka amin'ny zanaky ny manodidina. Mila mitandrina tsara tsara ny ray aman-dreny fa famolavolana tovolahy ho raim-pianakaviana no atao. katesizy momba ny fianakaviana, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Maria.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco