♦ Marobe ny basy tsy ara-dalàna mifamoivoy any anatin'ny fiaraha-monina any eto Madagasikara. Omena iray volana, nanomboka omaly, ireo izay manana izany, mba hanatitra azy ireny eny amin'ny biraon'ny mpitandro filaminana, tsy misy arakaraka... ♦ Litchis hatrany amin'ny 16 000 taonina no ho aondran'i Madagasikara any ivelany amin'ity taona ity. Misokatra ôfisialy anio ny fotoam-piotazana ho an'ny faritra atsinanana... ♦ Nomena vahana ao amin'ny volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2022 ny lafiny sôsialy, ary tsapa fa saika niakatra avokoa ny teti-bola natokana ho an'ny ministera tsirairay...
Maro ny endrika ahafahana maneho fitiavana. Ny endrika fahaefatry ny fanehoana fitiavana dia ny fanomezana. Mba hiainana ny tena fitiavana dia irina mba ho tanteraka izay "fanomezana" izay, amin'ny lafiny maro, eo amin'ny fianankaviana sy ny namana, ary indrindra eo amin'ny mpivady sy mpifankatia. Fandraharana "Mba ho vanona" iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
♦ Misy ny simenitra eto Madagasikara fa ny mpanararaotra no betsaka, ka tsy maintsy nanafatra simenitra ny fitondrana, hanamaivanana ny fahasahiranan'ny vahoaka, izay efa ao Toamasina... ♦ Hiakatra fampanoavana ny raharahan'ilay polisy namono lehilahy nitrotro zazakely, teny Miandrarivo Ambanidia, izay niteraka resabe tao amin'ny FB omaly... ♦ Maherin'ny 1 500 000 ireo ankizy latsaky ny 5 taona mamoy ny ainy isan-taona vokatry ny fahalotoan'ny tontolo iainana, raha ny tatitry ny OMS...
♦ Polisy nanao herisetra teny Ambanidia, ao Antananarivo Renivohitra. Nanameloka iny tranga iny ary nitaky ny hisian'ny fanadihadiana ny CNIDH... ♦ Ao anatin'ny fotoam-pahavaratra ny eto afovoan-tany. Handray fepetra momba ireo olona mipetra amin'ny faritra nametrahaha saina mena eny Manjakamiadana sy ny manodidina ny BNGRC...
♦ Ahiana indray ny hiakaran'ny tarehimarika momba ny valan'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Efa hatrany amin'ny 20 ireo tranga vaovao nanomboka ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nankasitrahan'ny holafitry ny Farmasiana eto Madagasikara ny nanemorana ny fandaniana ilay tolo-dalàna momba ny toeram-pivarotana fanafody, izay ahian'izy ireo hanome vahana ny fivarotana fanafody tsy ara-dalàna... ♦ Manaitra ny rehetra hisoroka dieny izao ireo loza mety hitranga mandritra ny fotoam-pahavaratra ny Sampana Mpamonjy Voina. Anisan'ireny ny tany mihotsaka sy hazo atahorana mianjera mandritra vanim-potoanan'ny orana izao...
Misy olana amin'ny fifandraisan'ny ray aman-dreny sy ny zanaka noho izy ireo avy amin'ny vanim-potoana samihafa. Ny 20 novambra no andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny ankizy ; Madagasikara dia isan'ireo nanao sonia sy nankatoa io zo io. Ny fampisitrahana io zon'ny ankizy io dia miainga amin'ny ankohonana, betsaka anefa ireo izay minia tsy halala izany zo izany. Diso ao amin'ny fampitahana ny zava-misy ankehitriny sy ny taloha ny ray aman-dreny, ary ankilany anefa dia tsy voatery hitovy ny zava-misy amin'ireo vanim-potoana roa ireo. Tokony hifandray sy hirindra ny fifampiresahana, ny fifampihainoana, fifankahazoana, fandanjalanjàna ny tranga rehetra...
♦ Niakatra fitsaràna ady heloka teny Anosy omaly ny raharaha hanenjehana an'i Rivo Nambinina, ilay mpiasan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka nahasahy namoaka vaovao momba ny tsy fetezan'ny fanomezana tsenambaro-panjakàna... ♦ Nampitsahatra ny asa fanaraha-maso ara-teknika ireo tetik'asan'ny filoham-pirenena ireo mpiasa eo anivon'ny LNTPB, tsy hijanona ny hetsika raha tsy miala ireo tale vitsivitsy takiana esorina... ♦ Mbola hitohy ny hafanàna midanika eto amintsika, raha ny vina voaray avy amin'ny Météo. Mety ho tafakatra 41°C ny maripàna ambony indrindra...
Nankahery ny vahoaka mba hahay hifampihaino sy hifanampy ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara, amin'ny hafatra vokatry ny fivoriam-be ara-potoana nataon'izy ireo ny 03 ka hatramin'ny 12 novambra 2021. Indro ny lahatsoratra feno momba izany, entin'i Mgr Gabriel Randrianantenaina, Evekan'i Tsiroanomandidy, Sekretera jeneralin'ny Fivondronam-ben'ny Eveka eto Madagasikara
♦ Hivoaka ny 29 novambra izao ny didim-pitsarana mahakasika ny raharaha nitorian'ny fanjakana an'i Ravo Nambinina Ramasomanana... ♦ Niroso tamin'ny fampitsaharana ny fanaraha-maso ny asa ara-teknika ireo tetik'asan'ny Filohan'ny Repoblika androany, ireo mpiasa eo anivon'ny LNTPB... ♦ Nitondra valin-kafatra ho an'ireo mpanao pôlitika nivory teny Anosy ny faran'ny herinandro teo, ny Governoran'Analamanga...
♦ Hanampy antsika amin'ny fampandrosoana ny fitoriana ny Vaovao Mahafaly ny fiainana amim-pitokiana ny Tenin'Andriamanitra sy ny fitanana ny finoana, hoy i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina... ♦ Nahatsiaro ireo rehetra nodimandry tao amin'ny fikambanana, ny fikambanan-drelijiozy Karma omaly... ♦ Nampahatsiahivin'ny Papa nandritra ny vavaky ny Angelus omaly, fa ny kristianina tsirairay dia voaantso hisehatra ho amin'ny mandrakizay...
♦ Atahorana indray ny firongatry ny Covid-19 eto amintsika na ny "3ème vague". Nisy tranga vaovao miisa 3 voamarina fa Coronavirus koa tany Antsirabe, miampy tranga mampiahiahy miisa 8, ankoatra ireo hita tany Morondava... ♦ Mitaky ny hampiakarana ny naotin'ny taranja fanatanjahan-tena ho "Coefficient 2" any amin'ny fanadinam-panjakàna ireo mpampianatra fanabeazana ara-batana any an-tsekoly... ♦ Voahosotra ho tompondaka eran-tany eo amin'ny fifaninanana tifitrany ekipam-pirenena malagasy eo amin'ny Tsipy Kanetibe, sokajy zandriny zazalahy. Mbola tompondaka lefitra koa isika teo amin'ny olon-telo miaraka...
♦ Miantso fandraisan'andraikitra haingana ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara mba tsy hiteraka fipoahana ara-tsosialy ireo olana etsy sy eroa, hafatra navoaka taorian'ny Fivoriana ara-potoana... ♦ Nofaranana omaly ny fanamarihana ny faha-60 taonan'ny Diôsezy Ambatondrazaka... ♦ Mitaky ny hanovàna ny kara-pifidianana ho "biométrique" ho an'ny fifidianana filoham-pirenena amin'ny 2023 ny Vondrona Panorama, fehin-kevitra tapaka tamin'ny famelabelaran-kevitra ny sabotsy teo...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco