♦ Nihemotra indray ilay fihaonan'ny vaomiera iombonan'ny Frantsay sy Malagasy momba ireo nosy manodidina an'i Madagasikara na ireo "iles éparses". Tokony amin'izao fiandohan'ny volana novambra izao anefa no hizoran'izany any Paris... ♦ Nivoaka tamin'ny fahanginany ny antoko RTM, tarihin'Andriamatoa Randriamampionona Joseph Martin momba ny toe-draharaham-pirenena. Tokony hisy, hoy izy, ny fikaonandoham-pirenena, raha ny toe-draharaha amin'ny fanomanana ny fifidianana amin'izao... ♦ Niverina hiasa nanomboka ny maraina teo, araka efa nampanantenainy ny herinandro teo, ny sendikan'ny mpirakidraharaham-pitsarana. Asa maro no miandry azy ireo, noho ny tsy nisian'ny raharaham-pitsaràna tao anatin'ny 3 herinandro...
Tokony mahay mifampikarakara, mahay mifanampy amin'ny zavatra, ilàna fifanampiana, ny rehetra na ireo mandrafitra ny fianakaviana na ny mpivady na ny fiaraha-monina. Raha ireo fepetra ireo no tanteraka dia hisy ny filaminana sy ny fahadiovana, izay misy fiatraikany amin'ny toe-tsaina sy ny toe-po. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Desiré Ramakavelo.
♦ Nohamasinina ho Eveka omaly tany Poznan Pologne i Mgr Tomasz Grysa, izay notendren'ny Papa François ho Nonce apostolique eto Madagasikara... ♦ Amin'ny alina vao mahazo rano ny mponina eny amin'ny Kaominina Bemasoandro Itaosy. Nitady vahaolana ny Fikambanana Tsiorintsoa atsimondrano, nanangàna paompin-drano 4 eny an-toerana, notokànana tamin'ity fomba ôfisialy omaly... ♦ Tafatsangana tamin'ny fomba ôfisialy ny sampan'ny Fisemare tamin'ny tapany andrefan'Antananarivo. Tanjona ny hahazoan'ny sendikà ny mpiasa maro an'isa eny anivon'ny orinasa, mba hisian'ny fanajàna ny zon'ny mpiasa, araka ny voalazan'ny lalàna...
♦ Feno 31 taona androany ilay fifanarahana ara-pôlitika nalaza teto Madagasikara, dia ny Fifanarahan'ny 31 ôktôbra, namahana tao anatin'ny roa andro monja, ny krizy pôlitika teo amin'ny Herivelona Rasalama sy ny fitondran'ny Amiraly Didier Ratsiraka... ♦ Folo taona aty aoriana vao misy mangirana ny fitarainan'ireo mpianatra tany Chine, momba ny vatsim-pianarana tsy voaloa, maherin'ny 22 miliara Ariary. Any amin'ny Minisiteran'ny Fampianarana Ambony sy Fikarohana ara-tsiansa, ny taratasy fitadiavana vahaolana handoavana ny trosan'ireo mpianatra ireo...
♦ Nifarana ny 28 ôktôbra teo ny Visite ad limina, izay notanterahan'ireo Evekan'i Madagasikara tany Rôma... ♦ Hamasinina ho Eveka rahampitso, ny Nonce Apostolique vaovao izay voatendry hiasa eto Madagasikara, ka any Poznań, any Pologne no hanatanterahana izany... ♦ Efa manomboka ny fisoratana anarana, ho an'ireo izay hiatrika ny JMJ any Lisbone, amin'ny taona 2023...
♦ Tsy ampy ny fe-potoana efatra taona izay hitantanan'ny Ben'ny Tanàna ny Kaominina ka misy ireo Ben'ny Tanàna izay manaitra ny tompon'andraikitra hijery ny mety hanitarana izany... ♦ Miditra amin'ny fiatoana kely ny ankamaroan'ireo sekoly amin'ity herinandro ity. Misy koa anefa ireo hiverina hianatra aorian'ny faha-2 ny volana Novambra... ♦ Hapetraka tsy ho ela ny vato fototra amin'ny fanamboarana ny lalambe mikodàna mampitohy an'Antananarivo sy Toamasina... ♦ Maro ireo mpitondra fanjakàna vahiny izay efa niarahaba ny Filoha Breziliana, Lula da Silva amin'izao nahalany azy ho Filoha vaovao izao...
Ny sekolin'ny Ntaolo dia tsy nisy rindrina fa ny sekoly misy rindrina ankehitriny dia ny vahiny no nitondra azy. Ny Volana septambra 1818 no nisokatra ny sekoly voalohany teto Madagasikara ka tao Manangareza-Toamasina no nisy azy. Mpianatra miisa enina (06) no mpianatr'i Thomas Bevane sy David Johns. Ny vavahady nidiran'ny sekoly teto Madagasikara dia tao Toamasina, Taolagnaro. Ny satary sy ny heboro ary ny kalamo no fitaovana nampiasaina nentina nampitana fahalalana tamin'izany fotoana. Andriandramaka no mpanjaka nianatra voalohany indrindra. Ny LMS dia isan'ireo nitondra ny sekoly teo Madagasikara. Maro ny malagasy nanampahaizana ka isan'ireny, Andriamanilin'i Betsileo sy Andrianampoinimerina...
Tena ilaina eo amin'ny fiainana maha olona ny feon'ny fieritreretana. Ny atao hoe feon'ny fieritreretana dia feon'Andriamanitra tsy mety diso mibitsika ao amintsika. Matetika anefa izany vonointsika toy ny mamono olona tsy am-piheverana, ny mangalatra sy ny mifanohitra amin'ny didin'Andriamanitra sy ny didin'ny Eglizy. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ny olona maty eritreritra dia ny olona tsy mahalala afatsy ny tenany ihany sy izay hahafa-po azy amin'ny fampanaraham-batana, na olona efa marary saina ka tsy afaka mandinika sy manavaka ny tsara tokony hajaina sy ny ratsy tokony hialàna. Ao anatin'ny laharana ara-moraly izany ny feon'ny fieritreretana ka mila hianarana. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ny feon'ny fieritreretana dia mitodika indrindra amin'ny fandinihan-tena fa tsy mandinika ny toetran'ny hafa akory. Mandinin-tena amin'ny asa vita ary mijery ny ho avy amin'ny alalan'ny fikasàna tsara tokony ho tanterahana. Amin'ny fo sy saina tsy miangatra no entina mandini-tena. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ny tsy fahalavorariantsika olombelona no tena mitondra antsika hanao fahadisoana matetika, na manao ezaka goavana aza isika. Matetika ny fontsika no mifikitra amin'ny harena na hatsaràna na talenta izay hananantsika ka entintsika hivelarana eo amin'ny fiainana, tsy foy zaraina mba hansoa ny hafa. Ampiasaina ny feon'ny fieritreretana hampandrosoana ny hafa. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Eo amin'ny fianana maha-kristiana dia ao anatin'ny vavaka hatrany no tokony hanaovana ny fandinihan-tena. Ny fandinihan-tena amin'ny alalan'ny fampiasana ny feon'ny fieritreretana no mampivoitra ny tena Fiainana, izany hoe, tsy mitondra mankany amin'ny lalandison'ny fandravana sy ny fahafatesana mandrakizay. Katesizy momba ny feon'ny fieritreretana, iarahana amin'i P. Rakotoarisoa Sedera Joseph.
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco