Mahasolo ny adidy atao any am-piangonana ve ny fanomezana atao?. Mety havaly azy ireto satria ny Fiangonana Fianakaviana : tsy association caritatif mpandray fanomezana fa miara-miaina, miara-mankalaza. Fiangonana Fiombonana : Misy Fiaraha-mientana ilaina ny isam-batan'olona. Fiangonana Iraka : Manana iraka atao. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny toeran'ny Fianakaviana any am-piangonana : fanomezan'Andriamanitra satrai ny tsirairay dia samy nahazo fanomezana ary dia tonga fanomezana ; Fiangonana fototra izany hoe Eglizy eo anivon'ny ankohonana. Ny fianakaviana dia loharano impoiran'ny fitohizan'ny taranaka ary feon'ny fiangonana.  Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny toe-panahy tsara hananana amin'ny fanantanterahana ny adidy : Toe-panahin-janaka, zanak'Andriamanitra isika noho izany dia mila fahatokisana sy manaiky hianteherana. Toe-panahin-tsakaiza izany hoe mahatoky, eo koa ny toe-tsana afaka mikarakara mba hisy fahavelomana sy fahalalana ary fahafahana. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny voka-tsoa miandry ny Kristiana amin'ny fanaovana adidy dia maro : mazava ho azy fa fitia izay valim-pitia, afaka miakna malalaka, mahatsiaro misy mpiahy sy mpiara-dia izany hoe tsy mahatsiaro ho irery, ary farany izay lehibe indrindra ary fototry ny fanantenana ihany koa dia ny fananana ny lanitra ho lova. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny fianakaviana tsirairay : ray, reny, zanaka dia samy manana ny anjara tandrify azy avokoa amin'ny adidy sahanina any am-piangonana izay miseho amin'ny alalan'ny fidirana Fikambanana Masina na Vaomieran'asa samihafa na ny fanampiana ny pretra. Tsy ampy ny manome vola fotsiny satria ianao mivantana no ilaina. Adidin'ny vita batemy ny fampandrosoana ny Eglizy. Katesizy momba ny fianakaviana sy ny asam-piangonana, iarahana amin'i P. Rakotoarimanana Nomenjanahary Jean Joachim.

Ny fitoriana ny "Vaovao Mahafaly" na ny "Evanjely" amin'ny teny frantsay dia hoe "Evangélisation" filazana na fanambarana ny Evanjely amin'ny olona sy amin'ny voahary manontolo izany. Ny fampitana ny Vaovao Mahafaly amin'ny olona ataon'ny Eglizy dia miseho amin'ny fomba maro arakaraky ny toerana sy ny fomba amam-panaon'ny olona hitoriana. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

I Jesoa Kristy Tompo no maniraka antsika hitory ny Evanjely amin'ny olona rehetra. Midika izany fa mbola misy olona tsy mandre ny Evanjely. Ny hoe "mitory ny Evanjely" dia manambara amin'ny olona ny Zanak'Andriamanitra. Tsy mijanona eo amin'ny hoe miteny fotsiny,  fa ihany koa mitarika ny olona hahatsapa sy hiaina ny fitiavan'Andriamanitra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Ny fitotoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao dia nanomboka nahazo vahana teo amin'ny iraka ataon'ny Eglizy ny taon-jato faha-20. Misy heviny maro ny momba io fitoriana amin'ny endriny vaovao io satria samy nivohy izany na ny Papa Joany Paoly-II na ny Papa Benoît XVI. Ny tena nantsoina hanao io fomba fitoriana io dia ireo tao Eraopa sy Amarika-Avaratra. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Ny atao hoe mibebaka dia mitady ny tsara na manahirana aza izany. Tsy ny fitsaratsarana ny fijerin'ny hafa no itondrana ny fiainana fa ny fitsaran'Andriamanitra, izany hoe mitady endrim-piainana vaovao tsy toy ilay mahazatra. Ny fitoriana an'Andriamanitra velona mifototra ao amin'ny hafatr'i Jesoa dia tokony ho ivon'ny fitoriana amin'ny endriny vaovao ihany koa. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Ny fivoaran'ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly : Azo atao ny mampiasa ny fitaovana môderina rehetra mba entina mampita ny Evanjely. Ny fitaovana môderina toy ny tranokalam-pifandraisana, ny fahitalavitra sy ny onjam-peo, izay tokony hampiasaina ara-drariny fa tsy entina hamotehana ny mpiara-belona na hanimba ny fifandraisana amin'Andriamanitra.  Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Betsaka ny adidy hapetraky ny Fiangonana amin'ny Kristiana amin'ny fitoriana ny Evanjely, ao anatin'izany ny fanatsarana ny fiainan'ny olombelona, anefa mandanjalanja tosiky ny kolontsaina. Tamin'ny 30 novambra 2019 no nihaonan'i Papa tamin'ny CPPNE, momba ny hoe Eglizy misokatra, nasongadiny ny hoe tsy ilaina mihitsy ny manaiki-dresy amin'ny fitoriana ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Ialao ny tahotra sy ny ahiahy raha te hahomby amin'ny fitoriana ny Evanjely. Ampiasaina ara-drariny ny fitaovam-pifandraisana rehetra mba hitoriana ny Evanjely. Tsy atao alasafay na am-pahazarana fotsiny rehefa mitory, ary indrindra, mila mivoaka fa tsy mihiboka ao am-piangonana mba ho vavolombelon'ny Hafaliana entn'ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly amin'ny endriny vaovao, iarahana amin'i P. Randriamahenina Robert-Marie.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...