Mba ho tena ho tanteraka tokoa ny didim-pitiavana dia eo mandrakariva ny Fanahy Masina izay mitoetra amin'ny olona rehetra izay nandray ny Batemy. Dia mipetraka ny fanontaniana hoe : ahoana izany ireo izay tsy vita Batemy na koa mbola tsy mahalala an'Andriamanitra mihitsy? valiny hoe : fa izay tsy mahalala kosa na nanao zavatra mendri-pamaizana aza dia hokapohina kelikely ihany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Eo amin'ny tantaram-pamonjena dia Izy Andriamanitra mihitsy no manao dingana voalohany mba hanatonana antsika olombelona ; araka izay voalaza hoe : Fa izay matahotra azy sy manao ny marina dia nankasitrahany, na aiza na aiza firenena misy azy (Asa 10, 35). Any amin'ny Testamenta Taloha dia nifidy ny vahoaka Israely Andriamanitra mba ho vahoakany... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Araka ny Konsily Vatikana-I dia rafitra lavorary miendrika an-tanan-tohatra ny Eglizy, ny Papa no filohany. Tsy mety diso izy raha mampianatra momba ny finoana sy ny fitsipi-pitondran-tena. Tsy rafitra fotsiny ny Eglizy fa misterim-piombonana ihany koa, miombona anatin'ny finoana, ny Sakramenta ary ny fitiavana, famantaram-pamonjena ho an'ny olona... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
Ny fianakaviana iray dia tokony hiaina ny fitiavana sy ny fifanajana. Ny Didy fahaefatra amin'ny Didin'Andriamanitra, voalohany misy teny fampanantenana "Manajà ny ray aman-dreninao mba ho ela velona ianao". Ny Soatoavina Malagasy dia tsara amin'ny lafiny fifanajàna ka tokony hiainana hatrany. Ny fankatoavana ny ray aman-dreny dia zava-dehibe anefa ilaina ihany koa ny fifanankalozan-kevitra amin'ny fianakaviana manoloana fanapahan-kevitra, indrindra rehefa hiroso amin'ny fanambadiana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady sampankazo : Fandinihana ny fijalian'ny Tompo ; fahatsiarovana ny nidiran’ny tompo tao jerosalema. Ho antsika, dia nanolo-Tena i Krisy hanaiky hatramin’ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy: ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra. Zanaka natao hanaiky isika, mankatoa amim-pitiavana. Betsaka ny fahontantsika sy ny fahalemantsika koa aoka isika haka tahaka an'i Masindahy Piera dia ny fiovam-po amin'ny fibebahana. Izay miombina amin'i Kristy dia handresy hiaraka aminy manoloana ireo sedra ara-panahy...
Ny Eglizy dia vatan'i Kristy ; noho ny batemy dia vatana iray monja isika rehetra ao amin'i Kristy na dia maro aza. Ny Batemy dia fahateraham-baovao ho antsika : natsoboka ao amin'ny ain'i Kristy isika, naiditra ao amin'ny Eglizy isika ka manjary misitraka amin'ny fomba manokana ny fanoloran-tenan'i Kristy, izay maty sy nitsangan-ko velona... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny Eglizy dia sady hita maso no ara-panahy, izany hoe, fikambanana hita maso misy mpitondra sy olona entina. Fikambanana ara-panahy noho ny Batemy sy ny Fahasoavana. I Jesoa irery ihany no Mpanalalana lavorary amin'olombelona sy Andriamanitra. Ny Eglizy dia vondron'olona atambatry ny Finoana, Fanantenana sy Fitiavana. Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny Eglizy dia toy ny valan'ondry, foto-boaloboka, trano aorina, lapa soa sns... Tao amin'ny Testamenta Taloha dia fanoharana mazàna no nenti-nanambara an'ilay Fanjakàna ; ohatra notsongaina tao amin'ny fiompiana, na tao amin'ny fambolena na tao amin'ny taotrano, na koa tao amin'ny fianakaviana sy ny fanambadiana ary efa voaomana ao amin'ny bokin'ireo Mpaminany Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny Tenin'Andriamanitra dia toy ny voa afafy, ka izay mandray azy no tonga zanak'Andriamanitra. Ny misterin'ny Eglizy Masina dia miseho eo amin'ny nanorenana azy. Misy fifandrasainy ny Fanjakàn'Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, manamarina izany ny teniny nanao hoe : Raha ny ratsan-tanan'Andriamanitra no androahako ny demony dia efa tonga aminareo tokoa ny Fanjakan'Andriamanitra... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny famonjena hoy isika dia "firaisana aina" amin'Andriamanitra sy "firaisana hina amin'olombelona rehetra. Ny Fanahy Masina no manamasina lalandava ny Eglizy ary mitondra ny mpino hanatona ny Ray, amin'ny alalan'i Kristy. Ny endriky ny fitantanan'ny Fanahy Masina dia mampiombona, mampivondrona, mampiray aina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny Fanany Masina mitoetra ao amin'ny mpino hoy isika no manohana ny mpino mba hizotra amin'ny fiainana mandrakizay. Ny Fanahy Masina no nananganana antsika ho zanaka malalan'ny Ray, mahatonga antsika ho mpanara-dia an'i Kristy. Asan'ny Fanahy Masina amin'ny fanamasinana ny Eglizy ny fampidirana azy amin'ny hafenoan'ny marina... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Nohariana ny zavatra rehetra na ny lanitra na ny tany. Nirahina tety an-tany ny Zanaka ary, rehefa tontosa ny asa nanirahana ny Zanaka dia nirahin'ny Ray sy ny Zanaka ny Fanahy Masina mba hanamasina ny Eglizy. Ny andro Pantekôty no nidinan'ny Fanahy Masina mba honina ao amin'ny Eglizy sy ao am-pon'ny mpino... Katesizy momba ny Fanahy Masina manamasina ny Eglizy , iarahana amin'i P. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco