Mitana anjara toerana goavana amin'ny fiainan'ny tanora ihany koa ny fikatsahana fahasambarana, voajanahary izany. Andriamanitra nahary ny olona hisaina ary nanome azy ny fahamendrehana. Tiako hoy ny Pape Fransoa, raha ny tsirairay avy no mikatsaka io hasambarana io, dia ny hasambarana maharitra mandrakizay. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Miroso lalindalina hatrany ny fanadihadiana momba ilay raharaha voalaza fa fikasàna hamono tompon'andraiki-panjakàna ambony eto amin'ny firenena. Misy manamboninahitra Jeneraly am-perinasa ihany koa amin'izao voarohirohy... ♦ Ho voavaha ny olana amin'ny famatsian-drano amin'ireo Kaominina maromaro eny amin'ny distrika Atsimondrano, tafapetraka ny toby fanadiovana rano... ♦ Mpampianatra Fram 8 900 no ho raisina mpiasam-panjakàna. Hisy ampahany amin'ireo no ho ampidirina mialoha ny volana septambra izao...
Maro ny loha-hevitra noresahina nandritra ny taom-piasàna 2020- 2021 teo iny. Hofintinina amin'ny hoe : ny fiantraikan'ny fifandraisana , ny fifanakankaizana am-po, eo amin'ny olona hafa sy ny tena manokana. Ny fitiavana, ny fahamarinana ary ny fifampitokisana no sakafon'ny fo, ka rehefa tsy misy ireo dia tonga any amin'ny faharerahan-tsaina. Ohatra ireo fa maro ireo fomba hampivelarana ny fifankatiavana sy hamahana ny olan'ny mpivady sy ny fianankaviana. Mirary soa, " MBA HO VANONA" isika rehetra.
Mibahan-toerana voalohany ny asa ho an'ny tanora. Tsy maintsy ilaina ny asa fa singa iray hoetina mivelona eo amin'ny fiainana. Ny asa dia lalana hirosoana amin'ny fahamatorana sy fivoaran'ny maha olona. Ny asa dia tsy itadiavam-bola fotsiny fa fenehoana ny fahamendrehana ihany koa indrindra ho an'ny tanora. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Olona 11 hatramin'izao no efa nosamborina, voarohirohy amin'ilay raharaha voalaza fa fikasàna hamono olom-panjakàna ambony sy ny filoham-pirenena. Niampy 5 omaly ireo olona voasambotra... ♦ Tonga eto Madagasikara omaly ireo vaksiny "Johnson ant Johnson" avy amin'ny fanjakàna amerikàna. Malagasy maherin'ny 287.000 no kendrena amin'izany... ♦ Amin'ny faramparan'ity herinandro ity no hivaly ny fanadinana BEPC ho an'ny eto Antananarivo...
♦ Tonga androany tolakandro tetsy amn'ny seranam-piaramanidina tety Ivato ny vakisiny Johnosn & Johnson, fanomezana avy amin'ny Fanjakana amerikanina. Hisitraka maimaim-poana izany ny Malagasy maniry hatao vakisiny, hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny... ♦ Hamatsy vola amin'ny famatsian-drano, amin'ny tanana miisa 16 any amin'ny Distrikan'Ambovombe sy Amboasary Atsimo ny PAM. Olona miisa 16000 no kendrena hahazo rano fisotro madio avy amin'izany...
Tsy ny mpianatra irery ihany no miaina ny vanim-potoanan'ny fanadinana fa eo koa ny raiaman-dreny sy ny mpampianatra ary ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny. Nisy fihatoana ny fampianarana nandritra ny fotoana nahamafy ny hamehana ara-pahasalamana, fa fanararaotra ireny nanaovana tombana ny zava-bita sy naminavinana ny ho avy. Ny tanora dia mila manao ezaka amin'ny lafiny rehetra, ohatra ara-batana, ara-tsaina, ary arahina vavaka mba hiatrehana am-pitoniana ny fanadinana...
Tsapa tokoa fa mamorona fomba vaovao enti-mifandray sy mifanerasera ny internet sy ny réseaux sociaux, ka handanian'ny tanora ny fotoanany be indrindra. Ireo fitaovan-tserasera ireo dia fanararaotra, ary isan'ny antony hikoloana ny fahaiza-manaon'ny tanora. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
♦ Nosamborina androany maraina tao amin'ny trano fonenany i Sareraka. Izy no olona faha-fito voasambotra, voarohirohy amin'ny voalaza fa fikasàna hamono ny filoham-pirenena... ♦ Ho tonga anio tolak'andro eto Madagasikara ireo vaksiny "Johnson and Johnson" avy amin'ny fanjakàna Amerikàna, daozim-baksiny maherin'ny 300 000 izy ireto... ♦ Totoafo amin'izao ny hetsika iadiana amin'ny asan-dahalo any amin'ny Faritra Melaky sy Menabe, hiova tsikelikely ho ZDS ilay andian-tafika manokana mampandry tany any an-toerana hoy ny kômandy mpitarika izany...
Tamin’izany andro izany, tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: "Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?" Ary hoy ireo: "Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany." Dia hoy i Jesoa taminy: "Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?" Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: "Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra." Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy. Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.
Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe: "Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!" Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: "Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy itý ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona."
Amin'izao firimorimon'ny fandrosoana sy andron'ny fanatontoloana ary ny tontolo nokmerika izao, dia tsy diso anjara ny tanora, fa hainy ny mifehy ny fitaovam-pifandraisana ka ny zokinjokiny indray no tara sy tsy maharaka matetika. Tena iainan'ny tanora ireo rehetra ireo, ary mamaritra ny tontolo'ny fifandraisana amin'izy samy tanora sy ny fivelarany ara-pahalalana. Katesizy momba ny fikoloana ny fahaiza-manao, iarahana amin'i P. Ralison Raphaël Eugène.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna. Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: "Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy"; fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: "Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika." Ary hoy ny navaliny azy: "Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho." Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: "Tompo ô, vonjeo aho!" Nefa novaliany hoe: "Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa." Ary hoy ravehivavy: "Marina izany, Tompoko, nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao." Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco