♦ Miantso ny hery velona sy ny ankolafi-politika tsy ankanavaka hanatrika ilay fihaonana hatao eny Tsimbazaza anio ny filohan'ny antenimieram-pirenena. Fihaonana hanehoana ny olana eto amin'ny Firenena sady hikatsahana vahaolana momba izany... ♦ Natomboka tamin'ny fomba ôfisialy omaly ny amin'ny fampirantiana eny amin'ny zaridainan'Anosy ny fahatsiarovana ny tolom-panafahana ny 29 marsa 1947... ♦ Nivory omaly sendikan'ny Mpiraki-draharaham-panjakàna eto Madagasikara. Herinandro no omen'izy ireo ny fitondrana hamaliana ny fitakiana, raha tsy izany handray fepetra amin'ny tohin'ny tolona izy ireo... ♦ Notafihin'ny kômandô mitam-piadiana alina ny efitrano fijerena fampisehoana iray tao Moscou any Rosia, maro ny maty...

Raran'ny fiangonana ny fanalan-jaza satria eloka mamoafady tokoa. Hoy ny Papa Joany faha-II : Fikorontanan-tsaina lehibe ny fanalan-jaza hiniana atao ho toy ny tanjona na toy ny fomba enti-manao satria mamono an-tsitra-po ny olona tsy manan-tsiny. Heloka bevava mitarika tsy fahazoana mandray Sakramenta ny fanalan-jaza na ny firaisana tsikombakomba amin'ny fanaovana izany. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Tsy mora ny manala zaza sady misy fiantraikany ratsy amin'ny tenan'ilay reny manao ilay fanalan-jaza. Misy ratra anaty tranon-jaza rehefa iharan'ny fanalan-jaza, miteraka tsy fahasalamana ho an'ilay reny manala zaza io fihetsika io. Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny aina, raha vao miforona ao an-kibo. Niavaka ny fitiavan'i Jesoa ny ankizy sy ny zaza araka izay voalaza hoe : avelao ny zaza hanatona Ahy fa aza raranareo. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

♦ Manamarika ny andro iraisam-pirenena ho an'ny famantarana ny toetry ny andro isika eto Madagasikara. Hifarana anio ny hetsika natokana anamarihana izany eny amin'ny Lapan'ny Tanàna Analakely... ♦ Haparitaka eny amin'ny tantsaha ilay karazam-bary Mavitrika vokatry ny fikarohana nataon'ny manam-pahaizana teto Madagasikara sy tany ivelany. Misy ny paik'ady momba izany hoy ny tompon'andraikitra... ♦ Notolorana fankasitrahana ireo mpianatra teny Japoney mendrika teny amin'ny Oniversite an'Antananarivo. Tsy ampy nefa ny mpampianatra... ♦ Notsipahan'ny rosianina sy ny sinoa tamin'ny alalan'ny didy tsy azo ivalozana ny volavolan-kevitra naroson'i Etazonia, mitaky ny hampihtoana ny ady any Gaza...

Ny raboka dia mbola misy ary betsaka ny olona matin'ity aretina ity. Ny raboka dia misy foana mandavantaona, avy amin'ny fidiran'ny otrik'atetina BK no iavian'ny aretina. Misy ny karazanà raboka mpahazo ny olona ary misy ireo mankarary ny omby. Ny avokavoka no tena taova matetika tafian'ity aretina ity. Mifindra amin'ny alalan'ny piti-drora, na rehoky ny marary. Ny fihotrehany ao amin'ny olona dia 4 hatrmin'ny 12 herinandro. Fandaharana "andriano ny fahasalamana" iarahana amin'ny Radio Don Bosco.

Alahadin'ny sampan-kazo : fahatsiarovana ny nidiran'ny Tompo tao Jerosalema sy fandinihana ny nijalian'i Jesoa Kristy. Ho antsika dia nanolon-tena i Kristy, nanaiky hatramin'ny fahafatesana, dia fahafatesana tamin'ny hazo fijaliana, ho valin'izany dia nasandratr'Andriamanitra ambony indrindra izy ary nomeny anarana ambony mihoatra ny anarana rehetra. Zavatra roa mifanohitra no hita taratra amin'ity fankalazana ity dia fifaliana, fiombiana ary fanamelohana, fivadiham-pitokisana. Misy ny tsy fahamarinana hita taratra tamin'ny fitsarana an'i Jesoa, mbola mitohy ny fijalian'i Jesoa isaky ny mandika izay voalazan'ny Evanjely, isika. Ho antsika izay hiaran'ny tsindry hazo lena dia ohatra ho antsika i Jesoa, banjino izy, raha mino isika dia hiara-velona aminy...

Tsapan'ireo vehivavy nanala zaza ireo fa silaky ny ainy no novonoiny, tsapany ihany ko a fa fihetsika mamoafady ny vitany, hany ka na izy latsa-panenenana na izy voan'ny aretin-tsaina na mitondra ratra am-po, isaky ny mahita zaza izy dia mitamberina ao an-tsainy ny zavatra nataony. Soso-kevitra ho an'ireo tafalatsaka tao anatin'io fomba tsy mendrika io dia ny miresaka amin'ireo pretra na eveka afaka mitantana am-panahy. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Manana anjara toerana lehibe eo anivon’ny fianakaviana ny fifandraisana eo amin’ny samy mpivady. Antoka iray mampirindra sy mampandroso ny fiainam-piankohonana izany. Ny fahasalaman’ny fianakaviana dia miankina indrindra ihany koa amin’ny fandrindram-piterahana manaja ny lalàna voajanahary. Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikasa.

Misy ny voka-dratsin'ny fanalan-jaza no tena mihatra mivantana amin'ilay olona nitondra vohoka nanala zaza ; mety tsy hiteraka intsony ilay vehivavy aorian'iny fanalana zaza natao an-tery iny, mety hiteraka fahafatesana ho an'ilay reny. ARaka ny antotanisa voasoratra tao amin'ny hôpitaly Befelatanana dia maro ireo vehivavy maty vokatry ny fanalan-jaza. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

Ny fanantenana dia ilaina foana eo amin'ny fiainana satria hananana tanjona, ary tsy misaraka amin'ny finoana na dia kely aza izany finoana izany hahavitana zavatra goavana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Mbola misy vahaolana hafa ankoatra ny fanalan-jaza koa entanina ny tovovavy sy ny vehivavy rehetra mba hanao ny ezaka hitondrana hatramin'ny ora farany ny vohoka izay azo fa tsy vahaolana ny fanalan-jaza. Ny fanalan-jaza dia misy voka-dratsiny indrindra ny ara-moraly, vahaolana akaiky mampanenina io fa tsy mampiadan-tsaina. Ny vavaka dia hery iray ahazoana bitsika mba hahitana vahaolana mendrika ny mahaolona. Katesizy momba ny fanalan-jaza, iarahana amin'i P. Sedera Joseph Rakotoarisoa. 

♦ Tsy midika ho endrika fanjanahana ny fisokafana sy fiarahana amin'ireo tany miteny frantsay, hoy ny Filohan'ny Antenimieran-doholona, nandritra ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny Frankôfônia... ♦ Manome fe-potoana 100 andro ho an'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, hamaliana ny fitakian'izy ireo, ny sendikà SISFM ivondronan'ireo Sage-femmes sy Infirmiers... ♦ Tsy mametraka olana amin'ny fisokafana amin'ny antoko hafa ny antoko TGV, amin'ny fifidianana Solombavam-bahoaka ho avy, fa mametraka fitokisana amin'ireo tompon'andraikitra misafidy izay ho kandidà...

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...