♦ Niatrika ny solombavambahoaka tetsy amin'ny CCI Ivato ny mpikambana ao amin'ny governemanta notarihan'ny Praiministra Ntsay Christian... ♦ Nosokafana tamin'ny fomba ofisialy ho an'ny mpanjifa androany ny tolotra vaovao eo anivon'ny Jirama amin'ny alalan'ny Internet sy ny finday... ♦ Nankatoa ny fahalanian'Andriamatoa Joe Biden, ny lehiben'ny antoko repoblikana ao amin'ny antenimieran-doholona amerikana Mitch McConnel...
♦ Natomboka androany teny Ankorondrano ny andron'ny tomban'ezaky ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana... ♦ May androany ny tanànan'i Nato any amin'ny distrikan'i Vohipeno, faritr'i Vatovavy Fitovinany, miantso vony ny mponina noho ny fahavoazana... ♦ Namoaka tatira ny sampan-draharahan'ny firenena mikambana misahana ny fahasalamana fa tsy ampy sy tsy zarizary ny famatsian-drano ho an'ny iray ampaha-efatry ny toeram-pitsaboana maneran-tany...
♦ Fifanatrehan'ireo solombavambahoaka sy ireo ministra, etsy amin'ny CCI Ivato : anisan'ny tena itarainan'ireo solombavambahoaka ny tsy fandriam-pahalemana... ♦ Volavolan-dalàna mifehy ny teti-bolam-panjakàna 2021 : kasaina hahena hatrany amin'ny 20.000 Ariary ny fatana gazy ary ahidina ho 5% ny hetra alaina amin'ny fivarotana gazy... ♦ Fitsaràna miaramila : tsy misy fanasaziana na fanaboridanana olona hoy ny ministeran'ny fiarovam-pirenena...
♦ Fandinihana ny antontantaratasin'ireo mpitondra ambony : tsy tontosa hatramin'ny farany, tsy feno ny fetrisan'ireo solombavambahoaka tonga nivory... ♦ Tetikasa goavana ao amin'ny Nosy Mitsio, avaratr'i Nosy-be : nandefa taratasy misokatra any amin'ny filoham-pirenena, mangata-panazavàna mikasika io tetikasa io ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Namafisin'ireo mpifidy vaventy ny fahalanian'ny kandidà Joe Biden, filoha amerikàna faha-46...
♦ Tranganà herisetra teny Soavimasoandro : Nahoraka be tao anaty tambazotran-tserasera facebook, herisetra nataonà raim-pianankaviana tamin'ny zanany... ♦ Ady amin'ny tsy fanjarian-tsakafo : 100.000.000 dolara, fanampiana tsy averina avy amin'ny governemanta Amerikana ho an'i Madagasikara... ♦ Fetin'ny Noely : hiavaka ny fankalazana amn'ity taona ity ao Vatican...
15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.
Sabotsy 19 desambra 2020 — Herinandro mialoha ny Noely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 5-25 — Ry ilay Atsinanana fibaliakan’ny hazavana mandrakizay sy masoandron’ny fahamarinana, avia ary omeo an’ireo izay mandry ao amin’ny haizina sy ny aloky ny fahafatesana ny hazavana.
♦ Ho raisina ho mpiasam-panjakàna avokoa ireo izay nahavita fiofanana tamin'ny toeram-panofanana ho mpampianatra eto amin'ny Nosy... ♦ Hanao fihaonambe eto an-drenivohitra ny Vovonan'ny Firaisamonim-pirenena VOFIRAISANA, hifidy izay handrafitra ny birao vaovao... ♦ Vaksiny iadiana amin'ny fihanaky ny valan'aretina Covid-19 : tanterahana nonomboka androany any Etazonia ny hetsika fanapariahana azy...
Zoma 18 desambra 2020 — Herinandro mialoha ny Noely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 1, 18-24 — Ry ilay Solofon’i Jese, fisehoan’ny fivondronan’ny vahoaka, avia hamonjy anay, aza maharitra ela intsony.
14 desambra — I Masindahy Jean de la Croix resahana androany dia ilay avy ao amin'ny fikambanan'ny Carmes. Juan de Yepes Álvarez no anarany, teraka ny 24 jona 1542 izy, tao Frontiveros, Vieille-Castille, tanana anelanelan'i Salamanque sy Avila. Gonzalo de Yepes sy Catalina Álvarez no anaran'ny ray aman-dreniny.
♦ Fifidianana loholona : norombahan'ny antoko manohana ny fitondrana avokoa ny toerana miisa 12... ♦ Volavolan-dalàna mifehy ny mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana 2021 : Lany teny amin'ny antenimieram-pirenena, solombavam-bahoaka 78 no nandany azy... ♦ Fifandraisana ara-barotra eo amin'ny vondrona eraopeana sy ny briitanika : henjana ny ady hevitra, nohalavaina ny fifampidinihana...
Ny fandinihana ny fiaraha-monin'ny zava-mananaina rehetra no atao hoe "écologie". Antoky ny fahasalamana ny tontolo manodidina antsika. Raha misy fikorontanana ny manodidina dia misy akony ratsy foana, ny rivotra, ny rano sotroina, ny hazavana entin'ny masoandro. Mihena ny ely rehefa miaina ny fitsaharan'ny fadimbolana ny vehivavy, mila omanina ny fiatrehana izany amin'ny lafiny ara-tsakafo sy ny fisotroana rano ary ny fikoloana ny tontolo manodidina...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco