08 ôktôbra — Teraka tao Antioche tamin'ny taona 430, ary nantsoina hoe Marguerite i Pélagie. Niasa tamin'ny tarika mpilalao andapihazo izy. Nodimandry tao Jerosalema izy ny taona 457. Ny toriteny nataon'i Nonnus, eveka tao Edesse tamin'ny taona 453 no nampiova sy nampibebaka azy, ka nahatonga azy nihataka tany an-tendombohitr'i Oliva, nanao asa fibebahana mandram-pahafatiny.
Ny fiatraikan'ny fifandraisan' ny hafa eo amin' ny tena manokana. (07-10-2020)
07 ôktôbra — Efa hatramin'ny taona 1547 no nankalazaina tany Espagne ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Raozery isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana aprily. Ny papa Pie V kosa ny taona 1572 no nanambara fa fankalazana ny fetin'i Notre-Dame de la Victoire ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra ho fisaorana sy fankasitra noho ny fandresena tao Lépante.
06 ôktôbra — Fianakaviana andriana no nipoiran'i Bruno. Teraka tao Cologne teo anelanelan'ny taona 1030 sy 1035 izy io. Nanomboka nianatra tao amin'ny Kôlejy Saint-Cunibert izy tao amin'ny tanana nahaterahany, avy eo nandalina ny filôzôfia sy teôlôjia tany Reims sy tany Paris.
Sabotsy 10 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 27-28 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalanao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Zoma 09 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 15-26 — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana tamin’ny Evanjely.
05 ôktôbra — Teraka tao Głogowiec tao Pologne ny 25 aogositra 1905 i Faustine. Hélène no anarany ary zaza fahatelo amin'ny zaza folo izy. Tantsaha mahantra ny fianakaviany. Teo amin'ny fahafito taonany izy no naheno ny fiantsoana azy ho relijiozy.
Alakamisy 08 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 5-13 — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho.
Alarobia 07 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-27 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 11, 1-4 — Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.
04 ôktôbra — Teraka ny 1181 i François, zanaka mpivarotra, mpanan-karena tao Ombrie izy. Vao teraka izy dia nataon'ny reniny batemy ka nomeny ny anarana hoe Jean fa rehefa tonga avy any France ny rainy dia nanome azy ny anarana hoe François.
03 ôktôbra — Teraka ny taona 890 tao Stave, tanana kely tao Florennes i Gérard. Sancius no rainy, izay avy amin'ny fianakavian'ny duc d'Austrasie. Avy amin'ny reniny indray izy dia nanana dadatoa an'i Etienne, eveka tao Liège. Nanan-tany tao Brogne ireo ray aman-drenin'i Gérard ireo.
02 ôktôbra — Ankalazain'ny Fiangonana amin'ity daty ity ny fetin'ny Anjely Mpiambina satria mino isika fa izy ireo dia nomen'Andriamanitra iraka sy fahefana ho antsika olombelona. Tsy misalsala ny amin'izany isika satria hitantsika ao amin'ny tenin'Andriamanitra izany. Eo ihany koa ny fampianaran'ireo Mpampianatry ny Fiangonana sy ireo olomasina ary ny fahefan'ny Fiangonana.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco