Alahady faha-31 mandavantaona — B : ny didy ho antsika dia hoe: tiava ; raha misy tia ahy, hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny raiko; ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy. Rehefa tsy henoina ny fananarana, ny toro-hevitra sy ny fanitsiana mba hatsara ny fiainana dia tapaka ny fifandraisana. Tena mamaly ny fitarainan'ny olona mangataka aminy Andriamanitra, aleontsika anefa manary dia amin-javatra hafa. Ny lovam-panahy amin'ny Jody dia nahangona fitsipika 613 avy amin'ny lalàna ao amin'ny Baiboly ka 365 dia fandrarana ary ny 248 dia miresaka ireo azo atao ; fa voafintin'i Jesoa amin'ny hoe fitiavana izy rehetra, izay tia ny namany dia efa azo antoka fa tia Azy Tompo ihany koa...

Alahady faha-30 mandavantaona — B : mpanelanelana sy mpanasitrana mahay miantra i jesoa kristy ; Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo: izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana. Nanova ny fon'ny olona i Jesoa, ary ny finoana no tena mahasitrana. Jamba ara-panahy isika ka mila mpanasitrana, matevina loatra ny sarona mandrakotra ny fahitana anaty manazava antsika. Saritsarin'Andriamanitra no fahazoantsika an'Andriamanitra izay zary sakana tsy hanompoantsika an'Andriamanitra marina amin'ny fo faly. Ny tena finoana no tena hery mampitsangana hitsena an'i Kristy sy hiara-hiasa amin'ny hafa, tsy olona mibahan-toerana, tsy tia tena fa manao ho zava-dehibe ny antson'Andriamanitra...

Alahady faha-29 mandavantaona - B : Ny fijaliana : Azo ampiasaina ho fanavontana ; Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao. Rehefa atolotra hosoro-pifonana ny fijaliana dia tonga ho famonjena, raha entina miverina amin'Andriamanitra ny fijaliana ary matoky azy dia mody hasambarana ireny. Ny fijaliana dia azo ampiasaina ho fanavontana, ary mitondra famonjena ho an'ny hafa sy ny olona maro. Toa an'i Kristy dia afaka mitondra famonjena ho an'ny hafa ihany koa isika na ao anaty fijaliana aza...

Alahady faha-28 mandavantaona - B : Mety hisakana tsy ho tafiditra any an-dranitra ny harena ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia tsy miara-teraka amin'ny olona, fanomezana avy amin'Andriamanitra ireny, ka omeny izay rehetra mangataka aminy, indrindra ireo miraikipo aminy amin'ny alalan'ny vavaka. Ny fahendrena sy ny fahalalana dia mifanohitra amin'ny havonavona sy ny fiheboheboina, ny fitiavan-tena sy ny fifikirana amin'ny harenin-tany. Ny toetra manokan'ny fahendrena dia izy mandrakizay izay tsy mety maty...

Alahady faha-27 mandavantaona - B : fianakaviana iray ny olombelona ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. ...

Alahady faha-26 mandavantaona - B : Iza avy no tena an'i Kristy ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny vahoaka rehetra no tokony ho mpaminany, mitondra ny tenin'Andriamanitra. Raha tsy isika fa olon-kafa no mahita hevitra hampandrosoana ny fiangonana, mialona ve isika sa sambatra? Aoka tsy ny tombontsoa no hibahana amin'ny fanapahan-kevitra amin'ny fampandrosoana ny finoana. Tsy ny vola aman-karena no miantoka ny fahasambarana marina ; ilaina ny vola fa atao hanampy izy ireny fa tsy tanjona izay mety hatakona ny hafa sy Andriamanitra. Azo atao ny mampiasa ny harena hanompoana ny hafa, ary mitondra amin'ny fahasambarana marina...

Alahady faha-25 mandavantaona - B : Ny fialonana mandrava fitiavana, ny fanetren-tena ahavitana soa ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ny boky ny Fahendrena dia mitondra fampianarana mba hijoro hatrany amin'ny maha mpivavaka na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana maro. Misy fiavahana ny fisainana sy ny fomba fiainan'ny mpino sy ny tsy mpino : manelingelina ny tsy mpino ny fitondran-tena sy ny fiainan'ireo mpino, tian'iretsy voalohany ho tsapaina sy fongorina. Ny mpino dia mila maneho ny finoana ary mangina manoloana ny fandrabirabiana ary mila mijanona amin'ny fahatokisana an'Andriamanitra.; mijoro hatrany ary tsy mandao ny marina...

