♦ Nolavin'ny Prefen'Antananarivo ny fikasan'ny RMDM haneho hevitra eny Ambohijato rahampitso sabotsy tontolo andro... ♦ Handray fepetra, ary nilaza androany ny EMMONAT fa tsy matahotra ny hisambotra na iza na iza manoloana ny fikasana hamory vahoaka amin'ny toerana tsy nahazoana alalana...
Sabotsy 6 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32
Zoma 5 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 33-43. 45-46
Alakamisy 4 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 19-31
Alarobia 3 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny Teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana ; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 17-28
Talata 2 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Na ankehitriny aza anefa, hoy ny Tompo, miverena amiko amin’ny fonareo rehetra, fa mamindra fo sy miantra aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 23, 1-12
Alatsinainy 1 marsa 2021 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Ny tsara no tadiavo fa aza ny ratsy mba ho velona ianareo ka homba anareo ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 6, 36-38
♦ Efa mandeha ankehitriny ny fanadihadiana ara-tontolo iainana, hanatanterahana ny zotra roa fanombohana ny tetikasa "Transport par cable", ao Antananarivo Renivohitra. Tetikasa ho vita ao anatin'ny roa taona... ♦ Nanamafy ny Minisitry ny fitantanam-bola fa mizotra tsara tsy misy olana ny fiaraha-miasan'i Madagasikara amin'ireo mpamatsy vola eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena...
♦ Raikitra ny fifandonan'ny samy mpianatra tao amin'ny Oniversiten'i Maninday any Toliara androany. Niteraka faharatran'ny sasany amin'izy ireo ny tsy fitovian-kevitra amin'ny fitakiana ny vatsim-pianarana mbola tsy voaloa... ♦ Misy mpianatra vitsivitsy mararin'ny Coronavirus koa eny amin'ny Université Polytechnique Vontovorona. Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra ny Filohan'ny mpianatra, manoloana izany...
Alahady 28 febroary 2021 — Alahady faharoa amin'ny Karemy — Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, no re ny feon’ny Ray nanao hoe: Ity no Zanako malalako : henoy Izy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 9, 2-10
Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’i Nikôdema nanao hoe: "Tahaka ny nanandratan’i Môizy ny bibilava tany an’efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak’Olona koa, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay". Fa lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: ka nomeny ny Zanany tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay. Fa Andriamanitra tsy naniraka ny Zanaka tamin’izao tontolo izao, mba hitsara an’izao tontolo izao, fa mba hamonjy an’izao tontolo izao. Izay mino Azy dia tsy tsaraina; fa izay tsy mino kosa dia efa voatsara rahateo, satria tsy mino ny Anaran’ny Zanak’Andriamanitra tokana. Ary izao no fitsarana: tonga amin’izao tontolo izao ny fahazavana, nefa naleon’ny olona ny haizina toy izay ny fahazavana, satria ratsy ny asany. Fa izay rehetra manao ratsy dia tsy tia ny fahazavana, ka tsy manatona ny fahazavana sao hita miharihary ny asany; fa izay manao ny marina no manatona ny fahazavana, mba hiharihary ny asany, fa atao amin’Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý tamin’ireo sasany natoky tena ho marina sy nanebaka ny namany: "Nisy roa lahy niakatra nivavaka tany an-tempoly. Farisianina ny iray, ary poblikanina ny anankiray. Nitsangana ilay farisianina ka nivavaka tao am-pony hoe: ‘Andriamanitra ô! misaotra Anao aho fa tsy mba tahaka ny olona hafa izay mpangalatra, tsy marina, mpijangajanga, na tahaka itsy poblikanina itsy akory aza; mifady hanina indroa isan-kerinandro aho, ary mandoa ny ampahafolon’ny fananako rehetra.’ Fa ilay poblikanina kosa nijanona eny lavidavitra eny sady tsy sahy niandrandra ny lanitra akory, fa nandona ny tratrany nanao hoe: ‘Andriamanitra ô! mamindrà fo amiko, fa mpanota aho.’ Lazaiko aminareo fa itý no nidina efa nohamarinina tany an-tranony, fa tsy ilay anankiray; fa izay rehetra manandra-tena no haetry, ary izay manetry tena no hasandratra."
Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco