Zava-dehibe ny fiainan'ny fianakviana, voatondro mazava ao anaty litania fa i Masindahy Joseph no lohan'ny fianakaviana masina. Ny lehilahy loham-pianakaviana rehetra dia entanina haka tahaka an'i Masindahy Joseph, amin'ny fahaizana mitantana ny fianakaviana sy amin'ny fahatsorana. Manana adidy ny ray aman-dreny amin'ny fanabeazana ny zanaka amin'ny lafiny rehetra. Ny fiainam-pianakaviana dia tsara kokoa raha ombana hafaliana sy fifampiresahana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 01 martsa 2026 - Alahady faharoa karemy - Taona A - Voaantso ho an’ny fanantenana isika. Tao anatin’ny rahona mamirapiratra no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako: henoy Izy. Ny dikan'ny fiovan-tarehy teo amin'i Jesoa dia fanehoany ny voninahiny mba hankaherezana ireo mpianany rehefa ho tonga ny fotoan-tsarotra efa voasoratra sy lalana hamonjena ny olombelona, etsy ankilany dia fanambaran'i Jesoa ny tenany amin'ny maha Andriamanitra Azy sy fanambarana mialoha ny hitsanganany amin'ny maty. Ny hoe "Henoy" dia fienkem-pinoana nataon'ny Jody, araka ny voalaza ao amin'ny Testamenta Taloha...

Adidy no mifanompo ao anatin'ny fianakaviana, etsy ankilany anefa dia nataon'ny tompon'andraiki-panjakàna nifandimby ankilabao ny fiahiana ny fianakaviana, indrindra ny fitaizana ny taranaka. Goragora ny fanabeazana ara-piaraha-monina izay fototry ny fanabeazana ny ankohonana sy ny lafiny ara-pitondrantena. Ireo manana andraikitra dia variana mameno kitapo tahiry, raha mitantana ara-drariny anefa ka mametraka ny fifanajàna sy ny fifanompoana dia azo antoka ny hatafita ny firenena sy ny isan'ankohonana.. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 22 febroary 2026 - Taona A - ALahady voalohany karemy : Andriamanitra tsy tia ratsy fa ny olombelona no be siasia. Tena fitiavana ny fandraràn'Andriamanitra ny olombelona amin'ny alalan'ny Didy folo sy ny fandraràna hafa araka ny Soratra Masina, Tian'Andriamanitra hanaka azy amin'ny lafiny rehetra ny olombelona. Ny tany efitra dia manambara fisitahana, fahanginana, fivavahana, fisedràna fakam-panahy maro. Ny demony dia tsy maka fanahy raha tsy misy zavatra fanararaotra toy ny sakafo, harena, voninahitra, ka ilaina mitolona am-bavaka sy mitoky amin'Andriamanitra Ray, Zanaka, sy Fanahy-Masina...

Josoa Kristry no "leader" lavorary tokony ho tahafina. Ireo tsara halain-tahaka Aminy : Fanetrentena, manao ny sitrapon'ny Ray, manompo ny rehetra, matoky Andraimanitra, mamaly ny hetahetan'ny hafa, mahay mizara andraikitra sy fahefana, fananganana vondrona hanamorana ny asa manandrify. Ny leadership kristiana dia miezaka mamantatra ny olombelona sy ny momba an'Andriamanitra, mamantatra ny sitrapon'Andriamanitra hasoa ny vahoakany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Mahafinaritra rehetra tanteraka ny fiombonana sy ny firaisan-kina ary io no isany mampiavaka ny soatoavina Malagasy. Misy lanjany ny Fanjakàna Malagasy, miavaka isika amin'ny fiarovana ny aina, fitandroana ny fihavanana sy ny fiarovanana ny tontolo iainana. Ny fiombonana no sori-dalana efa hitanan'ireo mpanjaka nitondra amin'ny fanamafisana sy fanatsarana ny fanjakàna ka tokony mbola himasoana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 08 febroary 2026 : Alahady faha-5 mandavantaona — A — Ny soa atao levenam-bola ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo; izay manaraka Ahy no manana ny fahazavan’ny fiainana. Oharina amin'ny Fanasina sy ny Fahazavana ny mpianatry ny Tompo, izay lovaintsika Kristiana amin'ny fomba amam-panao ankehitriny, toetra manentana ny rehetra hanatontosa ny adidy, andraikitra tandrify azy araka ny fitantanan'ny Fanahimasina. Ny Jiro dia natao hanazava, hiadiana amin'ny tahotra ; ny sira dia fanomezana hasina, ary natao hanadiovana, fitsaboana, fanasitranana ; noho izany dia natao hiazona ny hajan'ny fiaraha-monina ny Kristiana...

Ianareo no fanasin'ny tany, ianareo no fahazavan'izao tontolo izao ; sahia miroso amin'ny lalina, mijoroa ka mamiràta, mamahara mba hanasoa olona ary mikatroha mba hifanohana sy hifampitantana ho amin'ny tsara kokoa hatrany. Ny tany manana ny satany, ny vohitra manana ny hasiny, ary ny olombelona manana ny mampiavaka azy, tohy aina no iraka ho antsika fa tsy fanangonana harena, mahatsara antsika ny miaina amim-pahitsiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady 25 janoary 2026, Alahady faha-3 mandavantaona — A — Masoandro be lohataona i Kristy ka tsy mifidy olon-kosoavina ; Nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra i Jesoa ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. I Korinty dia toerana nivezivezen'ny olona maro, avy amin'ny fiavina samihafa noho izy nanana seranan-tsambo lehibe, maro ny firehan-kevitra mifamaofaho, na ny samy kristianina azy dia samy manana ny fanazavany ny finoana araka izay takany, ireny anefa no niteraka ny fifampiandaniana ; miantso ny rehetra mba haneho finoana iray...

Amin'izao taona arivo fahatelo izao dia ilaina ny fampanjakàna ny fiadanana amin'ny fiainana ny fahaiza-mamela, fahaizana mifampihaino ary ny fahaiza-mivavaka sy mifampivavaka. Samy manana ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra ny tsirairay ka tsy tokony hatao ny fifampitsikerana sy ny fifanakianana fa natao aza ireny mba hifamenoana ; ny lavorary dia tsy misy fa ny miezaka ho lavorary no azo atao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Vavaka namaranan'ny mpitarika ny vavaka teo aloha ny hoe "Homba antsika mianakavy mandrakariva anie ny fiadanan'ny Tompo" no mampiditra amin'ity fizaram-piadanana ity. Ny fanao aty Madagasikara dia amin'ny alalan'ny fifandraisan-tanana ary misy hira atao mandritra izany sady misy fihetsika ; ny voalaza ao amin'ny boky fanaovana lamesa dia mifandray tanana toy ny mifampiarahaba ary miteny hoe "Fiadanan'i Kristy... Katesizy momba ny litorjia (Ny Masina), iarahana amin'i P.  Justolat Rafaralahimboa.

Alahady faha-2 mandavantaona — A — I Kristy no zanak’Andriamanitra velona : Tonga Nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika, ary amin’ny alalany, dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. Tsy misy ny tena fahalalana an'i Kristy raha tsy misy ny Fanahy Masina, ity farany no tetezana mamifandray antsika olombelona amin'i Jesoa. Ny nanaovan'i Jesoa sorona ny tenany dia ny nanafahany nanala ny fahotan'izao tontolo izao, ary manongana ny fahefan'ny fahotana mihitsy...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...