Alahady 02 novambra 2025 : Fahatsiarovana ny mpino nody mandry - Mbola hitsangan-ko velona ny maty ; Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an'izao tontolo izao. Ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan'ny Zanak'olona. Ny rindrim-be sy ny sakatsakana teo alohan'ny Zake tsy maintsy nosedrainy mba hahitany an'i Jesoa dia misy sy miseho amin'ny endriny hafa ankehitrin, eo amintsika, amin'ny endriny "valifaty, fialohanana, fitiavan-tena, kolikoly, tsy fandraisan'andraikitra, fahalainana, tsy fihainoana ny hafa, havonavona". Safidy miankina amintsika no afahana midify ireo rindrina ireo, ary ilàna finoana....

Ny Litorjia dia manana ny toerany eo amin'ny Eglizy, satria mampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino. Kristy no miasa ao amin'ny Litorjia ; ny vahoaka rehetra mandray anjara mavitrika...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny Litorjia no loharano sy faratampon'ny fiainana kristiana, ao indrindra no miasa amin'ny tena ny asa fanavotan'i Kristy, ao amin'ny alalan'ny Eokaristia. Amin'ny alalan'ny Eokaristia dia maneho amin'ny fiainany ny misterin'i Kristy ny mpino, ary asehon'i Eglizy ny maha-izy azy marina dia fiombonana amin'Andriamanitra sy amin'ny olombelona...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

Ny konsily Masina dia maniry hampitombo hatrany ny fiainam-panahy kristiana eo amin'ny mpino ; hanavao amin'ny filàn'ny vanim-potoana ankehitriny ny fomba sy rafitra sasany ao amin'ny Eglizy ; hampiraisana ny Kristiana rehetra ; ary ny hanamafisana ny antso ho amin'ny fiainam-pamonjena ho an'ny olona rehetra tsy ankanavaka...Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

[Miara-dàlana] Sabotsy 25 oktobra 2025

Notendren’ny Papa Leon XIV ho Eveka mpandimby toerana (évêque coadjuteur) ao amin’ny Arsidiosezin’i Fianarantsoa i Mgr Jean Nicolas Rakotojaona, izay eveka mpanampy ao amin’ny Diosezin’i Morondava, ankehitriny.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...