Ny fiadanana dia tsy maintsy aorina ao amin'Andriamanitra, amin'ny alalan'ny fitiavana sy ny fahamarinana. Tsy maintsy toherina ny "ady" satria tsy vahaolana fa maika aza miteraka olana hafa. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
Ny fikatsahana ny fiadanana dia miara-dalana amin'ny demôkrasia. Ny fiangonana dia mankasitraka ny demôkrasia ; tsy misy demôkrasia marina raha tsy ao amin'ny tany tan-dalàna. Katesizy momba ny fitsidihan'ny Pape François teto Madagasikara, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Solombavambahoaka am-perinasa, ministra teo aloha, miampy karana telo amin'izao no namoahana didy tsy fahafaha-mivoaka an'i Madagasikara. Samy voarohirohy amin'ny fanondranana harem-pirenena ireo... ♦ Mandrahona hitokona indray iseo Paramed eny anivon'ny Hôpitaly. TSy mbola naharay ny valin-kahasasarana avy amin'ny fanjakàna nandritra ny covid-19 tamin'ny taona 2020... ♦ Mitaky ny hampiharana ny fanalefahan-ketra ho azy ireo ny sendikàn'ny mpanao asa tanana, izay efa voafaritry ny lalàna, anefa mbola mijanona ho fampanantenana hatramin'izao...
Ny faha 29 marsa isan-taona dia fanamarihana sy fahatsiarovana ireo maheri-fo nitolona ho antsika malagasy tamin'ny taona 1947. Ny renim-pianakaviana no tsara toerana kokoa amin'ny fampitana ny tantara sy ny fanabeazana ny zanaka. Ny renim-pianakaviana dia manana andraikitra ho fanabeazana ny zanany ho olom-pirenena vanona sy hanana fitiavan-tanindrazana ; ny ankohonana rahateo no sekoly voalohany ho fampanajana ny fitsipika sy ny fanabeazana fototra...
Alakamisy 24 marsa 2022 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo; ary manaova fo vaovao sy saina vaovao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 14-23
♦ Mandrisika ny Bianco sy ny PAC tsy hihemotra amin'ny fanadihadiana lalina amin'ilay raharaha famoahana volabe teo anivon'ny CNaPs ny SSM... ♦ Sesilany ny fitokonana eny anivon'ny Anjerimanontolo sasany eto Madagasikara, mitaky ny fandoavana vatsim-pianarana. Nitokona omaly ny mpianatry ny Oniversite Fianarantsoa sy Mahajanga... ♦ Nohafahan'ny fitsaràna ireo efatra mirahalahy nohampangaina ho namono ilay mpandraharaha indo-pakistanais Danil Radjan...
♦ Niakatra fitsarana androany ireo mpiasan'ny CNaPS sivy mianadahy voaenjika ho namoaka vaovao momba ny fanodikodinam-bola teo anivon'ny CNaPS. Hivoaka amin'ny 28 marsa ny didim-pitsarana... ♦ Tsy tana ihany koa fa nanao hetsi-pitakiana androany, ny mpianatry ny Oniversiten'i Fianarantsoa sy Mahajanga, mitaky ny handoavana ny vatsim-pianarana... ♦ Miova isan-kerinandro kosa ny vidin'entana raha ny fanadihadiana natao tamin'ireo mpanjifa...
♦ Manentana ny kristianina rehetra himbom-bavaka amin'ny Papa François, amin'ny 25 marsa 2022, i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara... ♦ Hitarika ny fotoam-bavaka hanokanana an'i Russie sy i Ukraine amin'ny Fo Madion'i Maria, ao amin'ny EKAR Masindahy François-Xavier Antanimena, amin'ny 25 marsa 2022, i Mgr Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Namoaka "Constitution Apostolique" vaovao : "Praedicate Evangelium", ho fanavaozana ny drafitry ny Curie Romaine ny Papa François...
Ny fampandrosoana dia "fizorana miala amin'ny tontolom-piainana tsy dia mendrika ny maha-olona, mankay amin'ny tontolom-piaianana mendrika ny maha-olona kokoa". Ny taona 1967 : ho fanatanterahana ny fanirian'ireo ray aman-dreny tao amin'ny konsily dia natsangan'ny Papa Paul VI, ny vaomiera Pontifikaly " rariny sy fiadanana". Katesizy momba ny pastoraly sôsialy, iarahana amin'i P. Randrianomenjatovo Fenohasina Dorysse.
♦ Eny amin'ny Ekar Antanimena no hanaovana ny fiombonam-bavaka ho an'ny diôsezy Antananarivo, araka ny fanentanana nataon'ny papa François, ho an'ny fiadanana sy ny fandriampahalemana... ♦ Tombon-dahiny lehibe ho an'ny antoko ADN ny maha mpikambana anatin'ny antoko liberaly eran'izao tontolo izao azy, satria tena misy vokany lehibe amin'ny fampandosoana ny firenena izany... ♦ Namoy mpanakanto indray ny Malagasy, nody mandry tamin'ny sabotsy teo i Kellly Rajerison, nalaza tamin'ny gadona Rock sy ny Blues...
Ny "samirery" sy ny "samy irery" dia samy fampiasa, fa ity farany dia entina hanambarana tranga mitovy amin'ny olona tokana itovizana amin'ny maro, izay misy fampitahana. Ny voambolana "Afaka" sy ny "Azo" hampiasaina araka izao manarika izao, araka ny fihafaran'ny filaza madidy ny teny manaraka azy : Raha miafara amin'ny "A" dia hampiasaina ny "AFAKA", ohatra : Tonga - Tongava - afaka tonga ; raha miafara amin'ny "O" na "Y" dia "AZO" no fampiasa, ohatra : Atao - Ataovy- Azo atao. Voambolana mitovy ihany ny "TOA sy ny TOY" fa hampiasaina ny "TOA" rehefa miatomboka amin'ny "A" ny teny manaraka azy.
♦ Miantso ny kristiana rehetra eran-tany ny Papa François, amin'ny zoma 25 marsa 2022, mba hivavaka hanankinana amin'ny fo madion'i Maria ny ady eo amin'ny Rosiana sy Iokraina mba hitsahatra... ♦ Hivory maika rahampitso ireo rehetra voakasiky ny resaka fizahan-tany, hanatsarana ny zotra fizahan-tany ao amin'ny Parc Isalo... ♦ Nankasitraka ireo mpanjono tany Mahambo, namonjy ny SG miadidy ny zandarimariam-pirenena, ary nanondrotra galona ireo velon'aina, ny filoham-pirenena...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco