♦ Mivory ao Sambava mandinika ny olana mampikatso ny sehatry ny lavanila amin'izao fotoana izao ny vondrona iarahan'ireo mpisehatra rehetra "GPAS"... ♦ Ny hevitry ny fiaraha-monim-pirenena manoloana ny fifidianana izay ho solontenany ao amin'ny CENI... ♦ Efa ho efatra taona no tsy nisitraka ny tambikaramany ireo mpampianatra mpikaroka efa nisotro ronono kanefa mbola manohy ny asa...
♦ Miroso miandalana any amin'ny fananganana fotodrafitr'asa manaraka ny fenitra iraisam-pirenena handraisana ny voafonja i Madagasikara, isan'izany ny etsy Imerintsiatosika... ♦ Rindrambaiko e-GP : Hampiarina manomboka amin'ny taona 2022 ny tsy fampiasàna atontataratasy amin'ny dingana arahina amin'ny tsena-baro-panjakàna... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hamoaka didy, hanafoana ny femerana ny vidiny lavanila any ivelany ny avy any amin'ny Faritra Sava sy Analanjirofo...
♦ Fonja voalohany manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny any Imerintsiatosika hoy ny Filohan'ny repoblika... ♦ Miantso ny fitondram-panjakàna hanafoana ny fameram-bidy amin'ny fivarotana lavanila any ivelany ireo fiaraha-monim-pirenena avy any amin'ny Faritra Sava sy Analanjirofo... ♦ Ny akon'ny dinika nitadiavam-bahaolana amin'ny seha-pitanterana ato amin'ny distrika Ambohidratrimo...
Tsy tokony ho tara ny ady atao amin'ny valala any amin'ny tapany atsimon'ny nosy mba tsy hitarika fahavoazana goavana amin'ny famokarana sakafo eto Madagasikara. Antso avo nataon'ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny Fambolena sy ny Sakafo na ny FAO tamin'ny 10 septambra 2021 teo...
♦ Nanazava ny tsara ho fantatra momba ny paik'adim-pirenena momba ny ady amin'ny kolikoly nohatsaraina, nandritra ny filan-kevitry ny ministra natao omaly teny Iavoloha ny Filohan'ny CSI Sahondra Rabenarivo... ♦ HItohy any amin'ny Faritra Menabe ny hetsika ataon'ny RMDM na teo aza ny sakana natao azy tao Antsirabe, tamin'ny herinandro lasa teo... ♦ Nanomboka androany ary haharitra efarana ny FIM...
Izay tsara fiomanana tsy ho tampohin'ny loza : fantaro ny vokatry ny fiovan'ny toetrandro eo amin'ny fahasalamana. Mihamafy ny voka-dratsin'ny fiovan'ny toetrandro amin'izao vanim-potoana iainantsika izao amin'ny lafiny ara-pahasalamana. Misy ireo fepetra noraisina tsara ho fantatry ny rehetra hitandrovana ny tontolo iainana sy hampihenana ny aretina sy ny fahavoazana ara-pahasalamana vokatra ny fahasimban'ny tontolo iainana.
Andriamanitra mihitsy no namaritra ny anaran'ny zanak'i Maria, araka ny voalaza hoe : " Jesoa no ataonao anarany". Mifono iraka ny anarana ary zava-dehibe izany, tahaka an'i "Jesoa" izay midika hoe "Mpamonjy". Ny ray no mamaritra ny anaran'ny zanany. Nanomboka tamin'ny andron'i Jesoa dia niandahy sy niambavy ny iraka ho famonjena. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramaanna Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nomarihana omaly, ny andro iraisam-pirenena ho an'ny demôkrasia. Ny fampiharana izany dia antoka ahatongavan'ny mpamatsy vola hoy Andrimatoa Maka Alphonse, CFM... ♦ Nomarihana omaly ny andro eran-tany hiadiana amin'ny fahasimban'ny sosona ôzôna, hiverina amin'ny laoniny ny izy io hatramin'ny taona 2050... ♦ Hita taratra ny fandrosoan'ny fandaharanasa momba ny fahasalamana antsoina hoe "ACCESS", araka ny tombana nataon'ireo tompon'andraikitra...
♦ Mbola samy manana ny fomba fandikany sy ny fampiharany ny antsoina hoe demôkrasia ireo mpanao pôlitika eto Madagasikara... ♦ Hiverina amin'ny laoniny hatramin'ny taona 2050 ny sosona ôzôna raha mitohy ny fampihenan'ireo firenena tsirairay ny ankora manimba io sosona io... ♦ Efa manomboka mihena ny trangana tsy fandriampahalemana any amin'ny Faritra Melaky...
Ny votoatin'ny iraka ho an'i Maria virijiny dia ny ho : "renin'i Mesia", zanaky ny Avo indrindra. Mila manana vina-piainana isika fa Andriamanitra dia manana ny fandaminana. Mila manana fikasana tsara ny olona fa am-piarahana amin'Andriamanitra. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Maika ny iraka hampanaovin'Andriamanitra antsika fa amin'ny maha iraka azy dia tsy misy tambiny, ohatra ny andraikitra eo amin'ny fiangonana. Misy lafiny afaka miaraka ny "antso sy ny asa" fa misy sehatra hafa tsy mampety izany. Ny asa sy ny antso dia samy tsy azo atao ambanin-javatra satria tsy maintsy mivelona isika. Katesizy momba ny fahaizana mihaino ny antso, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Nitory eny amin'ny Filan-kevi-panjakàna ireo vovonana sendikà eo anivon'ny Pôlisim-pirenena, manoloana ny famindran-toerana pôlisy hiasa tato ho ato, napetraka teny Anosy... ♦ Miahiahy ny fisian'ny "sinema" eo amin'ny mpitondra sy ny mpanohitra ny antoko FTPM, amin'ny fitantanana ny firenena. Tsy hiandany amin'ireo ankolafi-kery ireo ity antoko ity... ♦ Hisokatra anio ny taom-panondranana Lavanila any ivelany ho an'ny eto Madagasikara. Tombanana haherin'ny 2 000 taonina ny lavanila haondrana...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco