Ny fiangonana dia manana anjara amin'ny fampatsiahivana sy ny tari-dalana ary manome ohatra amin'ny fanabeazana. Ny fiangonana dia manana adidy amin'ny fanabeazana sy fanofanana mba hampivoarana ny maha-olona, ary miara misalahy amin'ny fanjakana amin'izany adidy masina izany.  Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fiangonana dia manana tanjona ho fampivoarana amin'ny alalan'ny fanabeazana sy fanofanana. Ny Sekoly katôlika dia misandrahaka amin'ny faritra maro eto amin'ny firenena. Ny fiofanana atolotry ny fiangonana dia mahasahana seham-pihariana maro toy ny asa-tanana, ny fambolena ary ny fiompiana.  Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fiangonana dia manabe ny olona mba hikajy ny tontolo iainana amin'ny alalan'ny fanentanana hamboly hazo sy hanena ny fanapariahana loto amin'ny rivotra. Ny fiangonana dia miahy ny vahoaka nankinina taminy, amin'ny alalan'ireo tolo-draharaha toy ny fitsaboana, ny fitaizana ireo zaza kamboty sy ny sembana. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Ny fiangonana dia misehatra amin'ny lafiny serasera, amin'ny alalan'ny gazety, boky, sy ny onjam-peo, ary fitaovana ireny hanohizana ny fanabeazana. Ny fiangonana dia miezaka mampiasa ireo fitaovana misy mba hampielezana ny finoana sy ho fampandrosoana ny firenena ary ny maha-olona. Katesizy momba ny pastoraly sosialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.

Endrik'Andriamanitra ny olombelona, noho izany dia tsy zavatra fotsiny isika fa olona. Ny mampiavaka ny olona : afaka mahalala tena, mijoro ho tompon'ny tenany, manolo-tena sy miombona amin'ny hafa an-tsitrapo. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Tsy voaary natao hitoka-monina ny olombelona fa lalim-paka ao amin'ny toetra nahariana azy sy ny fifandraisana amin'ny hafa, ary tsy afaka hiaina sy hivelatra araka ny maha izy azy izy raha tsy mifandray amin'ny hafa. Tsy ny olombelona tsirairay ihany no endrik'Andriamanitra fa ny fiombonana ihany koa. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Rehefa nanaiky ny ho resin'ny mpaka fanahy i Adama sy Eva dia nanota, nanimba ny toetra voajanahary maha olombelona azy ireo ny fahotana. Noho izany ny fototry ny fahapotehana manjo ny isam-batan'olona sy ny fiaraha-monina dia ny fahotana. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny vokatry ny fahotana dia ny fahaverezan'ny maha olona ny olona, ary ankoatra izay dia mety havita zavatra tsy azo sainina. Marihana fa ny fahotan'ny tsirairay dia tonga ho fahotan'ny fiaraha-monina rehefa mihitatra sy mitambatra. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Tsy ny fanamarinan-tena, ao aminy no nampihavanan'andriamanitra ny olombelona aminy indray. I kristy ilay endrik'Andriamanitra no namerina amintsika ny endrik'Andriamanitra very. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Misy teny manandanja tsara atao an-tsaina, izay hamafisin'ny Papa François dia ny hoe: "Fihaonana" "Fihaonana amin'Andriamanitra". Tantara maro ao amin'ny baiboly no miresaka io "Fihaonana" io, isan'izany ny tantaran'i Saoly, izy niova fo sy nibebaka ka tonga ho Paoly. Ny fibebahana izay lalana hiverena amin'ny hasina maha olona. Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny fihaonana nisy teo amin'i Jesoa Kristy sy i Zake dia fihaonana niriana, nomanina ary miaro hetaheta lalina. Na efa lehibe àry i Zake dia tsy nahasaka azy izany fa nitady ny fomba rehetra hihaonana amin'i Jesoa Kristy izy ary nivonona ny hibebaka.  Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Ny fahafahana dia taratr'ilay endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona. Ny fahafahana akory tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-dohan'ny olona amin'Andriamanitra, noho izy arin-tanany ; azo heverina ihany koa fa ny fahafahan'ny zanaka dia tsy mifanipaka amin'ny fiankinan-doha eo amin'ny ray aman-dreny niandohany.  Katesizy momba ny hasina maha olona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...