Modely ho antsika rehetra i Masindahy Josefa amin'ny fahamarinany sy ny fahanginany. Lehilahy marina izy noho izy tsy nivadika tamin'i Maria. Tsy hay tohaina ny fitiavany an'i Maria. Tsy te hanala baraka ny vadiny izy ary noraisiny tsy am-pisalasalana ny iraka nankininan'Andriamanitra taminy.
♦ Namoaka fanambaràna ny kaominina Antananarivo, momba ny fikasàna hanova ny eny Behoririka ho "china town malagasy" na tanan-dehiben'ny sinoa, toy ny any am-pita... ♦ Hahazo vola 300.000Ariary, noho ny krizy ara-pahasalamana ireo mpampianatra Fram tsy mandray fanampiana avy amin'ny fanjakàna. Ho avy tsy ho ela koa ilay "aide spéciale", hoy ny ministry ny fanabeazam-pirenena... ♦ Filoha frantsay teo aloha : Tsy voatery any am-ponja no hanefany ny saziny fa any amin'ny trano fonenany ihany...
Omeo lanja hatrany izay efa manandanja aminao hatramin'izay. Mila manontany tena isika. Raha te ho vahaolana dia ilaina ny mametraka ny zavatra rehetra amin'ny toerany sahaza azy araka ny lanjany. Matetika isika dia very amin'ny hamehana ary manadino ny manandanja. Raha ny fahamaikana no hatao fiainana dia tsy ho tafita isika...
♦ Nitondra fanazavàna momba ny toerana eny Soamandrakizay omaly ny fiangonana katolika, manoloana ny hisian'ny hetsika politika eny amin'iny faritra iny... ♦ Miantso ny hanangànana governemanta vaovao ho an'ny amin'ny fanovàna ny antoko MFM, ho famahàna ny olana eto amin'ny firenena... ♦ Hahazo torolalana nomerika amin'ny alalan'ny fampiasàna tablette ny kôlejy sy ny lisea amin'ny faritra manerana ny nosy. Tanora 50.000 isa no kendrena hisitraka izany...
♦ Arahanao ato amin'izao vaovao izao ny fanazava'ny Fiangonana Katôlika manoloana ny fivoizana amin'ny hisian'ny hetsika eny Soamandrakizay... ♦ Tolo-kevitry ny antoko MFM amin'izao raharaham-pirenana izao ny fananganana governemanta manana fahefana feno ary hanatanteraka andraikitra mazava... ♦ Mbola tsy mihevitra ny hanakatona sekoly any amin'ireo toerana ahitana trangana Coronavirus kosa ny Ministeran'ny Fanabeazam-pirenena...
♦ Miverina tsikelikely amin'ny laoniny ny fiainana andavanandron'ny mponina ao Toliara taorian'ny zava-nitranga tamin'ny herinandro. Tsy maintsy voaloa ny vatsim-pianarana... ♦ Manameloka ny herisetra atao amin'ny mpiasan'ny fahasalamana ny eo anivon'ny ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Voavaha ankehitriny ny olana momba ny fambolem-bary tsy nahafahana nampiakatra araka ny tokony ho izy ny vokatra ho an'ny ety anivon-tany noho ny tsy fahampian'ny phosphor...
♦ Manaiky ny handoavana ny vatsim-pianaran'ny mpianatra eny enivon'ny oniversite manerana ny nosy ny fitondram-panjakàna. Nampitsahatra ny fitakiana nataony ny mpianatra tany Toliara... ♦ Namboly hazo teny amin'ny kaominina Ambalavao ny faran'ny herinandro teo ny teo anivon'ny Ministeran'ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy... ♦ Nilamina ny teto an-drenivohitra ny sabotsy teo, tsy tonga teny Ambohijatovo ny RMDM...
Rehefa miakatra be ny fatran'ny siramamy ao anatin'ny ra dia ny lalan-dra no mizaka azy voalohany. Ny lalan-dra madinika no tena voakasika indrindra, ohatra ny amin'ny maso izay mety hitarika areti-maso, katarakta ary mety ahajamba mihitsy aza. Raha ny amin'ny retsika kosa no hiantefan'ilay diabeta dia lasa tsy mandre intsony. Maro ny aretina mety ho vokatry ny diabeta : aretin'ny voa, tosi-dra...
♦ Nolavin'ny prefen'Antananarivo ny fangatahan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijatovo anio... ♦ Varavarana iray fivoahana sy fidiran'ny olona an-tsokosoko ary famoahana an-tsokosoko ny harem-pirenena ny ranomasina ka tsy maintsy averina ny hasin'ny tafika an-dranomasina malagasy... ♦ Nafindra ary notanana any amin'ny fonja miafina ilay lehiben'ny mpanohitra russe Alexeï Navalny...
♦ Nolavin'ny Prefen'Antananarivo ny fikasan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijato rahampitso sabotsy tontolo andro... ♦ Handray fepetra, ary nilaza androany ny EMMONAT fa tsy matahotra ny hisambotra na iza na iza manoloana ny fikasana hamory vahoaka amin'ny toerana tsy nahazoana alalana...
Sabotsy 6 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32
Zoma 5 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco