Noho ny fiaraha-monina dia tsy ny tena irery no hosoavina fa tsy maintsy manasoa ny mpiara-belona amin'ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny fandraisana anjara no fanoloran-tena tsara indrindra omen'ny tsirairay ny fiaraha-monina : tsy maintsy mandray anjara ny tsirairay araka ny toerana ananany ; amin'ny andraikitrao manokana (fikarakarana sy fanabeazana ny fianakaviana, fanatanterahana tsara ny asa)... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Taratry ny fahamendrehana ny fanajàna sy fitiavana na ny olona tsy mitovy hevitra amin'ny tena na ireo heverina ho fahavalo. Mendrika ny maneho hamoram-po amin'ny olona rehetra. Izany anefa tsy midika ho fanekena ny hevi-disony fa fitandrovana mandrakariva ny marina sy ny tsara ; tsy manala ny fahamendrehan'ny olona iray ny mety ho fahadisoan-keviny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Manamafy ny fifandraisana ny fikatsahana ny soa iombonana. Ny soa iombonana dia fitambaran'ireo fepetra ara-tsôsialy, ahazoan'ny fikambanana sy ny mpikambana tsirairay avy manatratra moramora kokoa ny fahalavorariany tanteraka sy manasoa ny olombelona rehetra. Tsy voatery ho zavatra mivaingana azo tsapain-tanana ny soa iombonana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Ny Môdelin'ny fifandraisana dia alain-tahaka avy amin'ny fifandraisan'ireo olona telo nefa Andriamanitra tokana "Trinité Masina", izy ireo izay fianakaviana iray mifototra amin'ny fahamarinana lavorary sy ny fitiavana lavorary. Ny fahavalon'ny fifandraisana dia ny fandaingàna, fiolankolahana ary ny fankahalàna... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Alahady 12 aprily 2026 : Alahady faharoa - Taona A fankalazana ny Paka - MIfalia sy mifankatiava ao amin’ny Tompo. Aleloia. Aleloia. Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; fa sambatra izay tsy nahita ka mino. Aleloia. Ny fitsanganan-ko velona dia tsy voafehin'ny toerana sy ny fotoana, ary tsy voafehin'izao tontolo izao satria efa nandresy an'izao tontolo izao ary velona i Jesoa. Velona i Jesoa ary velona mameno izao rehetra izao. Andriamanitra dia tsy manilika ny olombelona fa miantso mba hiraikitra aminy ary miantso ny olombelona hanana fiombonam-pisainana sy fiombonam-piainana...
Ny Fiangonana sy ny olombelona dia natao hamaly ny antson'ny Fanahy Masina izay mibitsika ao am-pony ; ny fahamendrehan'ny olombelona, izay endrik'Andriamanitra simban'ny fahotana amin'ny endriny maro, ny fiforonan'ny teknôlôjia samihafa ihany koa manampy trotraka mitondra amin'ny tebiteby. Nataon'Andriamanitra ho iray ny olombelona rehetra, mifampiankina ary mifandray noho izany dia zava-dehibe ny fitambarana (ohatra : Fokonolona), mametraka ho laharam-pahamehana ny soa iombonana sy ny zo aman-kasin'ny tsirairay, fanajàna ireo tsy mitovy hevitra amin'ny tena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ao amin'ilay Teny Tonga Nofo no miseho mazava ny Misterin'ny olombelona. Tsy tena mazava ny Misterin'ny olombelona, raha tsy dinihina anatin'ny Misterin'ny Teny Tonga Nofo. Adama voalohan'olombelona dia tandindon'ilay tsy maintsy ho avy dia i Kristy Tompo. I Kristy no ilay Olona lavorary, manavao ny fitovian'ny taranak'i Adama endrika amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Nanova ny fomba fijery eo amin'ny lafiny fifandraisan'ny Eglizy amin'izao tontolo izao ny Konsily Vatican-II. Miara-miantoka handrosoan'izao tontolo izao amin'ny fianakaviamben'ny olombelona ny Eglizy ; ny hafaliana, ny fanantenana, ny alahelo, ny tebitebin'ny olona, indrindra fa ireo mahantra dia an'ny Eglizy ihany koa... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny fifandraisan'ny mpiarabelona" iarahana amin'i P. Ratovonjanahary Jean Luc.
Lazain'ny Fiangonana fa tsy mampihena ny zo maha-olona ny fanoavana an'Andriamanitra ; sady tsy mivadika amin'Andriamanitra ny Fiangonana no tsy mamadika ny olombelona ka amin'alahelo sy amin-kery lehibe tokoa araka ny efa nataony tamin'ny lasa no anamelohany lalandava an'ireny foto-pampianarana manala ny olombelona amin'ny fahamendrehana ireny... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Miseho amin'ny endrika maro samihafa ny tsy finoana an'Andriamanitra : io no fositra lehibe indrindra amin'izao andro izao. Ny fihamboana tafahoatra ho olona afaka dia mitarika tsy hino an'Andriamanitra. Miseho ho zava-nianarana sy nalamina ny tsy finoana an'Andriamanitra amin'izao andro izao ka asesiny mafy ny olona haniry hizaka tena... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Ny mampivarahontsana ny olombelona indrindra dia izy ho faty. Noresen'i Kristy anefa ny fahafatesana ka hiara-mitsangana aminy isika. Eo anoloan'ny fahafatesana no tonga amin'ny fara-tampony ny zava-tsarotra momba ny toetry ny olombelona. Fa na dia tsy mahomby aza eto ny fisaintsainana rehetra ; araka ny fampianaran'ny Eglizy dia hiafara amin'ny fahasambarana ny fahoriana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
Nomen'Andriamanitra safidy malalaka ny olombelona hanao ny tsara sy handositra ny ratsy. An-tsitra-po malalaka mandrakariva anefa no itodihan'ny olona mankamin'ny tsara. Ny tena fahafahana ao amin'ny olombelona dia mariky ny maha-endrik'Andriamanitra azy. Ny fahamendrehan'ny olombelona dia mandidy azy hanao zavatra an-tsafidy malalaka ara-kônsiansy... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny Fiangonana sy ny fiantsoana ny olombelona" iarahana amin'i P. Rabenirina Joseph.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco