Nisy fiantraikany tamin'ny sehatra maro ny krizy ara-pahasalamana indrindra tamin'ny fiarovana ny tontolo iainana. Tamin"ny faha-12 marsa 2021 no naseho tao amin'ny Canal olympia ny horonantsary mampiseho an'ilay varika vaovao dia ny varika TSIDY na TSITSIDY. Io horonantsary io dia manentana ny olona amin'ny fiarovana ny varika. Ny omby dia biby tsy avy eto Madagasikara fa noentina avy any ivelany 3000 taona lasa izay fa ny varika dia biby tena avy eto an-toerana ary efa ho 50.000.000 taona no nisiany...
♦ Tsy azo ialàna ny fandraisana fepetra toy ny fiverenana amin'ny fihibohana raha toa ka tsy mampihatra ireo fepetra sakana ny rehetra, hoy ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Efa nanome ny Elefanta saingy tsy nambinina ny Barea tamin'ny fiadiana ny tapakila ho an'ny amin'ny Can 2022... ♦ Naverina eny Antanimora miandry ny didim-pitsarana amin'ny 6 Aprily izao ireo olona telo voatazona amponja vonjimaika noho ilay fitrandrahana fasika ao Faravohitra-Ambatofahavalo...
♦ Baolina kitra : nirava ady sahala, samy tsy nisy nitoko tany Toamasina ny Barean'i Magasikara sy Niger. Tsy tafakatra handray anjara amin'ny CAN 2022, hatao any Cameroun, i Madagasikara... ♦ Mihamahery vaika ny valan'aretina Covid-19, ka nanentana ny Malagasy hanamafy hatrany ny fitandremana ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, na ny FFKM...
Rahefa nitsangan-ko velona i Jesoa, ny marainakoan’ny andro voalohany amin’ny heninandro, dia i Maria Madelenina, ilay namoahany demony fito, no nisehoany voalohany. Ka lasa io nilaza izany tamin’ireo mpanaraka Azy, izay mbola nalahelo sy nitomany. Nefa nony nandre izy ireo, fa hoe velona indray Izy ka efa hitan-dravehivavy, dia tsy nino izany izy. Manaraka izany, i Jesoa dia niseho tamin’ny endrika hafa tamin’ny roa lahy amin’izy ireo, izay nankany an-tsaha. Dia lasa ireo nilaza tamin’ny namany; fa tsy ninoany koa. Tamin’ny farany dia ny tenan’izy iraika ambin’ny folo lahy no nisehoany teo am-pihinanana indrindra, ka nomeny tsiny noho ny tsy finoany sy ny hamafin’ny fony, satria tsy nino izay nahita Azy tafatsangan-ko velona izy ireo. Ary hoy Izy taminy: "Mandehana ianareo amin’izao tontolo izao, mitoria ny Evanjely amin’ny voaary rehetra."
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niseho tamin’ny mpianany indray teo amoron-dranomasin’i Tiberiady ary toy izao no nisehoany: Tafaraka i Simôna Piera sy i Tômà izay natao hoe Didimo, ary i Natanaely izay avy tany Kanàn’i Galilea, mbamin’ireo zanak’i Zebede sy mpianatra roa lahy hafa koa. Fa hoy i Simôna Pièra tamin’izy ireo: "Handeha hanarato aho." Fa hoy ireo taminy: "Handeha hiaraka aminao koa izahay." Dia nandeha izy rehetra ka niditra tao an-tsambo kely, nefa tsy nahazo na inona na inona izy tamin’iny alina iny. Nony maraina ny andro, dia tonga teo amoron-drano i Jesoa; kanefa tsy fantatry ny mpianatra hoe i Jesoa Izy. Ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Manan-kanina va ianareo, anaka?" Dia hoy ny navaliny Azy: "Tsia." Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Alatsaho ao ankavanan’ny sambo kely àry ny haratonareo, fa hahazo ianareo." Dia nalatsany ny harato ka tsy zakany nakarina noho ny habetsahan’ny hazandrano. Ary hoy ilay mpianatra malalan’i Jesoa tamin’i Piera: "Ny Tompo io." Nony ren’i Simôna Piera fa hoe ny Tompo io, dia noraisiny sy nisikinany ny akanjony ivelany fa efa nesoriny ka nirotsaka tamin’ny ranomasina izy. Ny mpianatra sasany kosa nandeha an-tsambo kely (fa tsy lavitra ny tany izy, fa tokony ho roanjato hakiho monja), nitarika ny harato feno hazandrano.
Nony tafakatra teo an-tanety izy ireo, dia nahita vainafo sy hazandrano iray eo amboniny ary mofo. Ary hoy i Jesoa taminy: "Itondray ny hazandrano vao azonareo." Dia niakatra i Simôna Piera, ka nitarika ny harato feno hazandrano vaventy telo amby dimampolo amby zato; nefa tsy rovitra ny harato na dia betsaka toy izany aza izy. Dia hoy i Jesoa tamin’izy ireo: "Avia hisakafo." Ny mpianatra izany tsy nisy na dia iray aza, sahy nanontany Azy hoe: Iza moa Ianao? satria fantany ihany fa ny Tompo io. Dia nanatona i Jesoa, nandray ny mofo, sy nanome azy ireo; ary toy izany koa ny hazandrano. Izay no fanintelony nisehoan’i Jesoa tamin’ny mpianany, rahefa nitsangan-ko velona Izy.
Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany." Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: "Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no mihanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy itý: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao." Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary raha ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: "Moa manan-kanina eto va ianareo?" Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: "Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo." Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: "Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany."
Tamin’izany andro izany, nijanona nitomany teo ivelan’ny fasana i Maria. Ary teo am-pitomaniana, dia nitanondrika nitsirika ny tao anaty fasana izy ka nahita Anjely roa niakanjo fotsy, nipetraka tao amin’izay nipetrahan’ny Vatan’i Jesoa, ny iray teo an-doha ary ny iray teo an-tongotra. Dia hoy izy ireo taminy: "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao?" Ka hoy izy namaly ireo: "Satria nalain’olona ny Tompoko, ka tsy fantatro izay nametrahany Azy." Nony avy nilaza izany izy dia nitodika, ka nahita an’i Jesoa nitsangana teo, nefa tsy fantany hoe i Jesoa io. Ary hoy i Jesoa taminy: "Ravehivavy, nahoana no mitomany ianao? Iza no tadiavinao?" Nataony ho mpiandry saha io, ka hoy izy taminy: "Raha ianao re no naka Azy, Tompoko, mba atoroy ahy kely izay nametrahanao Azy, hangalako Azy." Dia hoy i Jesoa taminy: "Ry Maria!" Dia nitodika izy ka nanao taminy hoe: "Rabony" (izany hoe Mpamianatra). Ary hoy i Jesoa taminy: "Aza mikasika Ahy, fa mbola tsy niakatra tany amin’ny Ray Aho, fa mandehana mankany amin’ny rahalahiko, ka lazao aminy hoe: "Miakatra ho any amin’ny Raiko sy ny Rainareo Aho, ary any amin’Andriamanitro sy Andriamanitrareo." Dia lasa i Maria Madelena ka nilaza tamin’ny mpianatra hoe: "Efa nahita ny Tompo aho, ary izany no nolazainy tamiko."
Tamin’ny marainan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, nony efa nahita ny Anjelin’ny Tompo i Maria Madelena sy ilay Maria anankiray, dia niala faingana teo amin’ny fasana, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra. Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: "Arahaba." Dia nanatona Azy izy ka namihina ny tongony sy niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesoa taminy: "Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy." Mbola teny an-dalana izy ireo, dia indreny ny mpiambina sasany nankany an-tanàna, ka nilaza tamin’ny lohandohan’ny mpisorona ny zavatra rehetra vao niseho. Dia novorîn’ireo ny loholona ka rahefa niara-nidinika teo izy, dia nanome vola be ny miaramila, ary nilaza taminy hoe: "Aelezo amin’ny olona fa tonga halina ny mpianatra nangalatra Azy raha mbola natory izahay hoe; ary raha sendra ren’ny governora izany, dia izahay no hanony azy tsy haninona anareo." Dia nandray ny vola ny miaramila, ka nanao araka ny teny nomeny azy. Ary izany teny naelin’izy ireo izany no mbola inoan’ny Jody mandraka androany.
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro ihany dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema. Niresaka ny zava-niseho rehetra izy ireo. Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy; fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo. Hoy Izy taminy: "Inona izato resahinareo ety an-dalana, no toa dia efa malahelo ery ianareo izany?" Dia namaly ny anankiray atao hoe Kleôfasy ka nanao taminy hoe: "Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?" Fa hoy Izy tamin’ireo: "Zavatra inona moa izany?" Dia hoy ireo: "Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny, teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty, mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Nanantena izahay fa hoe Izy no Ilay hanavotra an’i Israely: kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany.
Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana maraina koa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy. Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita Azy". Ary hoy Izy tamin’izy ireo: "Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny Mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny?" Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny Mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina. Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa fa notanan’izy ireo nataony hoe: "Mitoera re aty aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro".
Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. Ary rehefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakîny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony. Dia nifampilaza izy hoe: "Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika, fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika!" Niaraka tamin’izay dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory sady nilaza hoe: "Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy". Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.
Tamin’ny alin’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia lasa nitsirika ny fasana, i Maria Madelenina sy ilay Maria anankiray. Ary indro nisy horohoron-tany mafy. Fa nisy Anjelin’ny Tompo anankiray nidina avy tany an-danitra tonga teo, nanakodia ny vato dia nipetraka teo amboniny. Namirapiratra tahaka ny helatra ny tarehiny, ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany. Ankona ny mpiambina nony nahita izany, ka nanjary tahaka ny maty. Dia niteny tamin’ireo vehivavy ny Anjely nanao hoe: "Aza matahotra ianareo; fantatro fa mitady an’i Jesoa Izay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo. Tsy ato Izy, fa efa nitsangana araka izay nolazainy. Avia ka jereo, fa teo no toerana nametrahana ny Tompo. Mandehana haingana milaza amin’ny mpianany fa efa nitsangana avy any amin’ny maty Izy; ary indro hialoha anareo any Galilea izy, any no hahitanareo Azy; izany àry, fa efa nilazako ianareo izay".
Dia niala faingana tamin’ny fasana izy ireo, sady natahotra no faly indrindra, lasa nihazakazaka hilaza amin’ny mpianatra. Ary indro i Jesoa niseho taminy nanao hoe: "Arahaba". Dia nanatona Azy izy, ka namihina ny tongony sy niankohoka teo anatrehany. Dia hoy i Jesoa taminy: "Aza matahotra, fa mandehana asaovy mankany Galilea ny rahalahiko, fa any no hahitany Ahy".
Tamin’ny andro voalohan’ny herinandro, dia lasa maraina koa mbola maizina nankany amin’ny fasana i Madelenina, ka nahita fa voaesotra tamin’ny fasana ny vato.
Dia lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Simôna Piera sy ilay mpianatra malalan’i Jesoa, ka nanao tamin’ireo hoe: "Nalain’olona tao am-pasana ny Tompo, ka tsy fantatray izay nametrahany Azy". Dia mba lasa koa i Piera sy ilay mpianatra anankiray nankany amin’ny fasana, ka niara-nihazakazaka izy roa lahy, saingy nandeha faingampaingana kokoa ilay mpianatra anankiray, ka tonga talohan’i Piera tao amin’ny fasana. Dia niondrika izy ka nahita ny lamba nipetraka teo, nefa tsy niditra. Nony tonga kosa i Piera nanarakaraka azy, dia niditra tao am-pasana ka nahita ny lamba nipetraka teo, sy ny lamba nasarona ny lohany, tsy niara-nipetraka tamin’ny lamba fa nivalona nitokana tery. Dia niditra koa ilay mpianatra izay tonga taloha teo amin’ny fasana, ary nahita ka nino. Fa tsy mbola fantatr’izy ireo ny Soratra Masina milaza fa tsy maintsy hitsangan-ko velona i Jesoa.
Rehefa afaka ny Sabata, dia nividy zava-manitra i Maria Madelenina sy i Maria renin’i Jakôba, ary Salôme, mba handeha hanosotra ny Vatan’i Jesoa. Nony marainakoan’ny andro voalohany amin’ny herinandro, dia nandeha izy, ka tonga teo amin’ny fasana, ilay vao miposaka iny ny masoandro. Ary izy nifampilaza hoe: "Iza re no hasaintsika manakodia ny vato amin’ny varavaram-pasana e?" Kanjo nony nitraka izy, dia tazany ny vato, fa lehibe dia lehibe, ka indro efa voakodia izy. Nony niditra tao am-pasana izy, dia nahita tovolahy iray niakanjo fotsy nipetraka teo ankavanam-pasana, ka taitra. Fa hoy ilay zatovo taminy: "Aza matahotra ianareo; mitady an’i Jesoa Nazareanina ilay nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana ianareo; efa nitsangan-ko velona Izy, ka tsy eto; teo no nametrahany Azy. Fa mandehana lazao amin’ny mpianany sy amin’i Piera fa hialoha anareo any Galilea Izy, ka any no hahitanareo Azy, araka ny efa voalazany taminareo".
Dia nivoaka ny fasana izy ireo, ka nandositra, fa sady toran-kovitra no raiki-tahotra, ary tsy nilaza na inona na inona tamin’ny olona izy noho ny tahony.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco