Alahady faha-7 mandavantaona — D : Soavy ireo tsy tia antsika ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao. Ny tenin'Andriamanitra amin'ity alahady ity dia samy mampianatra ny soa hatao amin'ireo tsy tia, fitiavana ny fahavalo, fitiava-namana, famindram-po, ny fanaovantsoa... Ny olombelona dia antsoin'Andriamanitra ho amin'ny fibebahana, ny famindram-pon'Andriamanitra no mankahery antsika ary io no nahatonga antsika ho zanany. Toetra mampiavaka ny kristianina ny tsy famaliana ratsy ny hafa, fa kosa mba hivavaka sy hanao soa ny fahavalo...

Ny kristianina manam-pinoana ihany, hoy ny Papa François, no tena manam-paharetana, izay faharetana miavaka. Eo amin'ny vavaka no tena ilàna faharetana, eo koa ny fihaonana amin'Andriamanitra, ary eo koa ny fitozoana amin'ny resaka ataontsika amin'Andriamanitra. Nitady ny fomba mba hivavahana lalandava i Moizy sy ny namany ka nahomby izy ireo, sady nandresy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Ilaina ny mivavaka ka mivavaha lalandava, mivavaha am-paharetana. Hoy ny Papa François hoe  : aza maka fomba ratsy toy ny hoe tsy mivavaka raha tsy misy zava-dehibe hatrehina. Ny toe-tsaina tokony hanana rehefa mivavaka dia mitalaho, mangataka, midinika, mamerimberina, manam-paharetana, tsy kivy ary manantena lalandava. Rehefa mivavaka dia ataovy tsotra... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Tao Getsemania sy teo ambony hazofijaliana no niharihary sy tonga lafatra ny vavak'i Jesoa dia ilay ady sy tolona nataony : nanoloana ny fanoherana ny fakam-panahy, ny fanekena ny sitrapon'ny Ray, ny fihaonany tanteraka amin'ny Ray. Nitolona i Jesoa na osa aza ny nofony, nivavaka tsy nitsahatra i Jesoa ary nandresy, natoky an'Andriamanitra i Jesoa... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Vao vita Batemy i Jesoa, ka feno ny Fanahy Masina, talohan'ny niasany, nampianarany ampahibemaso dia nandeha nivavaka nanao laretirety 40 andro sy 40 alina tany an'efitra, tsy nisakafo tsy nisotro ; vita izay dia azon'ny fakam-panahy Izy fa vavaka no niadivany sy nitolomany tamin'izany. Ady no nataony tamin'ny alalan'ny vavaka hanoherany ny Sampy sy ny fahefàna... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Tena sarotra ny mamaritra ny atao hoe "Fivavahana", fa azo lazaina hoe toe-po sy toe-panahy hoentina mivavaka sy manatanteraka vavaka ao anatin'ny toerana sy fotoana. Ny Fivavahana dia sarotra satria tsy azo tsapain-tanana na jeren'ny maso fa toe-piainana tahaka ny asa masina ; izany hoe olona mivavaka, olona tia vavaka, olona zatra mivavaka no misy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Ho an'i Masimbavy Terezin'i Jesoa Zazakely : " ho ahy ho izy ny vavaka dia fisitahan'ny FO, fijery tsotra atodika any an-danitra, hiaram-pahalalana sy hiakam-pitiavana eo anivon'ny hafaliana". Ny vavaka dia manokana ary miainga avy ao anaty, avy ao am-po asandratra amin'Andriamanitra. Azo lazaina hoe valim-pitia atolotra amin'Izy Tompo ny vavaka ary fanandratana ny fanahy... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Mahatsapa ankehitriny noho ny hazakaza-dava sy ny vesatry ny fiainana, ny fahasahiranana ara-piainana, ny mozika sy ny tabataba be tsy ifandrenesana ka tsy hahafahana mihaino ny feon'ny fieritreretana sy ny bitsiky ny Fanahy Masina, ny vokatry ny fandrosoana sy ny fanatontoloana mirimorimo mafy loatra. Maika lava ny olona ankehitriny ka tsy mahari-pery... Katesizy momba ny faharetana mivavaka, iarahana amin'i P. Ramiandrasoa Louis Marc.

Môdely ho antsika amin'ny vavaka i Jesoa, ary Izy no mhatonga ny fivavahana kristianina ho fangatahana mahomby. Mivavaka ho antsika i Jesoa, eo amin'ny toerantsika sy ho amin'ny tombontsoantsika. Voaravona indray maka tamin'ny antsony mahery teo amin'ny hazofijaliana sy neken'ny Ray tamin'ny fitsanganany ho velona ny fangatahantsika rehetra... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Nahatsiaro ny Colonnel Ratsimandrava izay tia tanindrazana ny Malagasy tamin'ny 11 febroary. Zava-dehibe ny fivondronana hiady amin'ny fifankahalàna, entina hisedra ny sakana sy ny ady amin'ny fahantrana. Ny fitsinjovana ny zon'ny ankizy sy ny tanora ary ny fianakaviana dia hafatra lehibe napetraky ny Ray Masina François ; ilaina ny fanasongadinana ny firaisan-kina mba hampandrosoana ny firenena... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

Alahady faha-6 mandavantaona — D : Andriamanitra no tena mahasambatra fa tsy ny haren’ny tany ; Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay. Sambatra izay mitoky amin'ny Tompo fa tsy amin'ny olombelona, izay mitory fampitandremana ho an'ireo mpanompo sampy, anefa ihany koa fampaherezana ireo izay mitoky amin'izy Tompo. Manery antsika hanao safidy ny tenin'Andriamanitra izay omena antsika amin'ity alahady faha-6 ity : Hozana sa tso-drano, fanantenana sa famoizam-po, hasambarana sa loza. Ny sitrak'Andriamanitra dia ny lalana mitondra amin'ny famonjena...

Fanoharana lehibe telo momba ny fivavahana no nampitain'i Lioka : Ny voalohany "ilay sakaiza manelingelina" izany ho mamporisika hanao lemozy amin'ny fivavahana ; ny faharoa "ilay vehivavy mananontena" nivavaka lalandava ary mino sy manana fanantenana ; ny fahatelo "ilay Farisianina sy ilay poblikanina" nanana fanetren-tena... Katesizy momba ny vavaka fototry ny fifandraisan'i Jesoa tamin'ireo mpianany, iarahana amin'i P. Raphaël Eugène Ralison.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...