Ny fitiavan'Andriamanitra dia tsy nokoboniny ho Azy irery fa nozarainy maimaim-poana tamin'ny olombelona. Tiany izao tontolo izao ka tsy nandala ny tena Zanany tokany Izy fa nomeny, nafoiny ho antsika mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay. Tsy io "Zanany" io ihany fa natolony ihany koa ny Fanahiny tamin'ny alalan'ny Batemy noraisintsika, araka izay nolazain'i Md Paoly. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Toa tsy mifanaraka amin'ny anarana entiny hoe "kristiana" intsony ny zava-misy ankehitriny ; maika ery ny olona te ho tonga kristiana fa malaina ny hiaina azy avy eo. Hita izany amin'ireo mangataka hiroso handray ny sakramentan'ny Batemy. Maro ireo miaina ny afobe satria efa miandry azy any an-tranony na eny amin'ny fiaraha-monina ny olana maro : ady lova, fifampiandaniana, fialonana, fankahalana, fahantrana. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ankehitriny eny amin'ny fiaraha-monina dia miseho lany ny elanelana, ary zary mifanao ankolafiny, mifandrafy, nefa samy kristiana ihany. Eny amin'ny sehatra iasana dia mampametra-panontaninana hoe : atao fitaovana hanangonan-karena sy vola ary voninahitra fotsiny ve ny anaran'Andriamanitra sy ny finoana. Maro ny mpino no manana fahefana amin'ny sehatra misy azy anefa mampiasa izany tsy amin'ny rariny. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Mazava ny hafatr'i Jesoa tamin'ny mpianany : aoka isika ho fanasina sy ho fahazavana. Araka izay voasoratra ao amin'i Mt 5, 13 : Ianareo no fanasin'ny tany ; fa raha ny fanasina no tonga matsatso, hatao ahoana no fanasina azy indray? Tsy ho azo atao inona intsony izy, fa dia hariana any alatrano hohitsahin'ny olona. Fehiny tsara ra mandeha mivoaka ny Eglizy mitory ny Evanjely sy ny fitiavan'Izy Ray. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Manosika antsika tsy hatoritory ny Batemy noraisintsika. Ny Evanjelin'i Jesoa sy ny fampianaran'ny Eglizy dia tsy mitsahatra mampianatra antsika mba ho sahy haneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra tsy an-kanavaka, indrindra amin'ireo olona tsy manan-tsiny sy madinika ; eo koa ny fanehoana "indra fo" fa zava-poana ihany raha fitiavana tsy misy "indra fo". Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny Batemy dia mandrisika ny kristiana amin'ny fahehoana halemem-panahy, ny fahasahiana miteny sy mananatra am-pitiavana, fijoroana amin'ny fahamarinana. Tsy azo atao mihitsy ny milona ao anatin'ny toe-javatra ratsy anefa mitondra ny anaran'i Kristy. Endriky ny fitiavan'Andriamanitra isika rehetra eo amin'izay hatao, mila atambatra ny hery hiasa ho fanehoana izany fitiavana izany. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny tena mpianatr'i Kristy, mitondra ny anarana kristiana dia sahy maneho ny fitiavan'Andriamanitra amin'ny olona rehetra, indrindra ireo tsy manan-tsiny sy marefo. Taratry ny fitiavana ny hoe : fa aoka hianareo samy halemy fanahy amin'ny namany avy, ka hifampiantra sy hifamela heloka, toraka ny namelan'Andriamanitra anareo ao amin'ny Kristy. Katesizy momba ny fitiavan'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Ny hoe midonana-poana dia teny roa mitambatra, dia ny hoe midonaka sy foana. Ny midonaka dia mitoetra fotsiny fa tsy an’asa, mitoe-poana eo fotsiny. Ny foana moa dia entina ilazana zavatra matetika, miveriberina. Ka ny olona midonana-poana dia olona mitoe-poana sady tsy mirotsaka amin’ny asa tsara, tsy mitady izay ho atao. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Mba hialana fidonana-poana dia mila volavolaina dieny mbola kely ny ankizy. Hoy ny fitenenana hoe: “ny Hazo no vanokolakana dia ny tany naniriany no tsara.” Zarina hitia ny asa dia mbola kely ny ankizy. Marina fa hoe ny fananana finoana dia isan'ny hahazoana famonjena fa ny asa dia tsinontsinona. Kanefa ny tenin'Andriamanitra dia milaza amintsika fa ny finoana tsy misy asa dia maty. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ny fidonanam-poana dia toetra ratsy apetraky ny demony ao anatintsika sy miseho eo amin’ny fahalainana hanao zavatra sy ny hakamoana ka tsy hahafahana miroso amin’ny tsara sy ny fahamasinam-piainana araka ny sitrapon’Andriamanitra. Rehefa tsy manao na inona na inona ny olona iray dia misosoka moramora ao aminy ny sain-dratsy, ny asa ratsy ary ny toetra ratsy. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ny tarigetra-piainana nomen’i Jesoa antsika dia ny hoe “ny hanompo fa tsy ho tompoina.” Ny fiainana ny maha-kristianina marina dia iainana amin’ny fanampina ny hafa ary ny asa fanompoana araka izany dia azo heverina ho toy ny fitaovana iray handrefesana ny dingana vita eo amin’ny fiainam-panahy. Mitaky fanoloratena lalina ho fitsimbinana ny hafa. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ny ezaka atao mba hiadiana ny fidonam-poana: ilaina ny tia karokaroka. Ny fidonanam-poana mantsy tsy hifanaraka velively amin’ny maha vavolombelona Kristianina. Ohatra velona ho antsika i Masindahy Josefa, Masina Maria, Simeona ary Anna, tamin’ny nanolorana ny Tompo tao tempoly : ny zavatra hita sy tsapa voalohany dia ny fihetsika sy figagana teo amin’izy ireo. Katesizy momba ny fidonanam-poana, iarahana amin'i P. Ratinarivony Laurent.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco