Tsy misy fahafahana tsy misy lalàna, raha tsy izany dia tsy fahafahana fa baranahiny. Ohatra ny fahafahana maneho hevitra na ny fahafahana mivavaka. Ny ao ambadiky ny fahafahana dia ny safidy sy fahaiza-mandanjalanja. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Rariny raha mankamamy ny fahafahana ary mikatsaka azy amin'ny fony tokoa ny olombelona satria ilay hasina maha-olona mihitsy no mitaky izany. Ny fahafahako dia mijanona rehefa manomboka ny fahafahan'ny hafa. Hoy ny Pape Joany Paoly faharoa hoe : miriaria anaty fahafahana tsy hita noanoa ny olombelona satria afa-mihinana amin'ny hazo rehetra ao antin'ny saha. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny olona rehetra dia mitovy hasina, noho izy nohariana hitovy endrika aminy ary manahaka azy. Raha manan-kasina ny olombelona tsirairay eo anatrehan'Andriamanitra dia tsy tokony hifanohitra amin'izany ny olona iray eo anatrehan'ny olombelona iray hafa. Noho ny fitovian-kasina dia tokony firahalahiana lalim-paka no misy eo amin'ny olombelona samy olombelona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Mba hisian'ny fivoarana eo amin'ny fiaraha-monina dia ilaina ny miaiky fa mitovy "hasina" ny olombelona. Ilaina ny mitandro ny fitoviana marina eo amin'ireo saranga samihafa ao amin'ny fiaraha-monina. Ny mpitondra fanjakana dia mila manaja ny rariny sy ny hitsiny ary ny fitoviana mba hisian'ny fandrosoana marina. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Tsy ny olona tsirairay ihany no tokony hitovy "hasina" fa y fianakaviana tsirairay koa, ary ny firenena tsirairay mihitsy. Samy tompon'antoka amin'izany fitandroana ny "hasina mah olona" izany ny daholobe. Raha lazaina amin'ny teny hafa, ny mampahantra ny olombelona dia ny tsy fitoviana. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny mampiavaka ny olona roa mitovy hasina dia ny hoe " lahy sy vavy". Hoy ny foto-pampianaran'ny Fiangonana momba ny fiaraha-monina : famenon'ny lehilahy ny vehivavy, ary famenon'ny vehivavy ny lehilahy", izany hoe mifameno na ara-nofo na ara-tsaina fa eo koa ny mahaolona azy mihitsy. Ireo olona manana fahasembana dia olombelona feno manan-jo sy andraikitra. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny atao hoe "soa iombonana" dia ny fitambaran'ireo tontolom-piaraha-monina hahafahan'ny vondrona na ny tsirairay ao aminy mahatratra ny fahalavorariany amin'ny fomba feno kokoa sy mora. Ny soa iombonana dia sady an'ny besinimaro no an'ny isam-batan'olona. Ohatra : toe-karena, politika, kolontsaina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny andraikitra amin'ny fikatsahana ny soa iombonana dia tsy an'ny isam-batano'olona fotsiny fa an'ny fanjakana koa, satria ny soa iombonana no antom-pisian'ny fahefana ara-politika. Ohatra amin'ny soa iombonana : firaisan-kina, fandriampahalemana, tontolo iainana. Andriamanitra sy ny lanitra no soa iombonana fanaperana tokony katsahina. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Natao ho an'ny daholobe ny harena : natokan'Andriamanitra hampiasain'ny daholobe sy ny vahoaka rehetra ny tany sy izay rehetra eo aminy, ka noho izany ny harena voajanahary dia tokony ho tsinjaraina tsy misy fiangarana. Andriamanitra no fototra voalohany niavian'ny harena rehetra : nanome tany ny olombelona mba hifehezan'ny olombelona ny tany amin'ny alalan'ny asany ary hiotazany ny vokatra eo aminy. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny hoe : "natao hampiasain'ny daholobe" dia tsy midika fa azon'ny tsirairay na ny daholobe ampiasaina malalaka ny zava-drehetra. Na manan-jo hampiasa an'ireo harena ireo ny olon-drehetra raha vao teraka dia tsy azo lavina fa mba hahafahana mahazo antoka fa ho ar-drariny ny fampiharana an'izany zo izany dia ilaina ny hisian'ny fitsipi-pifehezana. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny fonjan-kevitra ilazana fa natao ho an'ny daholobe ny haren'ny tany dia tsy azo sarahina amin'ny fananganana tontolo ara-drariny sy miray hina. Tsy anjara toerana ho an'ny fanilikilihana sy ny fitsetsefana izany. Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ny fandrosoan'ny sasany dia tsy ho vato misakana ny fivoaran'ny hafa, na hanararaotana hanandevozana azy. Aza hadinoina fa ny fakam-panahy hangoron-karena dia efa misy hatrizay. Tenin'ny Kristy ny hoe " katsaho aloha ny fanjakan'Andriamanitra sy ny fahamarinany". Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco