Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 35, 1-6a. 10

Ny Tenan’Andriamanitra mihitsy no ho avy hamonjy antsika

Hifaly ny efitra sy ny tany karankaina,
hiravoravo ny tany lemaka lava volo,
ary hamony tahaka ny narisisa;
hirakotra voninkazo sy hientan-kafaliana
ary hanao hoby firavoravoana izy.
Homena azy ny voninahitr’i Libàna
mbamin’ny hakanton’i Karmely sy i Sarôna.
Izy ireo hahita ny voninahitry ny Tompo,
sy ny famirapiratan’ny Andriamanitsika.
Hatanjaho ny tanana osa,
herezo ny lohalika mangozohozo!
Ilazao ny mitebiteby fo ataovy hoe:

“Makà hery fa aza matahotra.
Inty ny Andriamanitrareo;
tamy ny famaliana, famalian’Andriamanitra,
Tenany no ho avy, dia hamonjy anareo”.

Amin’izay dia hahiratra ny mason’ny jamba,
halady ny sofin’ny marenina.
Hitsambikina hoatra ny serfa ny mandringa,
hinantsanantsan-kafaliana ny lelan’ny moana.
Ho tonga ao Siôna amin’ny hobin-kafaliana
ireo navotan’ny Tompo;
firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany;
fifaliana amam-piravoravoana no hahenika azy;
fa ny sento amam-pijaliana handositra.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 145, 7. 8-9a. 9bd-10

Eny, ry Tompo ô, faingàna hamonjy anay.

Ilay mitandrina mandrakizay ny fahamarinana
sy manome rariny izay ampahoriana,
Ilay manome sakafo ny noana,
dia ny Tompo mamaha ny mpifatotra.

Tompo mampahiratra ny jamba,
Tompo mampitràka ny miondrika.
Tompo mpiaro ny vahiny,
tohan’ny kamboty sy ny tokan-tena.

Tompo tia ny olo-marina,
fa ny olon-dratsy aviliviliny.
Manjaka ny Tompo amin’ny taona mifandimby,
ny Andriamanitrao, ry Siôna, mandrakizay!

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Jakôba Apôstôly 5, 7-10

Ankaherezo ny fonareo, fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.

Ry kristianina havana,
mahareta mandrapiavin’ny Tompo.
Jereo ange ny mpiasa tany,
izay manantena ny voka-tsoan’ny tany;
miandry amimpaharetana izy,
mandra-pahazony ny ranonorana aloha sy aoriana.
Aoka àry ianareo haharitra koa;
ary ankaherezo ny fonareo,
fa efa akaiky ny fiavian’ny Tompo.
Aza mifampimonomonona, ry havamalala,
fandrao dia helohina ianareo.
Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!
Aoka ny mpaminany
izay niteny tamin’ny Anaran’Andriamanitra,
ry kristianina havana, no hataonareo fakan-tahaka
amin’ny fandeferana sy ny faharetana.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo:
nirahiny hitondra teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 11, 2-11

Ianao va ilay ho avy, sa mbola hafa no andrasantsika?

Tamin’izany andro izany,
nony ren’i Joany tao an-tranomaizina ny nataon’i Kristy,
dia naniraka roa lahy tamin’ny mpianany izy
hanao aminy hoe:

“Ianao va no Ilay ho avy,
sa mbola hafa no andrasantsika?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Mandehana ka lazao amin’i Joany,
izao zavatra renareo sy hitanareo izao:
mahiratra ny jamba, afaka ny mandringa,
sitrana ny boka, malady ny marenina,
atsangana ny maty, torîna amin’ny malahelo ny Evanjely,
ary sambatra izay tsy tafintohina noho ny amiko”.

Nony lasa ireo,
dia nilaza an’i Joany tamin’ny vahoaka i Jesoa,
nanao hoe:

“Hizaha inona no nalehanareo tany an’efitra?
Volotara hetsiketsehin’ny rivotra va?
Sa hizaha inona no nalehanareo tany?
Lehilahy tsara fitafiana va?
Indro any an-tranon’ny mpanjaka izay tsara fitafiana.
Sa hizaha inona àry no nalehanareo tany?
Moa mpaminany va?
Eny, hoy Izaho aminareo,
ary ambony noho ny mpaminany aza,
fa izy no ilay voasoratra hoe:

Indro Aho
maniraka ny Anjeliko hialoha Anao
sy hamboatra ny lalanao!
Lazaiko aminareo marina tokoa
fa amin’izay natera-behivavy,
mbola tsy nisy nitsangana
izay lehibe noho i Joany Batista;
kanefa izay kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra
no lehibe noho izy”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Mangetaheta famonjena ny olona, te hivoatra sy te handroso amin’ny lafiny maro tokoa ny Malagasy, siangy io no lesoka: samy maka ho azy sy ny ramatahora no miely sy manjaka... Mila Pretra izy ireo, tena Pretra fa tsy irony Fonctionnaires de Dieu irony. Koa ampirisihina isika, heindaka amin’ny zavatra eto an-tany, fa hampiasa azy ireny kosa mba ho fanampiana ny namana dia ny olombelona rehetra tsy an-kanavaka. Midika izany fa mila fihavaozana avy ao anaty isika.

♦ Mitaky ny handinihan'ny antenimera mpanao lalàna ny sata mifehy ny mpiasam-panjakàna amin'izao fivoriana ara-potoana izao ny firaisan-kinan'ny sendika eto Madagasikara. Iray volana no omena ny fitondrana hamahana ireo olana fototra mianjady amin'ny mpiasa malagasy... ♦ Lany teny Tsimbazaza omaly ny volavolan-dalàna mifehy ny rafitry ny fanabeazana eto Madagasikara. Mitaky fifampidinihana momba azy io ny fitantanana nasiônalin'ny fanabeazana katôlika "DINEC"... ♦ Tanterahana eny amin'ny Hotel Panorama Andrianarivo ny andro ara-tsiansa ho an'ny sehatra momba ny fikarohana sy ny fampianarana ambony miara-miasa ho an'ny ala sy ny harena voajanahary "DPFB"....

Sabotsy 10 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Akaiky ny andron’ny Tompo, indro Izy fa ho avy hamonjy antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 17, 10-13

Zoma 9 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19

Alakamisy 8 desambra 2022 — Masina Maria notorontoronina tsy azon-keloka — Fankalazana manetriketrika — Arahaba, ry Maria feno hasoavana; ny Tompo ao aminao; nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 26-38

Alarobia 7 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 28-30

Talata 6 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Indro avy ny Mpanjaka, Tompon’ny tany, ary Izy no hanafaka antsika amin’ny jiogam-panandevozana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 18, 12-14

Alatsinainy 5 desambra 2022 — Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Ampodio izahay, ry Tompo Andriamanitra ô; ny tavanao aseho, dia ho voavonjy izahay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 5, 17-26

Alahady 4 desambra 2022 — Alahady faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Taona A — Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany; dia hahita ny famonjen’Andriamanitra ny nofo rehetra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 3, 1-12

♦ Manome iray volana sy tapany amin'ny fitondrana ankehitriny, ny firaisan-kinan'ny sendikà eto Madagasikara na ny SSM, mba hamahana ireo olona fototra mianjady amin'ny mpiasa malagasy... ♦ 13 monja ireo Solombavam-bahoaka nandany ilay volavolan-dalana mifehy ny rafitry ny fanabeazana eto Madagasikara, teny Tsimbazaza androany... ♦ Mitaky loa-bary an-dasy, hakana ny hevitry ny mpisehatra rehetra, mialoha ny hampiharana ny fanavaozana ny rafi-pampianarana, ny foibe-pitantanana nasiônalin'ny fanabeazana katôlika, na ny DINEC...

♦ Nodisoan'ny Ministry ny Atitany ny filazàna fa manakana ireo antoko pôlitika sasany amin'ny fihetsiketsehana hiomanana amin'ny fifidianana ny fitondram-panjakàna. Tsy tokony hisy olana raha hajaina ny lalàna, hoy izy... ♦ Handalo fankatoavana eny Tsimbazaza ilay tolo-dalàna momba ny fanavaozana ny rafi-pampianarana, raha tsy misy ny fiovàna. Misy mampiahiahy io tolo-dalàna io, ka tokony hifandinihina aloha, hoy ny tale nasiônalin'ny fanabeazana katôlika... ♦ Mitaky ny hametrahana PDS hitantana ny kaominina Moramanga ny Vovonan'ny Hery velona monina any an-toerana. Nanao fanambaràna tsy manaiky amin'ny ambarany fa fikorontanan'ny tanànan'i Moramanga izy ireo...

[Miara-dàlana] Zoma 22 aogositra 2025

• Miorina amin'ny fanantenana hadio toa an'i Kristy. Io no teny hifanentanan'ireo Fanilon'i Madagasikara manatanteraka Lasy Nasionaly, nanomboka ny 18 hatramin'ny 23 aogositra 2025... • Tanora, mpivahiny masina miisa 869 no nahatanteraka ny Andron'ny Tanora ho an'ny Diosezin'i Mahajanga, tamin'iny herinandro lasa teo iny... • Notanterahana tao amin'ny Diosezin'Ambanja ny Fivahinianana Masina andiany faha-2 ho an'ny Vondrona Iniasianina...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...