♦ Hanomboka amin'ny alatsinainy izao ny fanadinana BEPC manerana ny nosy. Efa vonona tanteraka ny amin'ny fampandavorariana izany ny ao amin'ny fari-piadidim-pampianarana Antananarivo-Renivohitra... ♦ Hanao angaredona amin'ny ady amin'ny kolikoly ny orinasa sy ny fikambanana ary fiangonana mivondrona ao amin'ny Hetsika Fampiraisana ny Kristiana ho an'ny Firenena... ♦ Voarafitra ny paik'ady mandritra ny 5 taona hampiroboroboana ny lalam-pihariana ronono eto Madagasikara hoy ny MDB...

Ny fitondrana vohoka dia tsy aretina fa kosa misy ny fiovana eo amin'ny toe-batana sy ny tsirim-panentana ao amin'ny vehivavy, izay miteraka faharefona eo aminy sy ny zaza ao am-bohoka. Tsy voatery ho sarotra ny aretina mpahazo ny vehivavy amin'ny fotoana hitondrany vohoka, saingy raha tsy voatsabo dia mety hamono hafaty. Ireo aretina mety hitranga : fahaverezan-drà betsaka, afa-jaza, zaza an-tsosokoditra, zaza voaloboka...

Nanokana ny andro maneran-tany ho an'ny Raibe sy ny Renibe ary ny zokiolona ny Pape François izay marihina isaky ny alahady akaikin'ny fankalazàna ny fetin'ny Mb Anne sy Joachim ka ny amin'ity taona ity dia ny 25 jolay izao no hankalazaina izany.

♦ Mila hamafisina ny fanaraha-maso ny sisin-tany hisorohana ny fidiran'ny "variant delta" eto Madagasikaran na ny tsimok'aretina Coronavirus miova endrika hita tany Inde hoy  ny Praiministra... ♦ Tafiakatra 940 ny isan'ny mararin'ny Covid-19, maty teto Madagasikara nandritra ny herintaona sy efa-bolana mahery. Nitombo 16 ny isan'ny tranga vaovao... ♦ Miray feo amin'ny vovonam-pikambanan'ny tantsaha eto Madagasikara ny MDB, Mitaky ny tsy hankatoavan'ny HCC sy ny Filohan'ny Repoblika ilay lalàna momba ny fananan-tany... 

♦ Nanentana ny Salezianin'i Don Bosco hanana faharetana ombam-panetren-tena amin'ny fanompoana ny tanora i Mgr Rosario Vella, tamin'ny fanokafana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Salezianin'i Don Bosco teto Madagasikara, ny alarobia lasa teo... ♦ Voatendry ho Visiteur provincial an'ny fikambanana Congrégation de la Mission (Lazarista) eto Madagasikara i Mompera Farasely Gaston...

♦ Nanome toromarika amin'ny hanamafisana ny fanaraha-maso ny sisin-tany ny Praiminisitra androany. Toromarika ho fisorohana ny fahatongavan'ilay Coronavirus mahery vaika "Variant Delta" eto amintsika... ♦ Nihena 34% ny halatr'omby teto Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana voalohan'ity taona ity. Zandary fito no matin'ny dahalo mitam-piadiana hatramin'ny volana jona teo, raha ny tatitry ny Zandarimariam-pirenena, androany...

♦ Feno ny fepetra ka hiroso amin'ny Filankevi-pirenena ny sendikan'ny SECES... ♦ Manaitra ny tompon'andraikitra ny Solombavam-bahoaka IRD any Tsiroanomandidy. Taraiky amin'ny fampandrosoana mantsy, hoy izy, ny Faritra Bongolava raha oharina amin'ny faritra hafa...

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin’i Tsiroanomadidy i Mgr Gabriel Randrianantenaina. Efatra taona lasa izay no nanendrena an’i Mgr Gustavo Bombin Espino, evekan’io dioezy io teo aloha ho evekan’i Maintirano. Ny alahady 11 jolay 2021 no nanatanterahana ny fanamasinana azy ho eo amin’ny laharana mahaeveka, tao amin’ny kianjan’ny lisem-panjakana, tao amin’ny renivohitry Tsiroanomandidy.

♦ Nitokona nampitsahatra ny asany ireo mpiasa tsy raikitra eo anivon'ny CNAPMAD eny Ankorondrano, noho ny tsy fandraisana tambin-karama. Tsy nety namoaka ny laza adina BEPC voatonta ho an'ny Faritra Analamanga izy ireo, androany... ♦ Nilaza ho tsy afa-po tamin'ny dinika tamin'ny Minisitry ny Raharaham-bahiny ireo antoko sy fikambanana manohy ny fitakiana ireo nosy malagasy. Nitafa tamin'ny mpanao gazety izy ireo androany, nitatitra ny akon'izany...

Alatsinainy 19 jolay 2021 — Herinandro fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 12, 38-42

Alahady 18 jolay 2021 — Alahady fahenina ambin'ny folo mandavantaona — Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 6, 30-34

♦ Mankalaza ny faha-40 taona nahatongavany teto Madagasikara ny Salezianin'i Don Bosco, natomboka tamin'ny alalan'ny Sorona Masina ny fanokafana ny fankalazàna omaly 14 jolay... ♦ Misasaka ny fe-potoam-piasan'ny filoham-pirenena mila miroso amin'ny tena fampandrosoana mipaka mivantana amin'ny vahoaka amin'izay ny mpitondra hoy ny solombavambahoaka Paul Rahasimanana... ♦ Vonona hiatrika ny fanadinam-panjakàna BEPC amin'ny alatsinainy izao ny Cisco an'i Vohipeno... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...