Sabotsy 26 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masinahy Lioka 9, 44b-45 — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo.
Zoma 25 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 18-22 — Sokafy, ry Tompo Andriamanitra ny fonay, mba hitandremanay ny tenin-Janakao.
Alakamisy 24 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 7-9 — I Jesoa Kristy Mpamonjy antsika no nanafoana ny fahafatesana sy nanambara ny fiainana amin’ny Evanjely.
Alarobia 23 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 1-6 — Raiso ny tenin’Andriamanitra; tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.
17 septambra — Teraka tamin’ny 04 oktobra 1542 tao Toscane i Robert Bellarmin. Dadatoany ny papa Marcel II Cervini. Ny taona 1560 izy no niditra tao amin’ny Fikambanan’i Jesoa. Ary nohamasinina ho pretra tao Louvain ny taona 1569.
Talata 22 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 8, 19-21 — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ; ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy.
Alatsinainy 21 septambra 2020 — Masindahy Matio, Apôstôly, Evanjelista — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 9-13 — Midera Anao izahay, ry Andriamanitra, ary manaiky fa Ianao no Tompo. Ny antokon’ny Apôstôly be voninahitra dia midera Anao, Tompo.
Alahady 20 septambra 2020 — Herinandro faha-25 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 20, 1-16a — Mitenena, Tompo, fa mihaino ny mpanomponao, Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.
16 septambra — I Masindahy Corneille dia zanak’i Castinus, fanta-daza tao Roma ny fianakaviana nipoiran’i Corneille. Tao aorian’ny nahafatesan’i papa Fabien ny 20 janoary 250 dia voafidy ho papa i Corneille, dimy ambin’ny folo volana tao aorian’io nahalasanan’ny papa Fabien io. Izany hoe ny taona 251.
15 septambra — Tamin’ny taonjato fahairaika ambin’ny folo no nahitana voalohany sy ny fahatsiarovana an’i Masina Maria vonton’alahelo. Hita tamin’ny asa sotratr’i Pierre Damien sy Masindahy Anselme izany. Ny fijalian’i Masina Maria teo an-tongotry ny hazofijaliana dia namelombelona ny fitiavam-bavaky ny kristianina hatramin’ny taonjato fahadimy ambin’ny folo.
14 septambra — Tsaroatsika tsara fa tamin’ny 18 aogositra i Masimbavy Hélène, ilay renin’ny amperora Constantin no nahita ny hazo nifantsiahan’i Jesoa. Tamin’ny taona 335 dia nasain’i amperora Constantin ireo pretra nivory tao Tyr tamin’ny fitokanana ny bazilika roa tao Jerosalema ny 13 septambra, ho fankalazana ny faha-30 toana ny nahatongavany.
13 septambra — Teraka tao Antioche i Jean Chrysotome, Jean moa no fiantsoana azy. Mpianatr’i Mélèce tao Antioche izy ary io no nanao batemy azy teo amin’ny faha-24 taonany araka ny fomba tamin’izany fotoana izany. Avy eo izy nobezazin’ni Diodore tao Tarse, mpanorina sekoly tao Antioche io Diodore io. Io ihany koa no nanome azy ny fitiavana ny fikarohana ny tantara eo amin’ny fandalinana ny Soratra Masina.
• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco