♦ Mbola nisy faritra arovana nahitana firehetana indray androany. Efa nisy koa ireo olona mpandoro tanindrazana tra-tehaka tany Manatantely... ♦ Tsy nahafapo ireo mpiraki-draharaha indray ny fihaonana niarahany tamin'ny tompon'andraikitra teo anivon'ny Fiadidiana ny Repoblika, androany. Milaza ny hanohy hatrany ny fitokonana izy ireo... ♦ Antoka iray tena hisian'ny fitsinjaram-pahefana marina kosa ny fanomezana sy ny fizarana ara-drariny ho an'ny kaominina sy ny faritra, ny anjarany amin'ny tamberin-ketra azo amin'ny fitrandrahana misy any aminy...

♦ Mety hihemotra indray ilay fihaonana faharoa, hiresahan'ny solontena malagasy sy frantsay momba ireo "îles éparses". Ny fiandohan'ny volana novambra izao ho tanterahina izany any Paris, raha tsy misy ny fiovàna... ♦ Tafapetraka ny "Cellule de crise" manoloana ny doro-tanety misesisesy manerana an'i Madagasikara ankehitriny. Namafisina ny fepetra horaisina sy fampiharan-dalàna ho an'ireo tratra mandoro tanety sy ala... ♦ Manomboka mihena ny habetsahan'ny rano hamokarana herinaratra amin'ireo renirano natokana ho amin'izany. Hisy ny paik'ady iarahan'ny JIRAMA sy ny APIPA, amin'ny fitantanana ny rano hanondrana ny lemak'Antananarivo, eo anatrehan'izany...

Tsara ny fananana dokotera na mpitsabo matihanina na ho an'ny olona tsirairay na ho an'ny fianakaviana. Misy tombontsoa azo tsapain-tanana ny fananana mpitsabo mahazatra satria io no efa mahalala ny fivoaran'ny fahasalamana manontolo. Haingana kokoa ny famaritana ny aretina mahazo ny olona iray, mihamora ny fanomezana fanafody ireo marary satria efa hain'ilay mpitsabo matihanina io ny fanafody tsy zakan'ny taovan'ilay marary. Ny sara-pizahana dia tsy voatery ho fandaniana betsaka satria efa voafehy ny fotoana sy ny soritr'aretina mpahazo matetika ny fianakaviana na ny olona tsirairay manana mpitsabo matihanina mahazatra...

Mitovy daholo ny fahaiza-manao ananan'ny mpitsabo na miankina amin'ny fanjakana na ny tsy miankina, ny fahafahana mampiasa fitaovana sy fanafody no mety mampiavaka ny tsirairay. Ny fanaovana ho anton'asa ny asa fitsaboana dia tsy maintsy azahoana fahazoan-dalana avy amin'ny Ministeran'ny Fahasalamam-bahoaka sy ny fikambanana momba ny fasalamana. Mety hiteraka voka-dratsy ho an'ny fahasalamana ny fihinanana fanafody tsy voalanjalanja eny amin'ireo mpitsabo tsy matihanina ireny. Ny lalana navoakan'ny Ministera tamin'ny faha 26 avrily 2017 no mifehy ny asa fitsaboana eto Madagasikara sy ny asa manodidina ny fahasalamana....

♦ Hiato mandritra ny 4 andro ny famokarana herinaratra any Andekaleka amin'ny faran'ny herinandro izao. Hisy ny fahatapahan-jiro hifandimby eto Antananarivo, vokatr'izany... ♦ Mitaky ny hamoahana an'i Mahery Lanto Manandafy am-ponja tsy misy fepetra n fianakaviany. Nametraka fitoriana teny amin'ny Brigadin'ny Pôlisy eny Anosy, momba ity raharaha ity ny vadiny fa tsy noraisina... ♦ Misy mandrahona ho faty ny tompon'andraikitry ny fitsaràna sy ny ben'ny tanàna any Menabe. Misy ny horonam-peo niparitaka tamin'ny tambajotra ara-tsôsialy momba izany...

♦ Hotapatapaka mandritra ny fotoana maharitra indray ny herinaratra eto Antananarivo sy ny manodidina, manomboka amin'ny zoma ho avy izao. Hiato mandritra ny efatra andro indray ny famokarana herinaratra any Andekaleka, araka ny fanazavan'ny tompon'andraikitra... ♦ Tsy noraisin'ny brigady misahana ny heloka bevava eny Anosy, ny fitoriana napetraky ny vadin'i Mahery Lanto Manandafy. Fitoriana noho ny fandrahonana hofaty nataon'ilay vazaha nitory an'i Malama, nandritra ny fotoana nakany ny taratasy fiantsoana azy teny Anosy...

♦ Niampy roa indray ireo Olomasin'ny Eglizy Katôlika Apôstôlika Rômana, Olontsambatra roa no naroso ho eo amin'izany laharana izany omaly. Anisan'izany ilay Frera Salezianina, Artémide Zatti... ♦ Mamangy ny fikambanana eto Madagasikara ny Père Général an'ny Fikambanan'i Jesoa. Anisan'ny notsidihina ny tany amin'ny Diôsezin'i Mananjary sy ny tao amin'ny Diôsezin'i Fianarantsoa... ♦ Natsangana tamin'ny fomba ôfisialy omaly, ny Fraternité Franciscaine ao Vohipeno...

♦ Mbola tena tsy ampy ny fanentanana amin'ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy, raha ny fanadihadiana natao... ♦ Trano 35 tafo no kila hotohoto ny afo tany amin'ny kaominina Beforona distrikan'i Moramanga. Olona 120 no traboina vokatra izany... ♦ Vinavinaina hampiditra vola 80 miliara Ariary ho an'ny tanànan'i Toamasina amin'ny alalan'ny fizahan-tany ny tetik'asa MIAMI aorian'ny fahavitany... ♦ Tombanan'ny UNICEF ho 1,2 tapitrisa ireo ankizy ahiana ho voan'ny kolera any Haïti.

Ny teny malagasy dia teny iray ihany satria fototra iray no iorenany ara-pitispika. Ny teny malagasy dia misy fiteny maro, izay mampiavaka ny isam-paritra. Ny malagasy iombonana dia ireo voambolana teraka tamin'ny taona 1972 mba ho ampiasaina, avy amin'ny sehatra isan-tsokajiny sy faritra maro. Ny malagasy ôfisialy dia tsy azo hadika hoe teny imerina fa ireo teny ampiasaina amin'ny fitondran-draharaham-panjakana. Ny malagasy ara-penitra dia ireo izay manaraka ny lasitra na fitsipika. Ny sehatr'asa isan-karazany dia samy manana voambolana teknika ; ohatra : ordonnance didim-pitsarana (Fitsarana) taratasim-panafody (Fitsaboana). Ny teny malagasy dia sokajiana ho "teny teratany".

♦ Nasandratry ny Papa François ho Olomasina, omaly, i Fr Artémide Zatti, coadjuteur salezianin'i Don Bosco... ♦ Mihamafy ny tsindry manery ireo mpirakidraharaham-pitsarana hiverina hiasa. Tsy hilefitra anefa izy ireo fa hanohy ny fitokonana tsy misy fiandrasandraharaha... ♦ Nanao ranolava ny fikaonandoha notarihan'ny ministry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovanjafy amin'izao vanim-potoanan'ny afo izao. Tsy handefitra amin'ireo mpandoro tanindrazana ny Fanjakana, hoy Ramatoa Ministra... ♦ Miantso ny fianakaviambe iraisam-pirenena mba hanohana an'i Haïti ny sekretera jeneralin'ny firenena mikambana manoloana ny krizy any amin'ity firenena ity...

♦ Manahy ny haharïtra tsikelikely ny vola tahiry eo anivon'ny CNaPs ny Firaisan-kinan'ny sendikà eto Madagasikara na ny SSM. Ahiahy, manoloana ny fivoahan'ilay didim-pitondrana momba ny fampiakarana ny karama farany ambany ho an'ny sehatra tsy miankina... ♦ Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny sendikan'ny Paramed, raha mbola misy naman'izy ireo mamoy ny ainy, noho ny tsy fandiam-pahalemana. Mpitsabo mpanampy roa no naratra, vokatr'izany hatramin'ny volana septambra nankaty... ♦ Handray lalao iraisam-pirenena indray rahampitso ny Kianjaben'i Mahamasina. Hifandona amin'ny Marumo Gallants avy atsy Afrika-atsimo ny ElgecoPlus, amin'ny dingana faharoa amin'ny fiadiana ny amboaran'ny CAF...

Ny faha-04 ôktôbra no fankalazana ny fetin'i Md François d'Assise. Ny Papa mitantana ny fiangonana katôlika ankehitriny dia nisafidy hisalotra ny anarana "François" rehefa teo amin'ny Fiketrahana Masina. Misy ny fitsidihana ataon'ny Jeneraly eo anivon'ny fikambanan'i Jesoa maneran-tany eto Madagasikara. I Md François d'Assise tamin'ny fahavelomany dia zanak'olona manan-karena fa tamin'ny faha-25 taonany dia nisafidy ny fiainam-pahantrana naka tahaka an'i Kristy, hizara fahasoavana amin'ny ireo olona sahirana. Ity olomasina ity dia nahazo ny fahasoavana tamin'ny niainany ny fery dimin'i Kristy, tamin'ny felan-tanany roa sy ny tongony ary ny manandrify ny fony. Maneho ny hoe eglizy miara-dia ny fitsidihana atao eto Madagasikara...

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...