Talata 25 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 28-31
Alatsinainy 24 mey 2021 — Masina Maria Renin'ny Eglizy, Masina Maria Vonjin'ny Kristianina — Ny Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika no nampihiratra ny masom-panahintsika mba hahalalantsika ny fanantenana izay niantsoana antsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 17-27
Alahady 23 mey 2021 — Ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy i Masina Maria — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26-27 ; 16, 12-15
♦ Arahanao amin'izao vaovao izao ny fanazavana avy amin'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka, manoloana ny fahafatesan'ny mpitsabo iray niasa tao amin'ny CHU Tambohobe Fianarantsoa... ♦ Hampitomboina ny vola natokana ho an'ny lafiny sôsialy ao anatin'ny tetibola nasiam-panitsiana sy ny teti-bola lasitra ho an'ny taona 2022, hoy ny Minisitry ny vola...
Tamin’izany andro izany, dia niainga i Maria ka nandeha haingana ho any amin’ny tany be tendrombohitra, ho any an-tanàna anankiray any Jodà, ary niditra tao an-tranon’i Zakaria ka niarahaba an’i Elizabeta. Nony vao ren’i Elizabeta ny fiarahaban’i Maria azy, dia nientana ny zaza tao an-kibony, ary feno ny Fanahy Masina i Elizabeta, ka nanandra-peo niantso mafy hoe: "Nosoavina noho ny vehivavy rehetra ianao, ary nosoavina ny hateraky ny kibonao. Ary avy aiza amiko izao no mba vangian’ny renin’ny Tompoko aho? Fa indro raha vao ren’ny sofiko ny feonao niarahaba ahy, dia nientan-kafaliana ny zaza tato an-kiboko. Ary sambatra ilay nino fa ho tanteraka izay nampilazain’ny Tompo taminy!" Ary hoy i Maria: "Mankalaza ny Tompo ny fanahiko, ary faly sy ravo amin’Andriamanitra Mpamonjy ahy ny foko, fa notsinjoviny ny fiambanian’ny ankizivaviny. Fa indro, hatramin’izao, dia hataon’ny taranaka rehetra hoe sambatra aho, satria efa nanao zavatra lehibe tamiko Ilay Mahefa. Ary masina ny Anarany sady amin’izay matahotra Azy hatramin’ny taranaka fara mandimby ny famindram-pony. Nahefa asa mahery tamin’ny sandriny Izy: dia nampihahafiny izay niavonavona tamin’ny fisainan’ny fony; naongany hiala tamin’ny fiketrahany ny mpifehy, fa ny ambany kosa nasandrany; ary ny noana novokisany soa, fa ny mpanan-karena kosa, nampodîny mitondra tanam-polo. Niahy an’i Israely mpanompony Izy, fa tsy hadinony ny famindram-pony tamin’i Abrahama sy ny taranany mandrakizay, araka ny efa voalazany tamin’ny razantsika."
Nitoetra tokony ho telo volana tao amin’i Elizabeta i Maria vao nody tany an-tranony.
Tamin’izany andro izany, niaraka nankany Galilea ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany. Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy. Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe: "Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany; koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra, manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina; ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao".
Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Jerosalema indray i Jesoa sy ny mpianany. Ary raha niasa dia teo anatin’ny Tempoly i Jesoa, dia nanatona Azy ny lohandohan’ny mpisorona sy ny mpanora-dalàna ary ny loholona, ka nilaza taminy hoe: "Fahefana avy aiza no anaovanao izao zavatra izao? Ary iza no nanome fahefana Anao hanao izany?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Mba hanontaniako zavatra iray loha koa àry ianareo, ka raha voavalinareo, dia holazaiko aminareo izay fahefana anaovako izao. Avy aiza ny batemin’i Joany, avy any an-danitra sa avy amin’ny olona? Valio Aho." Dia nieritreritra izy ireo ka nanao hoe: "Raha valiantsika hoe avy any an-danitra manko, dia hataony hoe: Nahoana àry no tsy ninoanareo? Ary raha ataontsika hoe avy amin’ny olona kosa, ny vahoaka indray no atahorantsika; fa ataon’izy rehetra ho mpaminany marina tokoa i Joany." Dia izao no navaliny an’i Jesoa: "Tsy fantatray." Ary hoy kosa i Jesoa: "Izaho koa, tsy hilaza aminareo izay fahefana anaovako izao."
Nahomby ny tetik'asa fiaraha-miasa eo amin'ny Tatsimo samy Tatsimo nampiharina teto Madagasikara nandritra ny 2 taona nanomboka tamin'ny taona 2019. Tetik'asa niarahan'ny Fitondram-panjakàna Malagasy tamin'ny alalan'ny Ministeran'ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono, ny Repoblika Entim-bahoakan'i Sina ary ny FAO na ny Sampan-draharahan'ny Firenena Mikambana misahana ny sakafo sy ny fambolena izay nanao ny tantsoroka ara-teknika...
♦ Nolaniana nandritra ny filan-kevitry ny ministra notanterahina omaly ny volavolan-dalàna manova ny andininy vitsivitsy ao amin'ny lalàna momba ny fidiram-bola ho an'ireo vondrombahoaka itsinjaram-pahefana... ♦ Hitondra ainga vao amin'ny fampianarana ho an'ny oniversite-panjakàna eto Madagasikara ny fahalanian'ny volavolan-dalàna miisa roa, eny amin'ny Senat... ♦ Nasehon'ny Zandary ireo olona miisa 16 mianadahy, nosamborina taorian'ny nahatrarana an'i Del kely...
Mamono ny valanaretina Covid-19 fa tsy tokony adinoina fa misy aretina hafa maro mety mamono raha tsy mitandrina isika. Maro ny olona maty sy mararin'ny covid-19 ary mandray ny fepetra azo atao isika mba ho foana io valanaretina io. Tsy tokony adinointsika anefa fa mbola maro koa ireo aretina hafa mety hahafaty ka mila ny fifanabeazana sy ny fitandreman'ny rehetra...
♦ Mbola manjavozavo ny ho fizotry ny fifidianana kaominaly ho an'ireo Kaominina mbola tsy nahavita izany. Mbola misy 20 ny olana ara-pifidianana Kaominaly hokirakirain'ny filankevi-panjakàna... ♦ Manohitra ny fametrahana Ben'ny Tanàna vaovao ny vahoaka ao amin'ny Kaominina ambonivohitr i Tsihombe... ♦ Manohitra ny fameran'ny fanjakàna ny vidin'ny lavanila ny mpandraharaha misehatra amin'izany...
♦ Mbola tsy voafaritra na ny lisi-pifidianana nofaranana ny 15 mey teo, na ny lisi-pifidianana teo aloha no hampiasaina amin'ireo fifidianana kaominaly haverina sy ireo kaominina mboa tsy nahavita izany, araka ny nambaran'ny Filoha lefitry ny CENI avy eto amin'ny Faritanin'Antananarivo... ♦ Tsy marina ny vaovao navoakan'ny France 24 izay milaza fa nahatratra telopolo ireo olona matin'ny kere any amin'ny Faritra Androy, hoy ny Governora Soja Lahimaro...
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco