Manentana ny kristianina rehetra maneran-tany ny Papa François amin'ity volana mey ity hanandratra vavaka miaraka amin'i Masina Maria, mba hitsahatra ny valanaretina Covid-19. Izao fitsapana izao no hanehoantsika ny finoantsika tsy azo hozongozonina

♦ Maherin'ny 400 ireo mararin'ny Covid-19 no sitrana soa amantsara ny talata faha-4 ny volana mey, raha toa ka 120 mahery ny isan'ny tranga vaovao tamin'ny fitiliana 400 mahery. Miisa valo ireo lavon'ny aretina... ♦ Niverina an-tsekoly androany ny mpianatra hiatrika ny fanadinam-panjakana ho an'ny CISCO Antananarivo Renivohitra. Lehiben'ny CISCO telo tamin'ny Faritra Anosy kosa no nesorina ary nosoloina vaovao...

♦ Daozim-bakisiny Covid-19 CoviShield miisa 250000 no ho tonga eto Madagasikara amin'ny  zoma ho avy izao. Andiany voalohany ihany ireo fa mbola ho avy ireo vakisiny hafa nafarana... ♦ Nahazo fotodrafitr'asa, toeram-pivarotana goavana ny any Fianarantsoa. Nitokana izany tany an-toerana, ny antoandro teo ny Filoham-pirenena...

♦ Ankoatra ny fampitaovana ny Clinique Ave Maria an-dry Masera, tao Antsirabe, sy ny fanomezana fanafody izay samy hitsaboana ny valanaretina Covid-19, dia nahazo tambikarama avy amin'ny Filoham-pirenena ihany koa ireo mpiasa rehetra misahana ity aretina ity tao amin-dry Masera... ♦ Nandritra ny fanokafana ny fivorian'ny parlemantera omaly, tokony hifanome tanana amin'ny fiatrehana ny Covid-19 ny rehetra fa tsy hikotrika fanakorontanana, hoy ny Filohan'ny Antenimieram-pirenena...

♦ Tanora miisa 133 no voafantina, nahazo tany maimaim-poana avy amin'ny fitondram-panjakana, tany Vakinankaratra. Natomboky ny Filoha Andry Rajoelina tany Andranomanelatra androany ny fanomezana ny "titre"... ♦ Nanomboka tamin'ny fomba ôfisialy androany ny fivoriana ara-potoanan'ny Solombavambahoaka sy ireo Loholon'i Madagasikara. Tamin'ny alalan'ny "visioconférence" no nanaovana izany ho an'ny Antenimieram-pirenena. Nivantana kosa izany ho an'ny Antenimieran-doholona...

Rehefa miresaka ny hoe toe-tsaina fototra entina miatrika ny fiainana dia matetika izay mahakasika ny tena manokana hatrany no tonga ao an-tsaina. Tsy azo lazaina ho mivelatra tanteraka anefa ny olona iray, na atao hoe mahomby amin'ny lafiny rehetra aza, nefa manana disadisa eo amin'ny fiaraha-monina. Mitaky finiavana sy fandavan-tena lehibe, noho izany, ny ezaka hahazo ny hafa, izay tsy maintsy fantarina amin'ireo lafiny dimy maha olona. Dingana voalohany amin'izany ezaka izany ny fifehezan-tena tsy hitsaratsara foana.

Tamin’izany andro izany, nony nitodika i Piera, dia hitany teo aoriany ilay mpianatra malalan’i Jesoa izay niankina tamin’ny tratrany teo am-pisakafoana sy nanao hoe: "Tompoko, iza no hamadika Anao?" Ary nony nahita azy i Piera dia hoy izy tamin’i Jesoa: "Tompoko, mba inona kosa no ho anjaran’itý?" Dia hoy i Jesoa taminy: "Raha tiako hitoetra izy mandrapiaviko, mampaninona anao izany? Fa manaraha Ahy ianao." Dia niely tamin’ny rahalahy fa hoe tsy ho faty izany mpianatra izany; nefa i Jesoa tsy nilaza hoe tsy ho faty izy, fa hoe: Raha tiako hitoetra izy mandra-piaviko, mampaninona anao izany? Izy no ilay mpianatra manambara izany sy nanoratra azy, ary fantatsika fa marina ny filazany. Maro koa ny zavatra hafa nataon’i Jesoa, ka raha izany rehetra izany no hosoratana tsirairay, dia ataoko fa na izao tontolo izao aza tsy ho omby ny boky hosoratana.

Tamin’izany andro izany, nony avy nisakafo niaraka tamin’ny mpianany i Jesoa, dia nanao tamin’i Simôna Piera hoe: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy mihoatra noho ireto va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanindroany: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Ka hoy ny navaliny Azy: "Eny, Tompoko, fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano ny zanak’ondriko." Ary hoy indray Izy taminy fanintelony: "Ry Simôna zanak’i Joany, moa tia Ahy va ianao?" Dia nalahelo i Piera fa nanontaniany fanintelony hoe: Moa tia Ahy va ianao? ka hoy izy taminy: "Ianao mahalala ny zavatra rehetra, Tompoko, ka fantatrao fa tiako Ianao." Dia hoy Izy taminy: "Fahano àry ny reniondriko. Lazaiko marina dia marina aminao: Fony mbola tanora ianao dia nahasikin-tena, sy nandeha tamin’izay tianao haleha; fa rahefa antitra kosa ianao, dia hiraviravy ny tananao, ka olon-kafa no hanasikina anao, sy hitondra anao amin’izay tsy tianao."

Izy no nilaza izany dia mba hanambara ny fombam-pahafatesana hanomezan’i Piera voninahitra an’Andriamanitra. Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nanao taminy hoe: "Manaraha Ahy."

Tamin’izany andro izany, niandrandra ny lanitra i Jesoa, ka nivavaka hoe: "Tsy ho azy ireto ihany no angatahiko, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray, ato amiko, ary Izaho ao Aminao, ary mba hiray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy tahaka ny maha-iray antsika: Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy. Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomena Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niandrandra ny lanitra ka nivavaka nanao hoe: "Raiko ô, tonga ny fotoana: omeo voninahitra ny Zanakao, mba hanomezan’ny Zanaka voninahitra Anao, fa efa nomenao fahefana amin’ny nofo rehetra Izy, mba hanomezany ny fiainana mandrakizay an’izay rehetra nomenao Azy. Ary izao no fiainana mandrakizay, dia ny mahalala Anao hany Andriamanitra marina sy i Jesoa Kristy izay nirahinao. Nanome voninahitra Anao Aho tetý ambonin’ny tany, fa tanterako ny asa nomenao Ahy hataoko. Ary ankehitriny kosa dia Anao, Raiko ô, ny manome voninahitra Ahy eo aminao, dia ny voninahitra ananako tao aminao talohan’ny nahariana izao tontolo izao. Nitory ny Anaranao tamin’ny olona nomenao Ahy eo amin’izao tontolo izao Aho; Anao izy ireo, ka nomenao Ahy, ary efa nitandrina ny teninao izy. Fantany ankehitriny fa avy aminao ny zavatra rehetra nomenao Ahy; satria nomeko azy ny teny nomenao Ahy ka noraisiny; dia fantany marina fa avy aminao Aho, ary ninoany tokoa fa Ianao no naniraka Ahy. Mangataka ho azy ireo Aho. Tsy mangataka ho an’izao tontolo izao Aho, fa ho an’izay nomenao Ahy, satria Anao izy ireo (fa Anao izay Ahy rehetra), ary nahazo voninahitra amin’izy ireo Aho. Tsy ho eto amin’izao tontolo izao intsony Aho, izy ireo no ho eto amin’izao tontolo izao, fa Izaho kosa ho any aminao."

Tamin’izany andro izany, ny mpianatr’i Jesoa nanao taminy hoe: "Indro milaza tsotra Ianao ankehitriny, fa tsy manao fanoharana akory. Fantatray amin’izao fa mahalala ny zavatra rehetra Ianao, ka tsy mila hanontanian’olona: izany no inoanay fa avy amin’Andriamanitra Ianao." I Jesoa namaly azy hoe: "Mino ange ianareo ankehitriny? Indro avy ny andro, na efa tonga sahady aza, izay hielezanareo samy ho any amin’izay halehany avy, sy handaozanareo Ahy ho irery; nefa tsy irery Aho tsy akory, fa ato amiko ny Ray. Izaho no nilaza izany taminareo, dia ny mba hanananareo fiadanana amiko. Hozoim-pahoriana ianareo eto amin’izao tontolo izao; fa matokia, efa nandresy an’izao tontolo izao Aho."

Tamin’izany andro izany dia niandrandra ny lanitra i Jesoa ka nivavaka hoe: "Ray masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao izay nomenao Ahy, mba ho iray tahaka Antsika izy. Raha mbola teo amin’izy ireo Aho, dia nitahiry azy tamin’ny Anaranao. Eny, nitahiry izay nomenao Ahy Aho, ka tsy nisy very izy na dia iray aza, afa-tsy ilay zanaky ny fahaverezana, mba ho tanteraka ny Soratra Masina. Ankehitriny mankany aminao Aho, ka manao izany fangatahana izany dieny mbola amin’izao tontolo izao, mba hananan’izy ireo ny fifaliako tanteraka ao aminy. Nomeko azy ny teninao, ka halan’izao tontolo izao izy ireo, satria tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy mahaolon’izao tontolo izao azy koa. Tsy ny hanesoranao azy amin’izao tontolo izao no angatahiko, fa ny hiarovanao azy amin’ny Ratsy. Tahaka ny tsy maha-olon’izao tontolo izao Ahy no tsy maha-olon’izao tontolo izao azy ireo koa. Ankamasino amin’ny fahamarinana izy ireo. Ny teninao no fahamarinana. Tahaka ny nanirahanao Ahy ho ao amin’izao tontolo izao no nanirahako azy ho ao amin’izao tontolo izao koa. Manamasina ny tenako ho azy ireo Aho, mba hohamasinina amin’ny fahamarinana koa izy".

[Miara-dàlana] Zoma 9 mey 2025

• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...