Alahady aorian’ny nahaterahan’ny tompo - fetin'ny fianakaviana masina : fianakaviana mifankatia, lanitra ety an-tany ; Hanjaka ao am-ponareo anie ny Fiadanan’i Kristy; ary hitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny zanaka, mitondra hafaliana sy hasambarana eo amin'ny mpivady. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny mahazanaka antsika. Tokony hotsaroin'ny ray aman-dreny fa tsy izy ireo no tompon'ny zanaka fa adidiny no mampahafantatra ny antson'Andriamanitra ao amin'io zanany io. Manasongadina ny fifandraisan'ny zanaka sy ny ray aman-dreny ny Eglizy ary manentana ny tsirairay haneho fifanajana, fifankatiavana... 

Alahady faha-4 — taona "D", fiavian’ny tompo : Indro tonga ny mpamonjy, eo afovoantsika ; Inty aho mpanompovavin’ny Tompo: aoka ho tanteraka amiko araka ny teninao. Vehivavy roa samy mitondra vohoka ary samy mahatsapa ny fitiavan'Andriamanitra azy : I Maria sy Elisabeth. Andriamanitra dia tia antsika ary manao izay hampirindra ny fiainantsika Izy. Misy fomba maro hahatanteraka io asan'Andriamanitra io amintsika dia : fandinihana ny sitrapony, fanatanterahana ny sitrapo amim-pitiavana, fanetren-tena. Ohatra tsara ho antsika i Maria sy Elisabeth, tsara fifandraisana ary mifampizara, mifanatsara, mifankatia... 

30 aprily — I Masindahy Pie V dia ilay papa faha-225 nitondra ny Fiangonana ny taona 1566 ka hatramin'ny taona 1572. Antonio Ghislieri no anarany, teraka tamin'ny 17 janoary 1504 tao amin'ny tanana kely tao Bosco, akaikin'i Alexandrie tao amin'ny diôsezin'i Tortone.

29 aprily — Teraka tao Sienne ny 25 marsa 1347 i Catherine Benincasa. Nambara fa io andro io dia sady fankalazana ny Annonciation no Sampankazo ihany koa. Vao 5 taona monja i Catherine, izany hoe ny taona 1352, dia nahazo fisehoana, dia ny fisehoan'i Kristy Mpanjaka.

28 aprily — I Masindahy Pierre Marie Chanel dia teraka tao Cuet, kaominina Montrevel-en-Bresse, ny 12 jolay 1803. Zaza fahadimy amin'ny valo mianadahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Claude François Chanel no rainy, ary i Marie Anne Sibellas no reniny. Tantsaha izy ireo.

27 aprily — Teraka tao Bozzanello akaikin'ny tananan'i Lucques ao Toscane tamin'ny taona 1212 i Zita. Nobeazain-dreniny, izay vehivavy feno hatsaram-panahy sy manetry tena izy. Mbola zaza i Zita dia efa nalefaka, malemy paika sy manetry tena ihany koa, ary notezaina hanaraka ny sitrapon'Andriamanitra.

26 aprily — Ilay papa fahatelo nitondra ny Fiangonana nanomboka ny taona 79 hatramin'ny 91 no i Masindahy Clet resahana eto. Araka ny voarakitra ao amin'ny Liber pontificalis dia Romana i Clet ary i Emilien no anaran-drainy. Teraka tao Patricius ao anatin'ny faritr'i Esquilin izy, izay tsy mifanalavitra loatra amin'ny toerana nipetrahan'i Masindahy Pierre.

25 aprily — Araka ny fikarohana dia teraka tao Galilée i Masindahy Marc, izay heverina fa taran'i Aaron. Zanaky ny mpananon-tena nantsoina hoe Marie izy. I Jean na Joany no tena anarany fa anaram-bositra ny hoe Marc.

23 aprily — I Masindahy Georges dia teraka tao Cappadoce avy amin'ny fianakaviana kristianina. Miaramila manamboninahitra tao amin'ny tafika romana izy ary ny amperora Dioclétien no nanondrotra azy ho eo amin'ny laharana ambony indrindra tao amin'io tafika io.

22 aprily — I Masindahy Alexandre dia martiry tao Lyon tamin'ny taona 177. Avy any Phrygie, any Asie Mineure i Alexandre, izany hoe i Turquie amin'izao fotoana izao. Mpitsabo tao Lyon izy. Navaivay mihitsy tamin'izany fotoana izany ny fanenjehana kristianina ka isan'ny voahenjika sy voaheloka tamin'izany i Alexandre.

21 aprily — Teraka ny taona 1033 i Anselme, izy dia avy amin'ny fianakaviana andriana tao Aoste, Piémont. Mbola kely dia efa nampianarin'ny reniny ho tia an'Andriamanitra sy i Masina Maria izy. Vehivavy tia vavaka tokoa mantsy io renin'i Anselme io.

20 aprily — I Odette dia relijiozy mpitoka-monina maty tamin'ny taona 1158. Avy amin'ny fianakaviana fanta-daza tao Brabant izy, ary raha hampanambady azy an'i Simon, andriandahy tao amin'izany tanana izany, ny rainy dia nolavin'i Odette tamin'ny fotoanan'ny mariazy teo anatrehan'ny pretra, nandritra ny fombam-pivavahana fanao amin'ny fifanomezan-toky.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...