Alahady faha-24 mandavantaona : Misy hasiny ny fijaliana ; Hataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo; satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko. Ny endriky ny mpanompon'Andriamanitra no hasehon'ny vakiteny voalohany, izay voasoratra ao amin'ny Bokin'i Izaia Mpaminany : isan'ireo sokajiana ho tonon-kiran'ny mpanompon'Andriamanitra ity vakiteny ity. Ny mpanompon'Andriamanitra dia olona môdely sy fakan-tahaka. Ny fomba nanehoan'i Jesoa ny maha Kristy azy dia amin'ny alalan'ny fanoloran-tenany dia ny misterin'ny paka : fijaliana, fahafatesana, fitsanganan-ko velona...

Alahady faha-23 mandavantaona - B : Tia, tsy manavaka ny Tompo ; Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao. Ny tonin-kira fidirana dia maneho ny fitiavan'Andriamanitra ary tsy manavaka Izy : Marina Ianao, ry Tompo, ary mahitsy ny fitsarànao. Araka ny hatsaram-ponao atao ny mpanomponao. Eo anatrehan'ny Tompo dia mitovy ny olona rehetra, araka izy efa voasoratra Jak 2, 5 : Henoy ange, ry rahalahy malalako: Moa tsy ny mahantra eo imason'izao tontolo izao va no nofidin'Andriamanitra ho mpanan-karena amin'ny finoana, sy ho mpandova ny fanjakana nampanantenainy an'izay tia azy?. Olona maro no voafatotry ny fahasahiranana ka tsy afaka mifanerasera amin'ny hafa, maro ireo iharan'ny fanilikilihana...

Alahady faha-22 mandavantaona - B : Tsy mora ny manaraka an'i Jesoa, fa misy hazofijaliana ; Hanazava ny masom-panahintsika anie Andriamanitra, Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika; mba hahalalantsika ny fanantenana niantsoany antsika. Ny fanarahan-dia an'i Jesoa dia ilana fifehezan-tena ; voalaza ao amin'ny Boky Deterônômy ny hoe : aza manampy na manala amin’izay andidiako anareo, tandremo ny didin’ny Tompo. Manana adidy amin'ny fanabeazana ny Kristiana hanaraka ny fifampifehezana, ny fitsipika eny anivon'ny fiaraha-monina ny Eglizy ; isan'ny toetra maha-kristiana ny fiainana ny lalan'i Jesoa, indrindra ny fiatrehana ireo sedra sokajiana ho hazofijaliana...

Alahady faha-21 mandavantaona - B : I Kristy fidina, i Kristy tompoina ; Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao. Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay. Ny bokin'i Jôsoe dia mitanisa ny zava-nisy nanamarika ny fidiran'ny vahoaka Israely tao amin'ny tany nampanantenaina. I Jôsoe dia mpitsara izay nampivory ny vahoaka teo amin'ny toerana atao hoe Sikema ; nampanao safidy an'ireo vahoaka i Jôsoe ny amin'izay andriamanitra tiany hotompoina. Tsy nanery ireo vahoaka i Jôsoe fa nanome ohatra izy ary nanambara hoe : Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo ny Tompo. Fakam-panahy ho antsika ny mahita ny maro mandao ny andraikiny, koa aza matahotra ny handeha irery sy hijoro amin'ny finoana...

Alahady faha-20 mandavantaona — B : Tena fihinana ny nofoko, tena fisotro ny rako ; ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; hamasino amin’ny fahamarinanao izahay. Ampy hanafaka anoanana ny rehetra ny mofo masina, araka ny voalaza ao amin'ny Ohabolana : Avia hano ny mofoko, ary sotroy ny divay nampifangaroiko. Ilaozy ny tsy fahalalana, dia ho velona ianareo; ary mizora amin’ny lalan’ny fahazavan-tsaina”. Tena fihinana ny Nofoko, ary tena fisotro ny Rako hoy Jesoa ; mampisitraka fahasoavana maro ny fihinanana ny Vatan'i Jesoa ny Rany, ary mampandova ny fiainana mandrakizay. Ilàna fahamendrehana ny fandraisana ny Eokaristia, ilàna finoana, ilàna fanetrentena...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...